· Septambra, 2008

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Septambra, 2008

Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratra

  24 Septambra 2008

Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny...

Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry

  23 Septambra 2008

Ny fahasarotam-piaianana any Ekoatera no iray amin'ny lazaina ho anton'ny fiakaran'ny halatra sy ny vono olona ao amin'ny firenena. Ny ankamaroan'izany fandikan-dalàna izany moa diaataon'ireo tsy an'asa izay tsy maintsy mitady ny fomba hahazoany hanina mba sitrany ahay velona aloha ka ny fomba ataony dia ny mangalatra na ny mamono olona. Sarotra ho an'ny olo-tsotra ihany ny hiaina anaty tsy fandriampahalemana ka mamoaka ny eritreriny ihany koa ny mpamaham-bolongana.

Bolivia: mihatra ny lalàna miaramila any Pando

  14 Septambra 2008

Miatrika fihetsiketsehana sosialy hatrany i Bolivia amin'izao fotoana izao, raha mibodo ny tranom-panjakana maro ao Santa Cruz ny vahoaka mpanohitra, ary vao nisy fifanandrinana nifanaovany tamin'ny mpanohana ny fitondrana nahafatesana 15 tany amin'ny faritry Pando. Vokany, nampihatra ny lalana miaramila tamin'io faritra io ny fanjakana.Nitaky ny hialan'ny masoivoho Amerikana Phillip...

Kolombia: MP3 tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy

  07 Septambra 2008

Camilo Uribe no manoratra momba ny dosie MP3 nosintonina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny vohikalan'ny polisy Kolombiana [es], ary taorian'izay dia nampiasa tenimiafina ry zareo hanaronana izany, fa tsy nesoriny ny dosie. Nitranga izany rehefa namotika dvd piraty 70 000 tao an-tanànan'i Medellin ry zareo.

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es