Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jona, 2014
Amboara Erantany : Fihetsik'ireo Shileana Tamin'ny Fandreseny An'i Espaina
Nandresy an'i Espaina, tompon'ny amboara erantany ary nandroaka azy tamin'ny filalaovana ny amboara erantany i Chile tamin'ny fifanandrinan'ny "Mena" roa tonta.
Però : Andro Fanapahankevitra Nampiatoan'ny Kaongresy Tamin'ny Asany Ireo Mpikambana 2 Mpanao Lalàna
Felaka roa navaivay tao amin'ny kaongresin'i Limà, naato tamin'ny asany hatramin'ny Oktobra ho avy izao i Gagó sy Uribe, mpikambana ao amin'ny kaongresy, taorian'ny tatitra roa samihafa navoakan''ny kaomisionan'ny parlemanta momba ny fomba ratsy voalaza fa fanaon'izy ireo.
Ilay Meksikana Miguel “Piojo” Herrera, Mpanazatra Manana Ny Angesony Manokana
Lasa Olo-maherin'ny fandresen'ny ekipany i Miguel “Piojo” Herrera, mpanazatran'ny ekipam-pirenena Meksikana.
Mbola Mijery Ny Fiadiana Ny Amboara Eran-tany Amin'ny Lalao Baolina Kitra Avy Lavitra Indray I Però…
Tia lalao baolina kitra ny Peroviana, saingy tsy maintsy manohana ekipa hafa izy ireo amin'ity taona ity. Tsy voafidy handray anjara amin'ny lalao iadiana ny Amboara Eran-tany ny ekipam-pireneny tanatin'ny 32 taona izao.
Nahoana No Faly Amin'ny Fialàn'ny Governoran'i Michoacán Ny Olona Sasany
Nanambara ny governoran'i Michoacan, Firenena Meksikana fa hametra-pialàna noho ny antony ara-pahasalamana
Espaniola an'Arivony No Mitaky Repoblika Taorian'ny Fametraham-Pialàn'ny Mpanjaka
Mpandinika maro no mahita fa andrana hitazonana ny rafitry ny fanjakana misy mpanjaka io fametraham-pialàn'ny mpanjaka io.
Nahita Ampahan-dalana Inca Vaovao Akaikin'i Machu Picchu Ny Mpikaroka Ao Però
Tsy nisy nahamarika ilay lalana Inca nandritra ny 500 taona mahery, izay eo amin'ny iray kilaometatra sy sasany eo ny halavany.
Fiderana Manerana an'i Chile Taorian'ny Fandresena Manatantara Manoloana an'i Espaina
Nankalaza ny fandreseny manoloana an'i Espaina nandritra ny Mondialy FIFA Brezila 2014 nanerana ny fireneny ny Shiliana. Nanangona ny sarin'ny fankalazana hita ao amin'ny Twitter hatrany Arica ka hatrany Antarctica izahay.
Mpiandry Harato “Memo” Ochoa, Maherifo Meksikana
Nandritra ny Mondialy FIFA 2014 ao Brezila, tsy isalasalana fa namirapiratra nandritra ny lalao nifaninanan'i Brezila sy i Meksika ny Meksikana mpiandry harato "Memo" Ochoa. Indreto ny fihetseham-po sasantsasany sy ny sary miaraka amin'ny soratra (memes) nifampizarana fatratra tao amin'ny Twitter.
Tolona Ho Amin'ny Zo Hahazo Rano Ao An-tanànan'i Mexico
Zo fototra ao Meksika ny fahazoana rano madio ka fisantaran'andraikitra marobe no nodinihana mba hiantohana izany zo izany.