· Septambra, 2010

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2010

Ny sisintany tsy hita maso eo anelanelan'i Ekoatora sy Kolombia

  28 Septambra 2010

Olana maha-be resaka indray izao ny sisintany eo amin'i Ekoatora sy Kolombia. Ny firenena roa tonta dia manana sisintany mahatratra 586 km (tokotokony ho 365 miles) ary miaraka amin'izay koa ny tantaran'ny fifandirana, ny fifanamelohana avy amin'ny andaniny na ny ankilany sy ny tatitra momba ny fifandonana ara-tafika ary ny famindran-toerana ny mponina.

Porto-Rico: Esheky maty

  25 Septambra 2010

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny minisitry ny ny fanabeazana izany filazana izany rehefa nitroatra ny olona.

Ekoatera: Ny fikasan'ny mponina hanala ny filoha Rafael Correa eo amin'ny toerany

  23 Septambra 2010

Nanaparitaka ny teti-panorony ilay mpanao gazety Carlos Vera tamin'ny alalan'ny vohikala, sy tamin'ny fampiasana youtube ary ny blaoginy, mikasika ny fanalàna ny filoha Rafael Correa teo amin'ny toerany mifanaraka ny lalàmpanorenana. Nizara ny heviny momba an'io fikasana io ihany koa ny mpitoraka blaogy sasany, izay nanambara ihany koa ny fanonganana manam-pahefana sasany eo an-toerana izay efa miainga amin'izao fotoana izao.

Honduras: Herisetra hafa indray nataon'ny polisy

  21 Septambra 2010

Juan Carlos Rivera [es] sy i Hibueras [es] no mitatitra trangam-pamoretana hafa nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ny Mandam-panoherana tao an-tanànan'i San Pedro Sula. Nolazain'i Juan Carlos Rivera moa fa nahatrata roa alina ny isan'ny nandray anjara tamin'ny filaharambe notontosaina tamin'ny 15 Septambra. Namoaka ny sarin'ny fihetsiketsehana sy ny nataon'ny polisy...

Sehatr'asa-Cyber nokarakarain'ny Biblioredes natao tao amin'ny Twitter

  09 Septambra 2010

Ny 10 Aogositra, sehatr'asa-cyber naharitra ora no nokarakarain'ny Biblioredes, tambajotra-na tranombokim-bahoaka Shiliana. Ilay sehatr'asa-cyber dia nampiatranoina tao amin'ny Twitter ary nametrahana ny tenifototra #biblioteca (#library) ho lohahevitra ironana manerantany anatina raharaha ora iray monja. Ilay hetsika dia nikendrena nikendrena ny hampakarana ny mombamomba ireo trano famakiam-boky ho toy ny sehatra fanovozam-pahalalàna eo amin'ny tontolon'ny niomerika

Venezoela: Nodimandry i Franklin Brito taorian'ny fitokonana tsy hihinan-kanina maromaro nataony

  08 Septambra 2010

Maty noho ny tsy fahafahany miaina intsony tany amin'ny hopitaly miaramila ny alin'ny Alatsinainy i Franklin Brito Tantsaha Venezoeliana raha nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina izy tamin'ny Jolay 2009 . Niaina tanaty fitokonana tsy mihinan-kanina maro i Brito nanohitra ny fakan'ny fanjakana ny taniny. Manao hetsika noho ity filazana mikasika ny nahafatesany ity ireo Venezoeliana amin'ny alalan'ny Twitter sy ireo bilaogy .

Pero: Ny fankalazana ny faha 20 taonan'ny ‘Nubeluz’

  05 Septambra 2010

Nanao hetsika mikasika ny Fitsingerenan'ny faha 20 taonan'ny fandaharan'ny Fahitalavitra Nubeluz ireo mpitoraka bilaogy Peroviana, fandaharana nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 1990 ary nanjary ho fandosiran'ireo tanora sy lehibe ireo fotoan-tsarotra natrehan'ny firenena nandritra ireo taona ireo .

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es