· Marsa, 2011

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Marsa, 2011

Venezoela: Mitombo ny tranga-na gripa AH1N1

  31 Marsa 2011

Mandia fotoan-tsarotra hafa indray ny Venezoelana amin'izao fotoana izao; tonga ny gripa AH1N1, araka ny voalazan'ny minisitry ny fahasalamana avy amin'ny fitondrana revolisionera hita ao amin'ny pejy ofisialy dia niainga avy tany amin'ny faritanin'i Mérida tany amin'ny tapaky ny volana marsa tany ho any ity valan'aretina ity. Misy kosa anefa ny filazana...

Kolombia: Vondrom-Piarahamonina Indizena Miaro Ny Fahavitan-tena Ara-Tsakafony

  31 Marsa 2011

Nanao dingana ho fiarovana ny fahavitan-tena ara-tsakafony ireo vondrom-piarahamonina Indizena any Kolombia. Tsy hoe fotsiny mampianatra ny mpiara-monina aminy hihinana izay novoleny teo an-jaridainany izy ireo, toy izay hividy sakafo lafo netina avy any ivelany, fa koa manohitra ny lalàna vaovao sy ny fameperana ny fahazoan'izy ireo manjifa ronono.

Kolombia: Sarin-jaza tsy ampy taona anaty gazetiboky ho an'olon-dehibe

  30 Marsa 2011

Ny herinandro lasa teo, ny Biraon'ny inspektora jeneraly, tamin'ny alalan'i Ilva Myriam Hoyos, solontenan'ny Inspektora misahana ny Fiarovana ny zon'ny Ankizy, ny Tanora, ary ny Fianakaviana, dia nanambara [es] fa efa nangataka tao amin'ny Birao jeneraly ny  mpampanoa lalàna sy ny Foibe Kolombiàna ho fiarovana ny Fianakaviana (ICBF, fanafohezan-teny amin'ny teny...

Panama: Fara-veloma an'i Guillermo Ford

  29 Marsa 2011

Nomen'i Panama voninahitra tamin'ny alalan'ny fandevenana ara-panjakana, tamin'ny 22 Martsa i Guillermo “Billy” Ford[es], Filoha lefitra teo aloha ary Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny politika ara-toekarena (1989-1994). Nampihetsi-po ny fotoana, hoy ireo Panameana nahatsiaro ny fiainan'ity mpanao politika sy mpandraharaha ity, izay olo-malaza fantatra amin'ny anarana hoe “Feo garagaran'Akoholahy”...

Paragoay: Fahasarotana am-piterahana asehon'ny bilaogin-tsary

  26 Marsa 2011

Ny olom-pirenena ao Asuncion, renivohitr'i  Paragoay, dia tsy mahatsiaro matetika ireo zaza vao teraka ho toy ny antom-pahafatesana iraisan'ireo vehivavy Paragoayana. Mbola tsy tafita tsara any amin'ny haino aman-jery be mpijery izany vaovao mitranga ao amin'ny firenena izany. Vokatr'izany, maro ireo Paragoayana no tsy mahalala ny fisian'ny taha -pahafatesan'ny zaza...

Venezoela: Mianatra mitendry Gitara ao amin'ny tranokala 2.0

  25 Marsa 2011

Ny gitara no sary masina lehibe amin'ny mozika nenti-paharazana Venezoelana. Tamin'ny voalohany no nianarana azy matetika ary miaraka amin'ny ankamaroan'ny hira mitantara ny hira vako-drazan'ny firenena. Mety amin'ireo bàn-kira isan-karazany ny gitara, miaraka amin'ny ampongamaroanaka avy any amorotsiraka, ny mozika calypso avy any atsimo. Matetika mampiasa gitara ny amboaram-peo nentim-paharazana, manao...

Costa Rica: Niresaka ny telegrama Wikileaks ireo mpiserasera

  23 Marsa 2011

Volana maromaro izay no efa nodiavina raha natobak'i Wikileaks tamin'ny fahalalam-baovao ireo telegrama diplomatika ahitana votoaty politika sy sosialin'ny firenana maro manerana ny tany. Ny gazety  La Nación [es] an'ny Costa Rica no gazety  avy ao Amerika afovoany voalohany nandray ny telegrama –avy ao amin'ny masoivoho Etazonia ao Costa Rica...

Panama: Mpanao gazety voaroaka

  16 Marsa 2011

Noroahana ilay mpanao gazety Espaniola Paco Gómez Nadal rehefa avy notazonina tamin'ny faha 26 Febroary nandritry ny hetsi-panoherana nataon'ny mponina zanatany mikasika ny fanavaozan-dalàna mifehy ny harena an-kibon'ny tany ao Panama. Na teo aza ny fanomezan-toky nataon'ny filoha Ricardo Martinelli hanafoana ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna faha 8 mifehy ny harena an-kibon'ny tany, dia nampahatsiahy anay ny Panameana sasany fa tsy mbola voavaha ny olan'ilay mpanao gazety noroahana.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es