· Jona, 2013

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jona, 2013

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Nolanian'i Ekoatora Ilay Lalàna Mahabe Resaka Mifehy Ny Serasera

  27 Jona 2013

Taorian'ny adihevitra ela efa ho efa-taona izay, dia neken'ny Antenimieram-pirenena tao Akoatora ihany, tamin'ny isam-bato 108 mankasitraka ary 26 mitsipaka, ilay lalàna mahabe resaka hifehy ny serasera, natolotry ny Filoha Rafael Correa, Raha toa ny tompon'andraikitra ao amin'ny governemanta ka mankalaza [es] ny fahalanian'ilay lalàna, ireo fikambanan'ny mpanao gazety sy ireo mpanohitra kosa dia nandray izany [es] ho toy ny "famehezana" ny fahalalahana haneho hevitra ao amin'ny firenena .

Mitokona Mitaky Fisondrotan-Karama Ny Oniversiten'I Venezoela

  26 Jona 2013

Namoaka filàzana ny Oniversite ao Venezoela fa manao fitokonana tsy mitsahatra ho fitakiana fampiakaran-karama. Araka izany, eo an-dalàm-panoratana azy ny tohin'ilay fifandirana ela, noho ilay tsy fitovian-kevitra nisy teo amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta sy ny Oniversitem-panjakana taty anatin'ny volana vitsy.

Kolombia: Mianatra Amin'ny Vallenato

  20 Jona 2013

Ao amin'ireo mpiserasera Twitter Kolombiana, misongadina ny famoahana fehezanteny avy amin'ny hiran'ny Vallenato -hita amin'ny alalan'ny teny ifankafantarana #Elvallenatomeenseñó [es] (nampianatra ahy ny Vallenato)- ka avoitra avy amin'izany ny tononkira tsy lefin'ny fotoana intsony ao amin'ny hira ahitana taratra ny leson'ny fiainana.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es