· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Slovaky tamin'ny Janoary, 2012

Slovakia: Olana Momba Ny “Asa sa Vola”

Tany atsinanan'i Slovakia, niangaviana hiditra amin'ny tetikasam-panjakana iarovana amin'ny tondra-drano ny tsy an'asa. Ao amin'io faritra manana taha ambony amin'ny tsy fananan'asa io dia efatra monja ny tovolahy nanaiky. Nandà avokoa ny hafa rehetra, nanambara fa mbola mahantra kokoa ry zareo raha mandray io asa io. Manoratra momba ny tsy fananan'asa ao Slovakia i Tibor Blazko ary mandika teny ny hevitry ny mpiserasera.

Slovakia: Hetsi-panoheran'ny Mpitsabo

Iray amin'ireo hetsika Slovaky isan'ny nanana ny lanjany tokoa tamin'ny 2011 ny hetsi-panoherana nataon'ireo mpitsabo maherin'ny 2000 avy amin'ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana ; 1.200 tamin'izy ireo (avy amin'ny efa ho 6.500) no nampiato vonjimaika ny fifanarahan'asan-dry zareo toarian'izay. Tibor Blazko no manazava ny toe-draharaha sy mandika ny fomba fijerin'ny vahoaka ny resaka fandraisana an-tànana ny fahasalamana.

Ireo pejinay momba an i Slovaky

sk