Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Marsa, 2013
Lainga, Laingan-doza, ary ny Antontan'isa Tiorka
Rehefa antontan'isa no resaka, dia mijanona manaraka am-bokony fotsiny ny foto-kevitra fony faha-Sovietika ny governemanta Tiorkmena, toy ny amin'ny boky fandrahoan-tsakafo, fanodinkodinana angon-tahiry sy fanalàna an'izay marina rehetra mety manelingelina. Tena avoakan'ny haino aman-jerim-panjakana izay mitondra amin'izao fotoana izao tsara mihitsy ny 'Antontan'isa tsara', toy ny fiakaran'ny vokatra, fa ny vaovao ratsy kosa tsy mba misy mamoaka mihitsy.
LAHATSARY: Tobim-pamokarana Herinaratra Okrainiana kilan'ny Afo, Tsy Azo Antoka Ny Hoavin'ny Tanàna Manodidina
Farafaha-ratsiny iray no maty ary dimy hafa naratra ny 29 martsa tamina firehetana goavana [amin’ny teny anglisy] tao amin’ny Tobim-pamokarana herinaratra ahodin-tsolika ao Vuhlehirska any Svitlodarsk, tanana kely iray ao Donetsk any Okraina.
Mahatezitra Ny Mpisera Ety Anaty Aterinetio Ny Toetran'ireo Parlemantera Okrainiana Mpanitsakitsaka Lalàna
Nahavita nanao fampielzankevitra kely tey anaty aterineto i Vadym Kolesnichenko, solombavambahoaka avy amin'ny antoko mitondra , rehefa nifanolana taminà vehivavy iray teny amin'ny seranampiaramanidina, izay tsy nanao afa-tsy ny asany.
Ilay Tsara Tarehy sy ilay Biby Tsy Voafehy? Naharomotra Ny Nasionalista Rosiana Ilay Oliravina “Foko Hafa” Nandresy
Tahaka ny tsy niomana mialoha handresy tamin'ny fifaninanana Oliravina Rosia ilay 18 taona Elmira Abdrazakova tamin'ny Asabotsy 2 marsa 2013 farany teo. Raha izany manko dia efa tsy nataony hitam-bahoaka mialoha ny mombamomba azy tao amin'ny tambajotra Rosiana VKontakte. Amin'izao fotoana lasa nanaisotra manontolo ny mombamomba azy izy. Nihalehibe tao...
Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia
Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy ity? Nandefa doka miloko mainty sy fotsy izay nahitàna ny fangon'ireo tranonkala telo ireo tao anatin'ny fampielezankeviny