Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Febroary, 2014
Mpanao Gazety Nampandoavin'ny Fitsarana Tajik Onitra Noho Ny Filazana ny Manampahaizana Mpankatoa Ho ‘Diky’
Nodidian'ny fitsarana handoa onitra mihoatra ny 6000 dolara US noho ny "ratra ara-maoraly" ny mpanao gazety iray nanatsonga ny tenin'i Vladimir Lenin tamin'ny fitsikerana ny manampahaizana mpanaiky hatrany notendren'ny fanjakana ao Tajikistan.
Ny Lapa Tsara Tarehin'i Yanukovitch Ao Rosia
Ekena fa efa zava-mahazatra an'ireo Rosiana ny ohatra omen'ireo mpisehatra politika any aminy amin'ny resaka harena sy ny tsy fahaiza-manavaka ny ratsy sy ny tsara, satria mitete tsy tapaka ety anaty aterineto ny sarin'ny toeram-ponenan'izy ireo.
Avy Any Kiev Mankany Moskoa: Hetsika Ao Rosia Mitondra Kodiarana
Ho fihantsiana dia nitondra kodiarana betsaka hanaovana fihetsiketsehana ao Moskoa ny Rosiana mpidina an-dalambe ho fanoherana ny fisian'ny gadra politika.
“Tsy Zava-tsy Manjary Na Aretina Akory Izahay”: Hoy Ireo Bilaogera Mpitia Ny Mitovy Taovam-pananahana Aminy Ao Tajikistan
Nomen'ny media sôsialy fahafahana hiteny momba ny toe-tsaina feno fankahalàna azy ireo ny vondrom-piarahamonin'ireo olona mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady ao Tajikistana. Na izany aza, mbola miraikitra mafy dia mafy anefa ireny toe-tsaina ireny.
Ireo Mpampitahotra Goavana Sy Ratsy Ao amin'ny Fampitam-Baovao Rosiana
Nanokana fandaharana iray manontolo tao amin'ny radio i Vladimir Solovyov hamakivakiana bantsilana sy hiampangana ireo siokantserasera manohana ny Maidan ataon'ny mpianatry ny Sekoly Ambony momba ny Toekarena ao Moskoa. Nahoana?
Matahotra Angaha Ireo Tiorkmenina Talohan'ny Lalao Olaimpikan'ny Andro Ririnina Ao Sochi?
Tsy nandefa na dia atleta iray aza i Tiorkmenistana ho fandraisany anjara amin'ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny andro ririnina tamin'ity taona ity . Ny filoham-pirenena izay mpankafy fanatanjahantena ihany no solontena nalefan'ny firenena.
Lalao Mankany Amin'ny Helo: Manome Lamosina Ny Sochi Ary Mitodika Any Okraina Ny Rosiana
Androany, taorian'ny sarintsarim-pitoniana fohy nisy, niverina ny herisetra teny an-dalamben'i Kiev, niteraka fikisahana henjana tamin'ny asa fanaon'ny RuNet. Indrindra fa maneho endrika ady an-trano ifanaovan'olon-tsotra ny sary azo avy any Okraina.
Ra eny an-dRanomandry, Fahatezerana eny amin'ny Aterineto
Tsy lavitra mihitsy ny Seho an-tsehatra rehefa mihaona ambony ranomandry ny ekipam-pirenena amin'ny hockey Rosiana sy Etazonia.
Tongasoa Eto Amin'ny “Hunger Games” Amin'ny Lalao Olaimpika – Sotchi – Rosia 2014
Miala any indray ny fomba iray hafa enti-maneso ny fomba fandraisan'i Rosia ny Lalaon'ny Andro Ririnina: fanoharana ny Lalao Olaimpika sy ilay asa kanto taharon-javatra telo "Hunger Games" (Lalaon'ny Hanoanana)
Olana 99 Amin'ny Sochi No Azoko
Miady hevitra momba ny ilàna ny fanakianana ireo Lalao Olaimpika atao any aminy ireo Rosiana bilaogera