· Aogositra, 2010

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Aogositra, 2010

Chili: Mbola velona ireo mpitrandraka 33 tafahitsoka

  27 Aogositra 2010

Mpitrandraka 33 tafahitsoka ao amina fitrandrahana varahina sy volamena nirodana any Chili avaratra no nanamafy tamin'ny alalan'ny hafatra fa velona avokoa izy rehetra ao amin'ny fialofana, sady mihamafy ireo fikarohana sy ezaka fanavotana raha saika very ny fanantenana ny hahita azy ireo velona. Ilay hafatra dia tafiakatra taty ivelany tao anaty harona nifatotra tamin'ny iray tamin'ireo fandavahana izay nampiasaina hahafantarana izay tena misy azy ireo, 700 metatra ambany tany.

Mexico: Oliravin'ny Tontolo 2010 nisarika ny sain'ny rehetra tao amin'ny Twitter

  25 Aogositra 2010

Ny Oliravina Mexico 2010, Jimena Navarrete, no nibata fandresena tamin'ny fifaninanana Oliravin'ny Tontolo tamin'ity taona ity. Naneho ny hafaliany noho ny fandresen'i Navarrete ireo Meksikana maro mpampiasa Twitter; na izany aza, misy ireo sasantsasany manakiana ny fanomezan-danja be loatra ilay hetsika raha miohatra amin'ireo hafa , izay resaka mavesa-danja kokoa. Navarrete koa dia mba nadefa bitsika, nisaorana ny tsirairay noho ny fanohanan-dry zareo ireny.

Chili: Adihevitra nateraky ny famoahan'ny fiangonana Katolika Siliana tolo-dalàna mikasika ny famotsoran-keloka

  21 Aogositra 2010

Namoaka tolo-dalàna ny fiangonana Katolika Siliana mikasika ny tokony hamelàna ny helok'ireo olona sasany voaheloka noho ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Niteraka adihevitra io tolo-dalàna io teo amin'ny tontolon'ny blaogy, satria tafiditra ao anatin'izany fangatahana izany koa ireo olona voaheloka tsy am-pisalasalana noho ny fanamavoana ny zon' olombelona nandritry ny fotoana nisian'ny didy jadona nataon'i Augusto Pinochet.

Kolombia: fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín

  16 Aogositra 2010

Notontosaina ny 25 Jolay hatramin'ny 28 Aogositra ny fankalazana faha-53n’ ny fetin'ny voninkazo any Medellín, Kolombia. Naharitra kokoa ny lanonana tamin'ity taona ity, naharitra 15 andro izany, ary nahitana fampisehoana maro kokoa. Afaka jerena ao amin'ny pejy ofisialin'ny lanonana ny fandaharam-potoana feno amin'ireo fampisehoana ireo. Fanampin'izany, nahitana fiakarana ihany koa...

Venezoelà: Fampiroboroboana ny zavakanto tsotra amin'ny alalan'ny bolongana

  11 Aogositra 2010

Any Venezoelà, ny zavakanto tsotra no fomba fanehoana ny fomba fijery mety indrindra ataon'ny fiaraha-monina hanehoany ny hakanton'ny manodidina azy. Araka ny famaritana dia matetika no tsy misy anaran'olona voatonona ho tompon'ireny na niavian'ireny zavakanto tsotra ireny. Ny mpahay tantaran-javakanto Ricardo Ruíz avy amin'ny Anjerimanontolon'i Los Andes [es] dia mametraka...

Venezoelà: Fetiben'ny bolongana sy fahalalaham-pitenenana an-tserasera

  09 Aogositra 2010

Ny Global Voices teny Espaniola dia te-handrisika ny famahanam-bolongana sy hanondro-daza ny mpamaham-bolongana amin'ny alalan'ny “Festival des Blogs” na fetiben'ny bolongana. Avy amin'izay fomba izay no hahafahan'ny GV teny Espaniola mandray anjara mba hahitana [hamoronan'ny mpamaham-bolongana] zava-baovao misy fanadihadiana sy famakafakana avo lenta. Hahazo tombon-dahiny amin'ny mora hahitana kokoa izay...

Pero: voakarama hitarika ny ekipa nasionalin'ny baolina kitra i Markarián

  08 Aogositra 2010

Nanakarama an'ilay mpanazatra Orogoayana Sergio Markarián mba hitarika ny ekipa nasionaly mankany amn'ny fikasany ho voafidy amin'ny Fiadiana ny Amboara eran-tany 2014 ny Federasion'ny Baolina Kitra Peroviana. Ny anaram-bosotr'i Markarían dia "mpanao majika" ary maro ireo mihevitra fa mety ho majika ny hampiova ny vintan'ny ekipa.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es