Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Febroary, 2015
Tolo-dalàna Rosiana Handraràna Ny Vehivavy Latsaky Ny 40 Taona Tsy Hifoka Sigara
“Ny vehivavy mifoka sigara,” hoy ny naoty fanazavana miaraka amin'ilay tolodalàna, “dia manimba ny fanànana anaka, hiteraka fahasimbana tsy azo tsaboina amin'ny tahirin-tarazon'ny firenena.”
Raràn'i Belarosia ny Tor sy ireo Mpanafim-Panondroana Hafa
Mandrara ireo mpanafim-panondroana an'aterineto i Belarosia, indrindra ireo ampiasaina hiviliana amin'ny sivana apetraky ny fitondrana sy hahatakarana ireo loharanom-baovao an-tserasera voarara ao amin'ny firenena, ka tafiditra amin'izany ireo tranonkalan'ny mpanohitra.
Famoriam-bahoaka Ankaterena Tamin'ny Fampilezan-kevitra Alohan'ny Fotoana Notontosain'ny Antokon'ny Fitondrana Tajika
Tamin'ny 22 Febroary - andro tsy fiasana tao amin'ny firenena - noterena namonjy valan-javaboahary iray ao an-toerana ao Dushanbe tamin'ny 8 ora maraina ireo mpiasam-panjakana, mpianatra ary ny mpianatry ny oniversite araka ny tati-baovao.
Tatitry ny Fangaraharahana : Miakatra Be ny Fangatahana avy any Rosia
"Tao Rosia, niainga tamin'ny tsy naharaisana fangatahana tany am-boalohany ka tafakatra mihoatra ny 100 ny fangatahana mombamomba ny kaonty nandritra ity fotoana taterina ity. Tsy manome na inona na inona izahay ho valin'izany fangatahana rehetra izany," hoy ny tatitry ny Twitter.
RuNet Watchdog: ‘Mivaralila’ Noho Ny Fandàvan'ny Twitter Tsy Hibahana Ireo Mpanohitra An'i Kremlin
Alexandr Zharov, filohan'ny Roscomnadzor, nilaza tamin'ny mpanao gazety fa "nandà hatrany ny Twitter tsy hanaraka ny fangatahan'ny rafitra ara-pitsaràna Rosiana, isan'izany ireo ikendrena hiadiana amin'ny mahery fihetsika,"
Onjanà “Bot” Miezaka Mampahatsiahy Ny Rosiana Ny Fotoana Mamy Tamin'ny Lalao Olaimpika
Eo ampiatrehana krizy ara-toekarena sy ady mitam-piadiana ao Okraina, misy ny ezaka iraisana alefa amin'ireo onjampeo rehetra mba hampahatsiarovana ny Rosiana ny momba ny tsingerintaonan'ny fandresen'ny firenena tamin'ny Lalao Olaimpika..
Atsaharo Ny Mozika: Nofoanan'ny Spotify Ny Fivoahany ao Rosia
Nandao an'i Rosia ny Spotify noho ny krizy ara-toekarena, ny toe-draharaha ara-politika ary ny lalàna henjana mifehy ny aterineto.
Afo Midedadeda Nahatratra Ny Tranomboky Be Tahirin-Kevitra Ao Moskoa
Araka ny nambaran'ny fantsona onjam-peo Akon'ny Moskoa, dia tsy misy intsony ny tokotokony ho 15 isanjaton'ny tahirin'i INION, ka tafiditra amin'izany ny lahatsoratra Slavy vitsy dia vitsy voasoratra hatramin'ny taonjato faha-16.
Miaraka Amin'ireo Rà Vaovao Sy Tranainy, Vita Fianianana Ny Parlemanta Vaovao Okrainiana
Miatrika lalao politika avo lenta sy ny fanaraha-mason'ny vahoaka avy hatrany ireo vondronà solombavam-bahoaka maromaro ao amin'ny Rada Okrainiana vaovao vantany vao tafapetraka .