· Jona, 2013

Below are posts about citizen media in Russian. Don't miss Global Voices по-русски, where Global Voices posts are translated into Russian! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Jona, 2013

Voasakana Tany Etazonia dia Nipoitra Tao Rosia Indray Ilay Lalàna SOPA

Niverina ny lalàna Amerikana "Stop Online Piracy Act" (Ajanony ny Fijirihana Anaty Aterneto) - ary efa hihatra afaka herinandro eo ho eo. Tsy ao Etazonia anefa ny SOPA no hivoaka, toerana izay nahitàna fihetsiketseham-bahoaka notontosain'ny fikambanan'ireo orinasa misahana ny aterineto, fikambanana Mpiaro ny Zon'olombelona, ary ireo mpampiasa aterneto mba hitsipahana ny lalàna tamin'ny volana Janoary 2012. Lalàna iray mamolavola sazy henjana ho an'ireo izay manitsakitsaka anaty Aterneto ny zon'ny mpamorona no eo an-dalam-panantanterahana ao Rosia.

Mandroso Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-gazety Rosiana ny Lakozian'ny Kremlin

Novaya Gazeta, iray amin'ireo gazety mpanohitra antitra indrindra ao Rosia, dia nampiditra ny tompon'ilay trano fisakafoanana tena ankafizin'i Vladimir Putin, tanatina raharaha hafahafa mba handisoana ireo sehom-baovao maro mavesa-danja indrindra any amin'ny firenena. Araka ny nolazain'i Novaya, ny "Concord" an'i Prigozhin, orinasa mpikarakara sakafo mifandraika amin'ny Kremlin [ru] dia tafiditra anatina firaisana tsikombakomba avo lenta mba hanaparitahana vaovao tsy marina any amin'ireo gazety maro ao Rosia, miendrika dokambarotra, mba handresena lahatra ny vahoaka fa ahofa ilay vaovao.

Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny fireneny, roa volana lasa izay.

Voaroaka Ny Ministra Ao Kazakh Nohon'ny Fanakianan'ny Mponina Anaty Aterineto Ilay Drafitra Fisotroan-dronono

Nahatonga fanehoan-kevitra tsy fahita firy teo amin'ireo olona efa eo an-dalàn'ny taonan'ny fisotroan-dronono ao Kazakhstan ilay fanentanana haneho hevitra tao amin'ny Facebook, niompana tamin'ilay fikasan'ny governemanta hanova ny lalàna mikasika ny fisotroan-dronono izay tsy nakany ny hevitry ny mponina akory. Niongana ilay Minisitry ny Raharaha Sosialy ao amin'ny Repoblika taorian'ilay hadisoana nataony imasom-bahoaka izay naha-afa-baraka azy tokoa, raha toa ilay lehilahy matanjak'i Kazakhstan, ny filoha Nursultan Nazarbayev, ka efa nanao sonia maro ho fanitsiana ilay tolo-dalàna.

Rosiana Sy Ny Sigara : Mafy Ny Fisarahana

Tian'ny governemanta Rosiana ho faranana ny fitiavan'i Rosia sigara ka dia nisy lalàna vaovao navoaka ny 1 Jona teo ho fandraràna ny fifohana amin'ny toerana ifaneraseran'ny daholobe, izay manokatra ny làlana ho amin'ny lalàna henjana ho avy. Tsy ny rehetra ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana no faly amin'izany.

Vladimir Putin: Tompon'ny Peratra (Super Bowl)

Akon  18 Jona 2013

Nangalatra ny peratr'i Robert Kraft tompon'ny Super Bowl antsoina hoe New England Patriots ve i Vladimir Putin tamin'ny 2005? Maro ny bilaogera Rosiana nanao io fanontaniana io, rehefa niteny i Kraft tamin'ny 4 Jona 2013, tao amin'ny tafatafa hita ao amin'ny New York Post fa tsy nanolotra ny peratra ho fanomezana izy ny tena marina.

Ireo pejinay momba an i Rosiana

ru