· Marsa, 2013

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Marsa, 2013

Nandresy Tamin'ny Lalao Fifaninanana Baseball Manerantany Ny Repoblika Dominikana

  30 Marsa 2013

Faly sy ravoravo ny fon'ireo Dominikana noho ny ezaka vitany tsy mampino nandritra ny fifaninanana Baseball Klasika Manerantany III. Tamin'ny Talata 19 Martsa 2013, nandrombaka ny fandresena farany tamin'ny Lalao Baseball Manerantany 2013 ny ekipa Dominikana, rehefa avy nandresy ny ekipa nasionaly Poerto Rikàna [es] tamin'ny isa 3-0. Tao anatin'ny Lalao  Klasika, sambany nandrombaka...

Fikatonan'ny Google Reader: Toetra Ratsin'ny Google?

  27 Marsa 2013

Nanambara ny Google tamin'ny herinandro lasa fa hakatony amin'ny 1 Jolay 2013 ny tolotra mpamaky fahana RSS fanomeny, fantatra amin'ny hoe Google Reader. Mandalina ny dikan'ity fanakatonana ity ho an'ilay orinasa sy ho an'ireo mpampiasa azy io ireo mpampiasa miteny Espaniôla.

Ny Faritra Mando Lehibe Indrindra Arovana Erantany Napetrak'i Bolivia

  22 Marsa 2013

Ao anatin'ny Fifanarahana Ramsar, nanendry faritra mando telo vaovao ny governemanta Boliviana ho isan'ny faritra arovana any ‘Llanos of Moxos’, faritra arovana izay manome ny haben'i Pays-Bas sy Belzika mitambatra. Midera ilay fanapahan-kevitra ireo mpikatroka mafàna fo sy fikambanana mpiaro tontolo iainana, no sady manentana ihany koa hiasàna mafy ho fiarovana ny Amazôna.

Vola Ho An'ny Omby No Misy Ao Espaina Fa Tsy Ho An'ny Olom-Pirenena

  22 Marsa 2013

In February, the government of the People's Party (PP) admitted to proceed with a citizen initiative to name bullfighting a "Cultural Interest Good" in Spain. It is calculated that over 500 million euros are invested in bullfighting a year in Spain in the midst of severe of welfare cuts and austerity measures. Ny Febroary teo, ny governemanta avy amin'ny antoko People's Party (PP) -Antokom-Bahoaka - dia nanaiky hiresaka ny fandraisan'andraikitry ny olom-pirenena hametrahana ny tolon'omby ho "Harena Iray Manana Lanja Ara-kolontsaina" manerana an'i Espaina. Efa nokajiana fa ao Espaina, maherin'ny 500 tapitrisa Euro no arotsaka isan-taona ho an'ny tolon'omby ao anatinà vanim-potoana fanakantsanana faran'izay henjana ny an'ny resaka sosialim-bahoaka.

Tanora Espaniola Mitsoa-ponenana : “Tsy Niala Izahay Fa Noroahina!”

  21 Marsa 2013

Iray amin'ireo vokadratsy mahatsiravina nateraky ny krizy ny tsy fananan'asan'ny tanora ao Espaina, izay tafakatra 55,6%. Manoloana io isa mampitebiteby io, niantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra maika ny Vondrona Eoropeana tamin'ny taon-dasa. Taorian'ny 15 volana niasana tao amin'ny governemanta, nanolotra Drafitra ho an'ny Tanora Tsy An'asa [es] ihany ny Antokom-bahoaka (kaonty Twitter...

Fijery Ao Anatiny Momba Ny Oniversite Indizeny ao Venezoela

Rising Voices  20 Marsa 2013

Tahaka ny ahoana ny andavanandron'ny mpianatra ao amin'ny UIV, Oniversite indizeny ao Venezoela [es] ? Mpianatra telo avy ao amin'ny sampana educommunication (fampianarana sy fifandraisana) [fr] no nandray anjara tamin'ny atrikasa nokarakarain'ny Rising Voices vao haingana ho fanatsarana ny fahaizana maka sary nomerika sy ny fametrahana ao amin'ny aterineto ny sary alain'izy ireo ary ny fizarana...

Arzantina, ny Governemanta sy ny Papa Fransoà

  15 Marsa 2013

Raha niandry ny valim-pifidianana izao ho Papa vaovao izao tontolo izao, efa nanantena ny Arzantina fa olona mpiray tanindrazana aminy no ho voafidy ho Papa. Nanambara ny setroka fotsy nivoaka tao Vatikana fa vita ny fifidianana: zezoita voalohany sy papa Arzantina voalohany, Jorge Bergoglio – izay lasa Fransoà ankehitriny- no...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es