· Avrily, 2010

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Avrily, 2010

Costa Rica: Blaogin'ny fahazotoan'komana sy ny fahaiza-nahandro

  30 Avrily 2010

Mampiseho ny fitiavan'izy ireo manokana ny fikarakarana nahandro ao anatina karazana blaogy maromaro mahasarika ireo mpitoraka blaogy any Costa Rica, feno ireo fomba arahina sy ireo sary. Misarika ny maso sy mampahazoto homana ireo mpamaky blaogy Ireto karazana sakafo mahasalama, mamy, sy efa voafantina ireto. Miainga amin'ireo efa mpahandro mankany amin'ireo mpitoraka blaogy tsotra liana amin'ny sakafo ireo mpitoraka blzogy manoratra mikasika izany, izay tsy mikasa ny hampiseho ireo fomba fanaovana sakafo ihany, fa mandrisika ihany koa ireo mpamaky hizatra hanao sakafo.

Repoblika Dominikana: nandresy tamin’ny Carribean Series ny Leones

  10 Avrily 2010

Taorian’ny "baseball" fanao rehefa andro ririnina any amin’ny Repoblika Dominikana, izay nahitana ireo tarika roa lehibe mahazatra tsy tafita ho amin'ny lalao famaranana, ny Aguilas Cibaeñas (Cibao Eagles) sy ny Tigres de Licey (Licey Tigers), dia ny Leones del Escogido (Lion'ny Voafidy) no naka ny toeran'izy ireo, ekipa iray mpanao baseball izay nandrombaka ny amboara ny taona 1992, nandresy tamin'ny fifanintsanana anatiny ary nahazo ny toerana tamin’ny Caribbean Series. Nampiditra fiovana lehibe ara-pitantanana sy ara-drafitra ho an'ny taom-pilalaovana 2009-2010 ny Loenes avy ao Santo Domingo ary dia nahitam-bokatra izany.

Lahatsary: Lalao Amerikana Tatsimo any Medellin, Colombia

  03 Avrily 2010

Nandritra ny roa herinandro izay no renivohitry ny lanonana sy ny lalao fanatanjahantena isankarazany ny any Medellin, Colombia noho ny fandraisan'ity tanàna ity ny Lalao Amerikana tatsimo fahasivy (ODESUR) ifaninanan'ny firenena Amerikana Latina sy handrombahana medaily amin'ny taranja isan-karazany. Miala amin'ny mahazatra kely na ny tompontany na ny vahiny hizaha toerana maro samihafa sy hijery lalao.

Costa Rica: Fanadihadiana ny fifandraisan'ny Fiangonana sy ny fanjakana

  02 Avrily 2010

Saripikan'ny Radio Rover ary ambanin'ny fanomezan-dalana CC. Milamindamin-dratsy ao anatin'ny rivon-drivodoza ny EKAR tao anatin'ny tapa-bolana noho ny fiampangana fametavetana zaza tsy ampy taona ataon'ny pretra avy ao amin'ny fiangonany manerana ny tany. Misongadina mihitsy ity raharaha ity any Costa Rica noho ny maha-firenena miankina amin'ny fivavahana azy, satria fivavaham-panjakana...

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es