Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Oktobra, 2012
Mandrisika ny Kazaka Hiteny ny Tenindrazany Ilay Mpihira Italiana
Nanjary nalaza tany Kazakstana i Son Pascal, mpihira Italiana sy mpamoron-kira, noho ny zotom-pony namporisika ny Kazaka hiteny ny tenindrazany. Manambara ny fitiavany ny zavatra Kazaka rehetra i Pascal tao amin'ny dinidinika fohifohy niarahana tamin'ny Global Voices Online.
Miditra Ho Firenena Mandrara Ny Horonantsary Manohitra An'Islam I Kazakhstan
Nifanome tanana tamin'ireo firenena maro hafa i Kazakhstan amin'ny fandraràna ilay horonantsary manohitra an'Islam miteraka resa-be, "The Innocence of Muslims." Nahatonga resabe ao amin'ny firenena io fandraràna io mikasika ny fandairan'io fepetra io sy ny mety ho fiantraikany.
Rosia: “Tafintohina” tamin'ny Fanafahana Mpikambana ao amin'ny Pussy Riot
Nahataitra ny maro ny nataon'ilay mpikambana iray tao amin'ny Pussy Riot iray antsoina hoe Yekaterina Samutsevich tamin'ny herinandro raha nanova ny mpisolovavany sy naka paikam-piarovana vaovao tany amin'ny fitsarana ambony (nanaovana fampakarana) izy. Tsy nisy ny marimaritra iraisana teo amin'ny bilaogera Rosiana tamin'izany fotoana ny tamin'izay nitranga sy ny antony nahatonga...
Rosia: Mpanao Lalàna Mikasa Hametraka lalàna Amin'ny Tambajotra Sosialy
Anaty efi-manakon'ny RuNet, mora ho an'ny bilaogera ny voafandrika amin'ny lohatenin-gazety manaitaitra. Ity misy tranga iray amin'izany: Andro vitsy lasa izay, bilaogera maromaro no nirehidrehitra amin'ny hevitra fa misy komity ao amin'ny Duma miandraikitra ny fametrahana lalàna momba ny aterineto vao namolavola lalàna vaovao [ru] mametraka ny tsy maintsy hananan'ny mpiserasera amin'ny tambajotra sosialy...
Rosia : Tetikasa “Bribr” Hamantarana ny Fisian'ny Kolikoly
Fampiharana vaovao amin'ny iPhone/iPad ny Bribr [amin'ny teny rosiana] ; App Store, Facebook] izay ahafahan'ny mpisera azy tsy ho fantatra anarana (anonyme) ao Rosia mandefa ny toerana nisian'ny kolikoly sy ny totalin'ny vola natao kolikoly. Afaka ampahafantarina arak'izany ny vola noraisina tamin'ny kolikoly. Araka ny fanambaran'ny Bribr [rosiana], […] Mpitsabo, tafika, fadin-tseranana –...
Rosia: Resa-pinoana & Famonoana Ny Masoivoho Amerikana
Ho setrin'ireo fanafihana masoivoho Amerikana sy fari-ponenana diplaomatika manerana ny tontolo Miozolmana (indrindra fa ny namonoana ny Ambasadaoro Christopher Stevens su ireo olona telo mpiara-miasa taminy tao Libya), dia nijery ny firongatry ny resaka ara-pinoana any amin'ny taniny ireo Rosiana bilaogera, ary nampiasa iny zava-nitranga iny ho toy ny fotoana iray fanararaotra hiresahana ny fiantraika midadasiky ny tsy fitoniana ara-politika.