Tantara mikasika ny Slovaky

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.

Slovakia: Vola Be Azo Avy Amin'ny Hira

  04 Aogositra 2011

Herinandro vitsy lasa izay, ny Slovak Performing and Mechanical Rights society' (SOZA) - ny fikambanana mpiaro ny zo amin'ny fandikàna (copyright) ao amin'ny firenena - dia nanomboka nampadoa vola ireo lohamilina anaty tranonkala, indrindra fa ireo natao ho an'ny tanora mpankafy mozika, izay efa nampiditra lahatsary You Tube sy Vimeo ao amin'ny pejin'izy ireo. Nitatitra ny resak'ireo mponin'ny aterineto slovaky i Tibor Blazko.

Slovakia, Polonina: (Tsy) Fahafantarana ny Traikefa Mikasika ny Euro

Araka ny fitsapan-kevitra vao haingana navoaka tao amin'ny Gazeta Wyborcza, dia manohitra ny fidirana ao amin'ny fari-bola euro ny ankamaroan'ny Poloney. Ny tsy fahazoany ny traikefa Slovaky ny mety antony iray mety mahatonga izany. Jakub Loginow, Poloney monina ao an-drenivohitra Slovaky, ao Bratislava, no nanoritsoritra tamin'ireo  Slovaky mpamaky ny bilaoginy ny fomba fahitan'ny...

Slovakia: Mpanjifa Kilasy Faharoa

Na dia mety hiandrandra vokatra avy amin'ny karazana iray hitovy kalitao manerantany aza ny mpanjifa, misy foana ny fahasamihafàna isam-paritra eo amin'ny kalitao sy ny vidiny, miankina amin'ny hoe novokarina ho an'ny mpanjifa ao Eraopa Andrefana na ho an'ireo any Eraopa Afovoany sy Atsinanana. Tibor Blazko mitatitra ireo fanehoankevitra avy amin'ireo Slovaky mpiondana aterineto tamin'ny fanadihadiana iray mikasika io olana io.

Slovakia: Hampandoa vola ny vaovao an-tserasera tahaka ny TV Cablée ve?

  06 Aogositra 2010

Miova tokoa ny andro. Eny fa na any Shina aza ankehitriny nisy ny olona, taona vitsivitsy lasa izay, no nihomehy raha nilazana fa handoavam-bola ny mankany an-trano fidiovana, ary, iza no mahalala, fa angamba heverin'ny taranaka manaraka fa tsy iadian-kevitra izany mandoa vola ijerem-baovao amin'ny aterineto izany. Mety ho efa...

Ireo pejinay momba an i Slovaky

sk