Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Jona, 2015
Orinasa Rosiana Mpandoto Resaka Nanaiky Hanonitra Mpiasa Taloha, Nefa Izy Vao Nanomboka
Nanaiky ny hanonitra ny mpiasa tao aminy teo aloha noho ny fampiasana olona tsy ara-drariny ny lazaina ho orinasa rosiana "mpandoto resaka" iray, saingy nikendry ny hamoaka ivelany ilay orinasa sy ny fomba fiasany ny kasain'ilay "mpandoto resaka" taloha.
Noraràn'i Rosia ny Arsivan'Internety ‘Wayback Machine’
Nosakanan'ny governemanta Rosiana ny Internet Archive, tranonkala iray miorina ao San-Francisco izay manolotra ilay Wayback Machine malaza, izay mamela ny mpiserasera hijery pejintranonkala voatahiry.
Ry Mpiasam-mpanjakana Okrainiana, Isaoran'ny Sampam-pitsikilovana Rosiana ianareo Noho Ny Fiaraha-Miasa !
Nanao vazivazy tamin'ireo tompon'andraikitra Okrainiana izay misera amin'ny mailaka Rosiana mba hanairana azy ireo ny amin'ny loza mety ateraky ny fanaovana tàn-drametaka ny politika fiarovana ny fampitàm-baovao ny vondronà mpanao gazety iray
Tsy Misy Intsony ny Internety: Endrika Môdelin'ny Vokatry ny ‘Zo Hohadinoina’ amin'ny Mili-Pitadiavana Rosiana
Mamela anao hikaroka ny voambolana rehetra ny "Fanadinoina", saingy ny setrin'izany kosa tsy misy ny torohay omeny anao amin'ny voambolana rehetra anaovana fitadiavana ankoatra ny iray ihany—ny anaran'ny filohan'i Rosia farany, Vladimir Putin (amin'ny teny rosiana)
Fotoana Indrindra Izao Hananan'ny Firenena Fampihatram-Pampitan-Kafatra eo noho eo, Hoy ny Mpanao Sivana Rosiana
Mitaraina amin'ny tsy fahampian'ny fanarahamaso sy ny tsy fahazoana miditra amin'ny angotahirin'ny fampihatra fandefasan-kafatra vahiny ho fandrahonana ny "fiarovam-pirenena" ireo manampahefana vahiny.
Smokey Ilay Orsa a! Fantaro Ilay Rosiana Rahalahinao ka Mitandrema
Misy valan-javaboarim-pirenena iray manamorona an'i Kamchatka nindrana mpanao kisarisary an-tserasera ho fandravahana ny filazana amin'ny vahoaka natao hanabeazana ny mpitsidika momba ny fiarovan-tena manoloana ny orsa.
Manana Lisitra Mainty an'Internety Ihany Koa ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Donetsk’
Misy lalàna vaovao iray ao amin'ny fanjakana mpioko ao atsinanan'i Ukraine nampijoro lisitra maintin'ireo tranonkala ahitana vontoaty "voarara ao amin'ny repoblika" tsinjo ho manao lasibatra ny tranonkalam-pampitam-baovao okrainiana.
Ataon'i Kremlin Ho Toy ny Sosoa Voatapo-dRano Ve ny ‘Zo Hohadinoina’?
Voalaza fa nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny manampahefanan'i Kremlin sy ny Yandex, marimaritra iraisana mety hampahalemy ny drafi-dalàna manaraka izay hampiditra ny RuNet hanana "zo hohadinoina."
Valintenin'ny Facebook Amin'ilay Fitakian'ny Rosiana Sy Okrainiana Hoe ‘Atsaharo Ny Fibahanana Ara-Politika’
Tao anaty fanambaràna iray nalefa ho an'ny Change.org tamin'ny 8 Jona, Thomas Myrup Kristensen, talen'ny politikan'ny Facebook ho an'ny faritra Eoropa Atsinanana sy Rosia, dia nanazava fa mijoro amin'ny politikan'ny fandrindrana ao aminy ilay tambajotra sôsialy.
Toa Hoe Manaiky Hiforitra Amin'ilay Lalàna Momba ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ao Rosia ny Samsung
Ny honohono momba ny fiondrehan'i Samsung manoloana ilay lalàna vaovao momba ny angon-drakitra fijerena toerana dia tonga tao anatin'ireo tsaho nilaza fa marobe ireo orinasa goavana hafa momba ny teknolojia no nanaiky ny hamindra ny angona momba ireo mpampiasa azy ireny ho any amin'ireo lohamilina ao Rosia.