Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Febroary, 2014
Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana
Maty noho ny ratran'ny tifitra nahazo azy tamin'ny lohany i Genesis Carmona. Izy no olona niharan'ny herisetra farany amin'ilay hetsi-panoherana ao amin'ny firenena.
Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika
Fasana nafenina no niafaran'ilay mpanao gazety Meksikana Gregorio Jiménez de la Cruz. Mbola tsy tonga any amin'ny fitsarana ireo namono azy.
Tsaho Sy Sary Hosoka Mampanaitra Ny Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Venezoelà Ho Tompon'Andraikitra Kokoa Amin'Ny Zavatra Avoakany
Ny krizy mitranga ankehitriny ao Venezoela no mametraka ny mpiserasera ho lohalaharana amin'ny fampielezam-baovao, saingy tsy ny rehetra tsy akory no mangarahara na tompon'andraikitra amin'ny fitaterany ny zava-mitranga.
Ilay Venezoela Hotsaroako Mandrakariva
Mahatsiaro ilay Venezoela tanyamin'ny taona 1990 ilay Peroviana Gabriela Garcia Calderón, firenena iray tena hafa mihitsy amin'ilay iray izay avoaka any anaty lohateny vaventin'ny fampahalalam-baovao faramparany teo
Fihetsiketsehana Noho Ny Fahafatesan'ireo Mpifindra-monina Tao Ceuta, Espaina: “Tsy Misy Olona Tsy Ara-dalàna”
Nomelohin'ireo mpifindra-monina sy fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena maromaro ny ny Guardia Civil, nilaza izy ireo fa tsy mba namonjy ireo mpifindra-monina na nampandre ny mpamonjy voina andranomasina mba hamonjy ireo olona tao anaty ranomasina ny Guardia Civil
Venezoela: Mitondra Fanohanana Ireo Fihetsiketsehana Ao An-toerana Ny Venezoliana Ampielezana
Nitondra ny fanohanany ireo fihetsiketsehana ao Venezoela ireo Venezoeliana monina any ivelany tamin'ny alalan'ny fandefasana sary marobe tao amin'ny tambajotra sosialy.
Péro : Salanisa Mavesatry Ny Vanim-Potoam-Pahavaratra
Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondradrano ireo oram-batravatra tany amin'ny faritra maro tao Péro, nitarika fisianà tra-boina sy fahapotehanà fitaovana marobe.
Hijanona Ao amin'ny Valam-biby Mendoza Ihany ilay “Orsan'ny Tendrontany” Ao Arzantina
Taorian'ny fizahana ara-pahasalamana, hijanona ao Arzantina ihany i Arturo, ilay Orsan'ny Tendrontany. Nangataka ny hanatsarana ny fepetran'ny tontolo misy azy ny olon'i Mendoza sy ireo fikambanana samihafa.
Arzantina: ‘Ampitombointsika’ Ny Fandrosoana Sa Ny Kolikoly ?
Nanambara fampitomboana ny fisotroan-dronono sy ny vatsim-pianarana ny Filoha Fernández , niteraka ny tenifototra hoe #Aumentamos (ampitombointsika), izay nentin'ireo mpampiasa twitter mba hanomezany ny kaontin-dry zareo manokana momba izay 'nisondrotra' tao amin'ny fireneny
Gadona Toy Inona No Eny An-dalamben'i Espaina?
Fanadihadiana iray mitondra ny lohateny hoe “The sound of the streets” - "Ny gadon'ny arabe" maneho ny endriky filôzôfian'ny asa sy ny fiainan'ireo artista dimy mpivazo an-dalambe ao Espaina.