· Septambra, 2011

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2011

Etazonia: “Fehezo i Wall Street” Foibe Ara-bolan'i New York

  28 Septambra 2011

Tao amin'ny distrikan'ny vola ao New York, nikarakara fihetsiketsehana milamina ny vondrona Fehezo i Wall Street (#occupywallstreet tao amin'ny Twitter), notohanan'ny fikambanana Kanadiana AdBusters sy ny mpisovoka antserasera Anonymous izany hetsika izany.  Aingam-panahy avy amin'ny hetsika an-tanàna tany amin'ny firenena Arabo sy Eoropeana,  mampiseho ny tsy fahafaliany ireo tanora ireo ny amin'ny fomba ataon'i...

Bolivia: Nosakan'ny Polisy Ny Diaben'ny Zanatany manohitra ny Lalambe migodàna

  26 Septambra 2011

Mitohy ny diabem-panoherana ataon'ny Zanatany mba hampitsaharana ny fanorenana ny lalambe migodàna mamakivaky ny TIPNIS, ilay Valam-pirenena Isiboro Sécure Faritanin'ny Zanatany, araka ny efa notaterin'ny Global Voices. Ao amin'ny bolongana Bolivia Diary, no anazavazavan'i Dario Kenner ny halalin'ny fifandirana sy anoratany ny toe-javamisy tsy maintsy atrehin'ny mpanao Diabe: Na dia eo...

Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa

  25 Septambra 2011

Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy. Bilaogera maro sy mpilaza vaovao maro no nanao izay ametrahana io resaka io ho laharam-pahamehana.

Shily : #paronacional (Fitokonana Faobe) vs. #yonoparo (Izaho Tsy Mitokona)

  21 Septambra 2011

Ny Workers' United Center (CUT) dia niantso fitokonana faobe ny 24 sy 25 Aogositra 2011, ho karazana fanoherana ny tsy fitoviana ara-sosialy sy ara-toekarena ao Shily. Mbola tsy azo antoka hoe nahomby na tsia ny fitakiana, saingy fara-fahakeliny ny fanehoan-kevitr'ireo mpampiasa ny Twitter mpomba sy tsy mpankasitraka ity karazana hetsi-panoherana ity dia niely be ka nahatonga ny tenifototra #paronacional (fitokonana faobe) sy #yonoparo (Izaho tsy mitokona) ho lohahevitra malaza ao amin'ny firenena.

Goatemalà: Manaraka ny Fifidianana Amin'ny Ankapobeny

  19 Septambra 2011

Androany, [11 Septembra 2011], no handeha hifidy filoham-paritra, ben'ny tanàna, solombavahoaka ary filoham-pirenena ny olom-pirenena Goatemalteka . An-jatony ireo niasa vao maraimbe mba hametraka demokrasia  tena izy. Na dia tsy afaka mifidy aza ireo Gotemalteka monina any ivelany, vahoaka an-jatony manerana izao tontolo izao no manaraka akaiky ny zava-miseho amin'ny...

Espaina: Adihevitra Ara-politika sy Ara-tsosialy Mafana Momba ny Fanitsiana ny Lalampanorenana

  14 Septambra 2011

Nihahenjana kokoa ny adihevitra politika sy sosialy tao Espaina nandritra ny volana vitsivitsy farany teo. Ny vaovao farany niteraka indray dia fidinan'olona anarivony  an-dalambe mba hanohitra izay lazaina fa  #reformazo (#fanitsianalehibe). Mikasika ny fanovana isankarazany ao amin'ny Lalampanorenena Espaina novolavolain'ny PSOE (Antokon'ny Mpiasa Sosialista Espaniola) izany, miaraka amin'ny fanohanan'ny PP (Antokon'ny...

Meksika: Hero Reports, Fampidirana An-tsarintany Ireo Hetsika Mahafinaritra

  13 Septambra 2011

Ny Heroreports dia tetikasa tsy itadiavan-tombotsoa manokana naompana tamin'ny fanangonana vaovao avy eny ifotony sy fananganana sarintany itaterana ny risika sy ny fitondrantena mendriky ny olom-pirenena eny anivon'ny fiainam-piarahamonina eny. Nanomboka tao Ciudad Juárez, Meksika izy ity, toy ny hoe fandraisana andraikitra nataon'ny Foibe MIT ho an'ny Media-n'olon-tsotra antsoina hoe "Crónicas de Héroes"

Etazonia : Ny Eritreritry ny Latinos Folo Taona taty aorian'ny 9/11

  12 Septambra 2011

Ity taona ity no fahafolo taona ny fanafihana tany New-York sy Washington, fanafihana izay nampiova ny fandehan'ny tantara. Ny fampitam-baovao Latinos dia mampahatsiahy ireo tra-doza sy ny zava-nitranga, fa ny tontolom-bolongana latino-amerikana kosa dia ny momba ny fitantarana miverimberina ny "fikasan-dratsy" (na "conspirations") no mibahan-toerana.

Meksika : Manaraka ny Dian'i Javier Sicilia

  06 Septambra 2011

Ny bilaogera Meksikana dia manoratra momba ny hafanam-pon'ilay mafàna fo Javier Sicilia sy ny Hetsika ho an'ny Fandriampahalemana Manara-dalàna sy Mendrika tarihany. Ny hetsika ataony sy ny fikambanana tantanany dia namoha hevitra mifanohitra izay ny zavatra itovizan'izy rehetra dia ny fanantenana fa hiova ho amin'ny tsara indrindra ho an'ny rehetra ny zava-misy ao Meksika.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es