· Janoary, 2008

Below are posts about citizen media in Spanish. Don't miss Global Voices en Español, where Global Voices posts are translated into Spanish! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Espaniola tamin'ny Janoary, 2008

Honduras: Iharana sy vavolombelona famonoana olona

  28 Janoary 2008

Mbola lohahevitra mafotaka any Honduras amin'izao fotoana izao ny resaka famonoana olona (na heloka bevava), vao nisy mpamaham-bolongana roa indray manko no tratran'ny fanafihana ary nahita maso ihany koa ny fandrobana nampihoro-koditra. Aaron Ortiz ao amin'ny Pensieve [es] ohatra dia voaroba tany amin'ny faritra heverina ho voaro indrindra amin'ny resaka fandriampahalemana sady...

Costa Rica: Filaharana fiarovana tontolo iainana

  28 Janoary 2008

Filaharana fahadimy manerantany i Costa amin'ny fiarovana na fitsimbinana ny tontolo iainana manerantany nefa voalohany kosa raha any amin'ny Kaontinanta Amerikana, hoy ny tondro fijerena ny fiarovana ny tontolo iainana navoakan'ny Oniversite Yale sy Columbia. Nireharehan'i mpamaham-bolongana ao amin'ny Out of Costa Rica [es] io valin'ny fanadihadiana nijery ny politikan'ny firenena...

Torolalana fampianarana ny olom-pirenena manerantany te-hamoaka vaovao

  19 Janoary 2008

Amim-piravoravoana no ilazan’ny Rising Voices ny boky voalohany amin’ny andiana torolalana hanazava amin’ny mpamaky tsy maharaka ny teknika ny fahalalana fototra momba ny Olom-pirenena mamoaka vaovao (na fantsom-baovaon’olom-pirenena). Ny torolalana voalohany, An Introduction to Citizen Media, (fampidirana ho amin’ny fantsom-baovaon’olom-pirenena) no maneho ny trangam-piainana andavanandron’olotsotra manerantany tsy mitsahamitombo noho ny...

Kiobà : Fampianarana mikasika ny fananahana

  18 Janoary 2008

Zenia no manoratra ao amin'ny blaogy Regalado mikasika ny fampianarana mikasika ny fananahana any Kobà : En reiterados contextos hemos escuchado dos conceptos relacionados con la educación sexual en Cuba, que por momentos parecen contraponerse: unos aseveran que hay demasiado instrumentalismo en los mensajes que se centran más en la protección,...

Meksika: hivory ny mpampiasa Twitter

  17 Janoary 2008

Twittmx [es] no anarana iantsoana ny fivoriana voalohany hotanterahin'ny “Twitteros” na mpampiasa Twitter any Meksika. Ny faniriana moa dia ny hanatanterahana ny fivoriana ho isam-bolana.

Meksika: nakatona ny bar ela niasana indrindra

  17 Janoary 2008

Nanakatom-baravarana vao tsy ela izay ny trano fisotroana “rano mafana” na zava-pisotro mahamamo ela niainana indrindra eto Meksika ary mety ho manerana an'i Amerika latinina aza hoy Philippe Seaz ao amin'ny Defecito [es] nanoratra

Fanadihadiana momba ny bolongana sy ny fanaovan-gazety

  07 Janoary 2008

Fabio Malini [pt] no mandrisika antsika hanaraka ny fanadihadian'i Alvaro Liuzzi [es] izay “niezaka hiresaka fanadihadiana tamina mpanabolongana maromaro Argentina, Espaniola, Shiliana sns – milazalaza ny omomba ny famahanam-bolongana sy ny fanaovan-gazety, navoaka an-dahatsary ao amin'ny vohikala Vimeo. 12 ny isany ary notontosaina tamina Canon Powershot A 550″. Paula Góes

Ireo pejinay momba an i Espaniola

es