Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Jona, 2012
Orogoay: Tolo-dalànan'ny Governemanta Hanaovana Ho Ara-dalàna Ny Fanjifàna Marijuana
Niteraka fanehoan-kevitra mifamahofaho ny filazana hoe manosika ny hanaovana izay hampalalaka ny famarotana ambany fanaraha-mason'ny marijuana ny governemanta Orogoaiana. Ilay tolo-dalàna dia atolotra ho toy ny fepetra hisorohana ny fanjifàna sy fanelezana ny fetanà cocaine ("pasta base" amin'ny teny Espaniola), zava-mahadomelina tena fantatra eny anivon'ny tanora Orogoaiana.. Nalaky tamin'ny fanehoan-kevitra momba ilay vaovao ireo mpiondana aterineto.
Graffiti Sy Zavakanton'ny Arabe Any Amerika Latina: Ao Amin'ny Aterineto Sy Eny Amin'ny Arabe
Mivaingana ny zavakanton'ny tanàn-dehibe sy ny graffiti manerana an'i Amerika Latina. Ito misy topimaso kely amin'ireo lahatsoratra vao haingana navoakan'ireo mpitoraka bilaogy izay mizara sary sy lahatsarin'ity hetsiky ny zavakanton'ny tanàn-dehibe mitalakotrokotroka mampihovitrovitra any amin'ireo toerana samihafa manerana ny faritra ity.
Panama: Firenena Amidy
Amidy i Panama : na farafaharatsiny izay no fahitan'ny vondrona Panameana lehibe iray ny zava-misy taorian'ny nahitàny tamin-katezerana ny fomba ataon'ny governemantan'ny Filoha Ricardo Martinelli ikendrena ny handafosana ampahany midadasika amin'ireo fananan'ny firenena..Azo jerena eny an-dalambe sy eny anaty tambajotra sosialy ny hatezearan'ny vahoaka Panameana.
Espaina: Nitory ny Banky Bankia Ireo Tafintohina
[Amin’ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana] Vitany ihany nony farany , haingana tsy araka ny nanampoizana azy. Nametraka fitoriana tao amin’ny Audiencia Nacional ao Madrid ny hetsiky ny 15M, noho ny fanaovana hosoka tamin’ny kaonty sy fisolokiana, entina hanenjehana ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Bankia, ka...
Etazonia: “Shooting Blind”: Fijerena Aminà Maso Hafa
Isaky ny Talata, misy andianà mpaka sary manana olana amin'ny fahitàna mifamory foana ao Manhattan, New York City, mivondrona eo ambanin'ny vondrona antsoina hoe Seeing with Photography Collective. Zarainay ny sasany amin'ireo sary mahazendana avy amin'ireo mpikambana ao anatin'ilay fiaraha-mientana.
Pôrtô Rikô : Asa Loha Momba Soso-kevitra Angovo Azo Amin'ny Rivotra
Ny tetikasa "Finca de Viento Santa Isabel" (Sahan-dRivotra ao Santa Isabel), an'ny orinasa iray avy any San Francisco, California, Pattern Energy, dia iray amin'ireo tetikasa marobe [es] amin'ny angovo azo havaozina misanda an-davitrisan-dolara nikasa ny hanomboka ny famokarany amin'ity taona ity ao amin'ilay nosy - ary raha vantany vao vita dia io no ho iray goavana indrindra amin'ny karazany any Karaiba.
Ekoatora: #CasoSatya, Fahalalahana Miteny Sy Rikoriko Manoloana Ny Fanambadian'olon-droa Mitovy
Vehivavy mpivady i Nicola Rothon sy Helen Bicknell, avy any Angletera, izay nanamasina ny fanambadiany ho ara-panjakana tany Ekoatora; tsy nanaiky kosa, anefa, ilay Biraon'ny Fisoratana, ny hanoratra azy roa ho samy renin'ilay zanak'izy ireo, Satya, izay azo avy amin'ny fananahana artifisialy. Namokatra hevitra samihafa ireo mpamoaka lahatsoratra vitsy any anatin'ireo tambajotra sosialy, momba ireo olana tahaka ny fameperana ny fahalalahana miteny sy ny rikoriko manoloana ny fifanambadian'olon-droa mitovy.
Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?
Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.