· Avrily, 2012

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Avrily, 2012

Syria: Nanao “Fiaikena” Tamin'ny Fahitalavitra Ilay Mpikatroka Ali Mahmoud Othman

Nosamborina ilay mpaka sary sady mpikatroka Ali Mahmoud Othman, lehiben'ny birao fampahalalam-baovao an'i Baba Amr ao Homs, tamin'ny 28 Martsa. Mihevitra ireo mpikatroka namany fa niaritra fampijaliana mafy izy hatramin'izay nisamborana azy izay. Nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handefa fandaharana momba ny resadresaka manokana hiarahana amin'i Othman izy amin'ny 25 Aprily. Tamin'ny fandaharana fampahafantarana...

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Panama: Mahantra Saingy Tsy Adino Noho Ny Lahatsary Aty Anaty Aterineto

  27 Avrily 2012

Iray tamin'ireo tobim-pamaharan'ny Sambo mpisitrika Amerikana tany amin'ny faritry ny Lakandranon'i Panama i Coco Solo, akaikin'i Colón, Panama. Amin'izao fotoana, Coco Solo no tanindrazan'ny sasany amin'ireo mahantra indrindra, ny ankamaroan'ireo Panameana natao an-jorom-bala. Ireo lahatsary anaty aterineto no mba antontan-kevitra vitsy mampiseho ny fiainana ao anatin'ity vondrom-piarahamonina ity.

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Espaina: Ny Mpanjaka Sy Ny Elefanta

  22 Avrily 2012

Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly...

Arzantina: Naneho Hevitra Momba Ny Fanomezana ny Orinasa YPF Ho Tantanin'ny Fanjakana Ny Mpamahana Bolongana

  20 Avrily 2012

Niteraka sahoan-dresaka teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Arzantina ny fanambarana fa omena ho tantanin'ny fanjakana ny orinasa mpamokatra solika YPF, izay fehezin'ny Repsol Espainola, sy ny famindrana ny 51%n'ny renivola ho an'ny govermanta Arzantina. Amin'ny ankapobeny, rehefa misy ny lohahevitra resahina ao Arzantina, mizarazara ny hevitra eo amin'ny mpanohana sy ny mpanohitra ny governemantan'i...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es