GlobalVoices anaty

Serba

Tahiry Sokajinteny · 20 Lahatsoratra


Below are posts about citizen media in Serbian. Don't miss Global Voices na srpskom, where Global Voices posts are translated into Serbian! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara farany mikasika an'i Serba

07/04/2012

Serbia: Tsy Fitovian-kevitra Momba ny Fanomezana Haja an'i Draza Mihailovic Indray

Tohin'ny lahatsoratra

Dragoljub Draža Mihailović dia jeneraly tao amin'ny Tafika Yogoslavy tany an-toerana, nalaza nandritra ny hetsika Chetnik , nandritra ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin'ny 1946 dia voasambotry ny fanjakana kômonista Yogoslavy izy,...

22/09/2011

Masedonia: Fankalazana Ny Fandresena Amin'ny Lalao Basketball Manerana An'i Litoania

Tohin'ny lahatsoratra

Niely manerana ireo arabe, lavarangana sy kianjan'ny firenena anatin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fahatafidiran'ny Niely manerana ny araben'ny firenena, lavarangana sy kianjan'ny tanàna, tanaty tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny fidiran'ny Masedoniana amin'ny manasa-dàlana amin'ny fiadiana ny ho tompon-daka Eoropeana amin'ny lalao basket-ball. Mitatitra i Filip Stojanovski reports.

11/08/2011

Balkana: Ambonin'ny Antsasaky ny Mponina no Mampiasa ny Aterineto

Nitatitra momba ireo vokatry ny fandalinana ny fampiasana ny Aterineto any amin'ny faritr'i Balkana i Danica Radovanovic.

27/07/2011

Serbia: Fanehoan-kevitra Voalohany Momba Ny Fanafahana Madiodio An'i Sandor Kepiro

Tohin'ny lahatsoratra

Ny Alatsinainy 18 Jolay 2011, nafahan'ny fitsarana iray ao Bodapesta i Sandor Kepiro, kapitenin'ny polisy Hôngroa tamin'ny ady lehibe faharoa izay nanao raharaha miaramila tany Serbia teo ambany fibodoana sy, izay tsy voa ela akory, “anisan'ny Nazy nokarohina fatratra.” Nampangaina ho nanao heloka bevava tamin'ireo Serba, Jiosy ary Romana nandritra ny Novi Sad izy - fandripahana nataon'i Hôngroa ny volana Janoary 1942.

11/07/2011

Makedonia: Fijery ivelan'ny firenena mikasika ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny polisy

Tohin'ny lahatsoratra

Manoratra mikasika ny fomba fahitan'ny olona avy any ivelany ny fanoherana atao amin'ny herisetra ataon'ny polisy any Masedonia i Filip Stojanovski .

02/05/2011

Serba : Mendrika Hananganana Tsangambato ve ny Filoha Azeri izay efa Nodimandry?

Iray amin'ireo zaridaina maitso tsara indrindra ao Belgrady ny sahan'i Tasmajdan, izay vao avy nohavaozina, noho ny fanomezana vola 2 tapitrisa euro avy amin'ny governemanta Azerbaïdjan. Niteraka resabe teo anivon'ny bilaogera...

08/04/2011

Serbia: Famaliana ny soa nataon'i Japoney

Manao tatitra mikasika ny finiavan'ny vahoaka Serba eo amin'ny fanampiana ireo Japoney niharam-boina tamin'ny zava-doza niseho i Sasa Milosevic ary namaly am-pankasitrahana ny fanampiana natolotr'i Japana ho an'i Serba ny vahoaka Serbiana.

06/03/2011

Serbia: Fanehoan-kevitra Momba ny Valan-dresak'i Gaddafi Tao Amin'ny Pink TV

Tohin'ny lahatsoratra

Nanao resadresaka teo amin'ny 8 minitra teo tamin'ny telefaona ho an'ny fahitalavitra Serba TV Pink ny filoha Libiana Muammar Al Gaddafi tamin'ny 28 Febroary, nilazany fa i Libia dia tahaka ireny firenena "tena mandry fahalemana tanteraka" ireny. Ireo fanehoan-kevitry ny Serba eo anivon'ny aterineto sy tany anaty fampielezam-baovaom-pirenena ka ahitàna fanekena tanteraka sy fanohanana ny tantaran'i Gaddafi.

04/03/2011

Video Lahatsoratra
Masedonia: Tsy azo ihodivirana ny fifidianana atsy ho atsy, ny daty no tsy fantatra

Tohin'ny lahatsoratra

Mitatitra ny fanapahan-kevitra ny hanaovana fifidianana atsy ho atsy any Masedonia sy ny fihetseham-pon'ny mpitoraka bilaogy amin'izany i Filip Stojanovski.

25/02/2011

Serbia: Fihetseham-po noho ny Tantaran'ireo Serba Mpikarama an'ady Any Libya

Tohin'ny lahatsoratra

Raha ny azo avy amin'ny loharanom-baovao sasany, dia nandray anjara tamin'ny fandarohana baomba ny mpanao fihetsiketsehana Libiana ny mpanamory fiaramanidina Serba. Nadikan'i Sasa Milosevic ny fihetseham-po vitsivitsin'ireo Serba mponina amin'ny aterineto momba ity tsaho ity

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny