· Aogositra, 2011

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Aogositra, 2011

Fetiben'ny Bilaogy: Meksika – Midradradràdra Ny Herisetra

  30 Aogositra 2011

Ny Fetiben'ny Bilaogy 2011 nataonay voalohany dia nitondra ny lohahevitra hoe "Meksika - Vahoaka, Herisetra ary Bilaogy". Ao anatin'ny ampahany voalohany amin'ny famintinana farany, arantinay ny fihevitr'ireo Meksikana mpitoraka bilaogy momba ireo tranganà herisetra nitranga taloha tao amin'ny fireneny sy ny fomba andraisan-dry zareo izany ary anehoany ny fangirifiriany rehefa mahadòna azy ireo ilay herisetra.

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

  29 Aogositra 2011

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Meksika : Fankalazana ny faha 100 taonan'i Cantinflas

  27 Aogositra 2011

Ity volana Aogositra ity i Meksika no mankalaza ny zato taona nahaterahan'i Mario Moreno mpanao hatsikana, diso fantatra amin'ny hoe Cantinflas . Any Meksika, ary manerana an'i Amerika Latina, Cantinflas dia fantatra ho mpilalao lehibe ary iray amin'ireo mpilalao hatsikana tena be mpitia indrindra any Meksika.Cantinflas no nisolo tena ny ankolafy mahantra ao Meksika. Vitany ny nisarika ny sain'ny olona handinika ny tsy fitoviana eo amin'ny mahantra sy ny manankarena taminà fomba tsy nanam-paharoa.

Shily: Fiaraha-miasa vaovao eo amin'ny Global Voices sy ny Mi Voz

  24 Aogositra 2011

Nanorina fiaraha-miasa vaovao ny Global Voices sy ny Mi Voz – gazety an-tseraseran'olo-tsotra Shiliana – . Hamoaka tantara iray avy ao amin'ny Mi Voz isam-bolana ny Global Voices, mba hahatakatra ny mpamaky iraisampirenena ny feon’ ireo olotsotra mifandray aminy. Mandritra izany kosa ny Mi Voz dia hamoaka lahatsoratra novolavolain'ny Global Voices...

Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”

  24 Aogositra 2011

Tanaty tafatafa tanteraka noho ny fiaraha-miasan'ny tambajotranà bilaogera sy namana, ilay Dominikana mpanoratra tononkira , mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra Rita Indiana dia miresaka momba ny maha-izy azy manokana amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy ny Aterineto, ankaotr'ireo lohahevitra hafa

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

  22 Aogositra 2011

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.

Pero : Fanehoan-kevitra Taorian'ny Fanokanana an'i Ollanta Humala

  17 Aogositra 2011

Ny 28 Jolay, Ollanta Humala dia notokanana ho Filoha vaovaon'i Pero. Ireo fanamarihana sy tsikera avy amin'ny tambajotram-pifandraisana sosialy dia rakotry ny finoana sy fanantenana, hatramin'ny kiana masiaka sy manambany ary fanamarihana mahatsikaiky momba ny fitafian'ny vadin'ny filoha, Nadine Heredia

Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

  16 Aogositra 2011

Nihetsika mangataka fanavaozana ny rafi-pampianarana ireo Shiliana mpianatra nanomboka tamin'ny Aprily. Anaty lahatsary tsy ela akory izay, azo atao ny mahita tranga tanaty fihetsiketsehana iray, ka nandritra izany dia nifampiraharaha ry zareo ka nahavita nandresy lahatra andian-jiolahim-boto nisaron-tava handao ny toerana. Maneho ny fanohanan-dry zareo ny mpianatra ireo Shiliana any anaty tambajotra sosialy any, amin'ny alalan'ny fivelesana vilany rehefa amin'ny 9 ora alina.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es