· Janoary, 2012

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2012

Lahatsary: Taona Iray Tontolo Iray Ary Tantara 52 Samy Hafa

  29 Janoary 2012

Hitsidika firenena irery mandritra ny herintaona ilay mpanao gazety amin'ny alàlan'ny Lahatsary Maggie Padlewska, hitety firenena iray isan-kerinandro ary mitontaly 52 ireo firenena hotsidihany amin'izany. Mandritra ny fitsidihany dia haka ary hamokatra lahatsarin'ny fifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina, fikambanana ary olona zara raha voaresaky ny mpampita vaovao izy, ary hamoaka izany ao amin'ny aterineto izy.

Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina

  26 Janoary 2012

Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana  na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po ireo filana isan-karazany sy maika atrehin'ny kontinanta, toy ny Heroreports [en], izay mamaritra ny toerana fanaovana asa soa ao Meksika, na...

Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto

Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.

Meksika: Mifanentana ny Mpiserasera Ho Fanampiana Ny Mponina Tarahumara

  20 Janoary 2012

Vaovao farany (18 Janoary, 2012): Nanohy hatrany ny fitantarana izay lazaina fa famonoan-tena nataon'ny mponina teratany Tarahumara ny Univisión. Ao amin'ny hafatra navoakany ao amin'ny pejiny Tumblr,  nilaza izy ireo fa “nahazo vaovao mametraka fisalasalana momba izany filazalazana izany.” Nanamarika izy ireo na dia izany aza fa , “Ny loharanom-baovao voarain'ny Univision dia...

Goatemalà: Fampiasana Ankizy Any An-tsaha Fambolena Fary

  20 Janoary 2012

Ny fanadihadiana nataon'ny mpanao gazetin'ny Plaza Publica tao Goatemalà no nahitana ny mpitondra ao amin'ny fitondrana, izay manana adidy araka ny lalàna hisoroka ny fampiasana zaza, mamela ny zaza latsaky ny 14 taona hiasa eny amin'ny saha fambolena fary, toerana ilana herintsandry sy mampidi-doza. Singam-pary navoakan'i Chris McBrien CCBy Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny...

Peroa : Mozika Krismasy Afro-Peroviana

  20 Janoary 2012

Ny Krismasy, fankalazana iray izay nentin'ny Espaniola tao Peroa tany amin'ny fanombohan'ny taonjato faha enina ambin'ny folo, dia neken'ireo vondrom-piarahamonina samihafa tao amin'ny firenena tsikelikely nandritra ny taona maro. Iray amin'ireny indrindra , ny vondrom-piarahamonin'ny mainty hoditra, izay saiky niara-tonga tamin'ireo Eropeana, sady Kistianina mafàna fo, no nahavita nampiditra ny maha-izy azy tao amin'ilay fety, naneho ny zavatra niainany manokana tanaty asa famoronana ara-javakanto natao ho fanomezam-boninahitra ilay fety.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es