· Avrily, 2011

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Avrily, 2011

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

  28 Avrily 2011

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.

Chile: Nanafaingana Ny Fitaterana Taova Ny Mpitsabo Mpanampy iray Tamin'ny Alalan'ny Twitter

  27 Avrily 2011

Cristina Bizama (@cristi_enf), mpitsabo mpanampy ao amin'ny tobim-pitsaboana Talca any Chili, dia nahavita nanafaingana ny fitaomana ny taova hafindra avy any Talca mankany Santiago renivohitra, any amin'ny 260 kilometratra miala avy ao. Tweet iray no nanombohan'ny zava-drehetra: "Tsy mampino! Tsy misy fomba hitaterana taova 5 mankany [Santiago]." Avy hatrany dia nandray andraikitra ny vondrom-piarahamonin'ny Twitter.

Arzantina: Miresaka Sondro-bidim-Piainana ireo Mpitoraka Bilaogy

  26 Avrily 2011

Lohahevitra efa resabe hatry ny ela ta Arzantina ny sondro-bidim-piainana, ary lasa lohahevitra miverimberina eo amin'ireo mpitoraka bilaogy.Satria olana ara-politika manan-danja lehibe tokoa, dia andrasana ny handraisana azy ho lohahevitra lehibe hifandresen-dahatra mandritra ny hazakazaka hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny Oktobra ho avy io.

Costa Rica: Lalao Video miankina Amin'ny Twitter Mitady Famatsiam-bola.

  10 Avrily 2011

Mitady fandraisana anjaran'ny rehetra hamatsy vola ho amin'ny fananganana ny TweetLand , lalao an-tserasera misy fiantraikany eo noho eo avy amin'izay voasoratra ao amin'ny Twitter, ny tanora mpahaikanto enina avy any Costa Rica. Ireo lalao ireo dia antsoina hoe Route 140 sy LoveCity ary izy roa dia samy mampiasa izay...

Chile: Toeram-Pandiovana (Refinery) Misokatra Indray Na Teo Aza Ny Fahampoizinana Tany An-Tsekoly

  08 Avrily 2011

Nanapa-kevitra nanakatona sekoly iray ny Ministeran'ny Fahasalamana tany Chile tamin'ny 23 Martsa 2011, taorian'ny fanamarinana fisianà tranga 40 [es] olontsotra sy mpianatra voapoizin'ny solifara, varahina sy akora hafa miaty solifara. Fitsarana iray no nandidy ny hanakatonana ilay orinasa, navela iìhisokatra indray izy io 24 ora latsaka taty aoriana rehefa nanao fampakarana ny didy navoaka ny Codelco, ilay orinasa tompon'ilay fandiovana. Nahazo alalana hiverina an-tsekoly ny mpianatra tamin'ny 4 Aprily teo.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es