· Aogositra, 2012

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Aogositra, 2012

Espaina: “Tsy Fankatoavana Ara-Pahasalamana” Noho Ny Fepetran'ny Fitsitsiana

  31 Aogositra 2012

 Nanangana sehatra entina hanoherana ny fanavaozana ara-pahasalamana natao vao haingana ny vondrona tsy miankin'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny mpandray anjara amin'ny hopitalim-panjakana. Nomena anarana hoe”Eny hoy aho ho an'ny fahasalaman'ny daholobe” (@Yosisanidaduniv) [es] ny hetsika ary ny foto-kevi-dehibe ijoroany dia ny “tsy fanekena” sy ny fanoherana ny Lalàna 16/2012 novolavolain'ny...

Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”

  23 Aogositra 2012

Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.

Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan

  21 Aogositra 2012

Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin, ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.. Vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.

Kolombia: 13 Taona Taorian'ny Namonoana An'i Jaime Garzón

  20 Aogositra 2012

Nisy namono tamin'ny 13 aogositra 1999 ny mpanao gazety, mpahay lalàna ary mpandala ny fandriampahalemana Kolombiana Jaime Garzón Teloambinifolo taona taty aoriana mbola tsy voavaha ny raharaham-pamonoana an'i Garzón. Mahatsiaro an'i Garzón ny Kolombiana ary mitaky ny rariny isaky ny andro ahatsiarovana ny namonoana azy.

Paragoay: Tolona Sy Fandrahoana Mahazo Ny Tanin'ireo Teratany Aché

Rising Voices  20 Aogositra 2012

Noheverina ho iray volana fitàran'ny firavoravoana ny volana Aogositra taorian'ny namindràn'ny governemanta Paragoaiana tany eo amin'ny 4600 hektara tamin'ny tanindrazany naverina tamin'ny vondrom-piarahamonin'ireo Aché ao Kuetuvy. Kanefa, mbola misy fifandirana ifanaovana amin'ireo vondrona tantsaha izay milaza fa tokony notapahana tamin' ity tany ity no nanembantsembana ity fotoam-piraovravoana ity.

Meksika: Manao Amboradara Ho Amin'ny Fandriampahalemana

  19 Aogositra 2012

Miaraka manatontosa ny amboradaran'ny Fandriampahalemana any amin'ny tanàna tahaka an'i Guadalajara, Monterrey ary Mexico City, ny lehilahy sy ny vehivavy avy amin'ny sokajin-taona rehetra hametaka ny anaran'ireo niharan'ny herisetran'ny Ady amin'ny Rongony amina mosoara fotsy.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es