· Desambra, 2008

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Desambra, 2008

Goatemalà: Tsy voahaja ny fifanaraham-pandriampahalemana 12 taona taty aoriana

  29 Desambra 2008

Voasonia ihany ny fifanarahana hampitsaharana ny ady nandritra ny 36 taona nifanandrinana teo amin'ny tafika goatemalteka sy ny vondrona mpioko samihafa tany Goatemalà ny 29 desambra 1996, taorian'ny adivarotra nandritra ny taona vitsy. Ity taona ity no manamarika ny 12 taonan'iny fifanarahana iny saingy tsy mety miverina ny fandriampahalemana, satria...

Meksika: Manam-pahaizana manokana momba ny ady amin'ny fakana an-keriny nisy naka an-keriny

  18 Desambra 2008

Mampatahotra ny maro ny heloka bevava any Meksika. Ny fakana an-keriny manokana moa dia mpitranga manerana ny firenena indrindra fa amin'ny ilany avaratra amin'ny firenena. Tranga mampihomehy amin'ity raharaha he recent abduction of U.S. anti-kidnapping expert Félix Batista is an ironic twist in this ongoing fight against organized crime, leaving some to wonder if experts are not safe, then where does that leave ordinary Mexicans?

Kostarika: Antso fanomezana oronantsary Krismasy

  18 Desambra 2008

Ny nosedecirlaerre.com, fivondronan'ny mpampihomehy Kostarikana an-tserasera, izay azo adika hoe "Tsy mahay manonona R aho" dia dia niantso ny fandraisana anjaran'ny Kostarikanina sy ny fahazarany amin'ny kolontsainy mba hamorina fiaraha-miasa antsary hoan'ny krisimasy. Ny fampahafantarana dia nantsoina hoe Uniting Ticos For Christmas and Requirements na hoe hampiray ny Ticos ho an'ny krisimasy ary tsotra ihany ny zavatra takiana: mandihy amin'ny fomba kositarikanina, miangaly ny "swing criollo" hira malazan'i Jugo de Piña fanao isaky ny faran'ny taona sy ny firesahana amin'ny alalan'ny tenin-jatovo kostarikaniana, ao anatin' ilay oronantsary.

SIDA: Kamboty, diabe, ary fahatsiarovana

  17 Desambra 2008

Ho tohin'ny takelaka manokana momba ny SIDA tahaka ny Fihaonambe 2008 momba ny SIDA sy ny Andro manerantany momba ny SIDA 2008, dia mitondra lahatsary maneho ny fahasahiranana mahazo ny kamboty izay matin'ny SIDA ny ray aman-dreniny, ny andro iadiana amin'ny SIDA any Bangladesh, fampahatsiarovana avy any Meskika avy amin'ny SexualidadIntegral (fandefasampeo sy sary) ary ny fiantraikan'ny tatitra avy any an-drenivohitra Mexico momba ny fahaonambe 2008 momba an'i SIDA izahay.

Jamaika, Kiobà, Etazonia: Kiraro iray eny an-tanana

  17 Desambra 2008

Mamahana avy any Jamaika, Annie Paul no milaza an'i Muntadar al-Zaidi (Ilay mpitoraka kiraroan'i Bush) ho ny  “Olon'ny taona”, fa “izy no nanana aingam-panahy (mampisy aingam-panahy) indrindra tao anatin'ny taona vitsivitsy izay”, ary nanamarika ihany koa: “Fa tokony deraina tamin'ny valinteniny fohy ihany koa i Bush…” Manana izay lazainy ihany...

Meksika: Mpanadio kiraro mampiasa ny YouTube ho dokambarotra

  13 Desambra 2008

Nahita lalana iray hanatsarana ny asany ilay mpanadio kiraro Juan Luna izay manana ny toera-piasany any afovoan'i Monterrey, Meksika. Noho ny fanampian'ny namany iray dia namoaka lahatsary tao amin'ny YouTube izy hampisehoany ny fahaizana manokana fa samy manadio kiraro andaniny sy ankilany anatin'ny fotoana iray ny tanany havanana sy havia samy misy borosy. Valin'izany, nitombo ny isan'ny mpividy ny asa izay te-hijery mivantana ilay mpanadio kiraro mihitsy. Nampiresahin'ny mamaham-bolongana Issa Villarreal momba ny dokambarotra ataony ary i Luna.

Shilia: CNN sy gazetin'olo-tsotra

  13 Desambra 2008

Juan Dominguez no milaza ny fifanekem-piaraha-miasan'ny olo-tsotra any Shilia manao gazety mitambatra sy ny televiziona vaovao any Shilia CNN Chile [es], ka anisan'ny tafiditra ao anaty fiaraha-miasa ny fandraisana anjaran'ny olo-tsotra manao gazety ao amin'ny televiziona. Eduardo Avila

Paragoay: Ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Lugos

  09 Desambra 2008

Nandalo ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Paragoaiana voafidy Fernando Lugo hatramin'ny nandraisany ny fitondrana tamin'ny volana aogositra lasa teo. Nangetaheta fanovana ny Paragoaiana, fanovana izany nantenaina be avy amin'ny Filoha vaovao, izay mpitondra fivavahana teo aloha, sy avy amin'ny governemantany. Nisy ary ny mpamaham-bolongana vitsivitsy naka fotoana hanoratana ny andro 100 voalohany nitondran'ny Filoha LUgo.

Kiobà: niteny ny mpamaham-bolongana ny mpiasan'ny governemanta hanafoana ny fihaonany

  05 Desambra 2008

Ahiana hofoanan'ny fitondrana mahefa any Kiobà ny fihaonan'ny mpamaham-bolongana, efa nokarakaraina ho am-bolana izay ary 25 no efa nilaza ny hanatrika izany, izay kasaina hatao ny 6 desambra (sabotsy) ho avy izao satria heverina ho "manohitra ny revolisiona" (contre-révolutionnnaire). Izany vaovao izany moa dia notsoahina avy tamin'ny dinika nifanaovan'ny mpiasan'ny minisiteran'ny atitany sy ilay mpamaham-bolongana malaza indrindra ao amin'ny nosy dia i Yoaní Sánchez avy ao amin'ny Generación Y izay natao tao amin'ny paositry ny polisy.

Amerika afovoany: ny vehivavy, ny haitao, ny fanabeazana.

  02 Desambra 2008

"Noraisin'ny vehivavy tany Amerika afovoany an-tanana ny haitao"tamin'ny alalan'ny famahanam-bolongana miresaka ny fampandrosoana ny rindrambaiko, ny haitaon'ny fampahafantarana sy ny fifandrasaina (TIC) vaovao, ny fampidirana ny TIC ho anisan'ny fampiasa andavanandro. Fa ny mampiavaka azy dia ny adihevitra lehibe amin'ny famahanam-bolongana tamin'ny famoronana tambajotra ho an'ny hafa.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es