The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Rosiana Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Rosiana

2009-04-17

I Rosia, i Iokraina, ny helotanin’ny Balkana: Vaovao entin’ny Eurovision

Efa ho tapitra ny fifandirana nentin’ny fifaninana hira tao anatin’ny sehatra Eurovision ao Georgia(na, nohon’ny fomba fijerin’ny sasany, dia tonga teny amin’ny teboka farany ambony izany), satria moa ankehitriny dia nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin’ny ity sehatra izay tontosaina amin’ny herintaona ao Moscow ity intsony I Georgia, dia ity manaraka ity no fangatahan’ny firaisan’ny fampielezam-peo Eropeana izay fantatra fa nanova ny tononkira mitondra ny lohateny hoe “We Don’t Wanna Put In” (tsy ilainay Put In) na mety hafa mihintsy ilay hira nampidirina. Kanefa dia nahitana fifandirana ihany koa ny hira nampidirin’ny Rosia ankehitriny

2009-03-14

Kazakhstan: Tantaran’ny Krizy teo amin’ny tontolon’ny blaogy

Manohy manaraka akaiky ny toe-draharaha ao amin’ny firenena sy ny fikasan’ny governemanta hamerina ny toe-karena sy ny tontolo hafa eo amin’ny fiainana ara-tsosialy ho “fehezina amin’ny fomba mivantana (fanaraha-maso an-tanana)” ireo mpamaham-bolongana ao Kazakhstan Mitanisa I Dass, minisitry ny asa izay nanambara tao amin’ny fivoriamben’ny governemanta fa manodidina ny 900 000 ...

2009-03-05

Kyrgystan: Tambatsary tsy misy hevitra politika

Tapitra ny vanim-potoanan’ny ririnina, ary miandry ny lohataona mafana I Kyrgyzstan: ny fivorivoriana, ny hetsika fitakiana sy ny sisa. Kanefa aleho kosa mba hiresaka ny hatsarana isika e, fa tsy hoe ny politika tsisy farany io foana. Mba nanao ahoana izay ny sarin-drininina tao Kyrgyzstana? Nendefa am-bolongana ny sary tokan’ilay olo-malaza ...

Armenia: Herintaona taty aorian’ny ady noho ny fifidianana

Anarivony ireo olona tonga teny andalamben’I Yerevana tamin’ny Alahady mba hitondra fahatsiarovana ny disadisa tao aorian’ny fifidianana tamin’ny herintaona lasa teo tao Armenia izay nahafaty olom-pirenena valo sy polisy anankiroa. Satria mbola ao ambadiky ny lalana ireo mpihetsiketsika manohitra, dia noampangaina marindrano ny governemanta tamin’ny andraikitra kely dia kely noraisiny mba ahafahana manao famotorana ho araka ny tokony ho izy ny ady saritaka.

2009-02-25

Iokraina: “Nasionalista Iokrainiana miteny rosiana”

Tafapetraka ao anatin’ny lisitra faha-4 malaza indrindra ao amin’ny Yandex Blogs ireo izay tafiditra ao anatin’ity bolongana ity(RUS), bolongana iforonan’ireo tsikera an-jatony. Manazava etona ny dikan’ny hoe “Nasionalista Rosianina – Iokrainianina” ny mpampiasa Li antsoina hoe alek-ya:

2009-02-24

Kazakhstan: Politika sy fiaraha-monina ao anatin’ny fotoanan’ny Krizy

Mijanona ho lohahevitra lehibe ao amin’ny ady hevitra an-terineto ao Kazakhstana ny Politika – matetika loatra izany sady mafy kokoa nohon’ireo hita mivantana eny amin’ny fiananam-bahoaka. Ny iray amin’ny trangan-javatra vao haingana indrindra izay ifampiresahan’ireo mpitoraka blaogy dia ny fametrahana ny mari-pankasitrahana ho an’ny faritra vaovao – io ...

2009-02-17

Armenia: Fifangaroan'ny fomba vaovao sy fahagola amin'ny andron’ny mpifankatia (St Valentin)

Heverina fa ny vondrona sisa tavela ela indrindra any Armenia dia ny fiangonana Apostolika, niorina ny taona 301 talohan’I Kristy, no fikambanana Kristianiana nasionaly antitra indrindra eto an-tany. Fa nandritra ny 1700 taona taty aoriana dia mbola tavela ny fombafomban’ireo tsy mpino tao amin’ny firenena, eny fa na dia tafiditra tao anatin’ny datin’andro kristiana aza izany ankehitriny. Raha toa ka izao tontolo izao no manamarika ny fetin’ny mpifankatia, dia mankalaza ny mitovy amin’izany fombafomba izany koa ny Armenianina-Trndez.

2008-12-04

Renata+Ainara=Fitiavana

Miresaka momba ny fiovan'ny fokonolona mandrafitra ny mponina ao Moskoa renivohitra ny mpamaham-bolongana Rosiana.

2008-10-23

Russia

Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro - ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka - no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho “Blogocaust Night (alina nentina namonoana bolongana).” ny mpampiasa LJ oleg-kozyrev kosa niantso azy ho (RUS) “blogocide (fandripaham-bolongana).” ny mampiasa ny LJ dolboeb indray nanoratra (RUS) fa nitranga izy ity noho ny fisovohana (piraty) nahazo ny fandrindrana ny LiveJournal. Tafaverina soa aman-tsara ihany moa ireo bolongana ireo ora vitsivitsy taty aoriana.

2008-08-19

Kazakhstana : ny lalao Olympika tamin'ny blaogy

Olympics
 Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika. Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]: Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits ...