· Aogositra, 2012

Below are posts about citizen media in Russian. Don't miss Global Voices по-русски, where Global Voices posts are translated into Russian! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Aogositra, 2012

Kyrgyzstan: Tafiditra Anelanelan'ireo Nasionalista, Manasazy Mpanao Gazety Ny Fitsarana

  31 Aogositra 2012

Mikasika ny raharaha iray niteraka adihevitra be, nosazian'ny fitsarana iray ao Kyrgyzstan tamin'ny fandoavana honitra i Vladimir Farafonov, mpanao gazety teratany Rosiana, nohon'ny famoahana lahatsoratra izay mandrisika ny fisian'ny fifankahalan'ny vahoaka iray firenena. Nizara roa ny mponina amin'ny aterineto teo amin'ny fanehoan-kevitra mikasika ny didim-pitsarana. Raha maro ireo izay mihevitra fa tokony nomena sazy somary henjankenjana ilay mpanao gazety, ny hafa kosa dia manambara fa miteraka voka-dratsy eo amin'ny fitsarana io didim-pitsarana io.

Mampikorontan-tsaina An'i Zeorzia Ny Sarin'ady Ataon'i Rosia

Akon  28 Aogositra 2012

Amin'ity Septambra ity, miomana ny hanao ny 'Caucasus-2012' miaraka amin'ireo tafiky avy amin'ireo faritra nihataka tamin'i Zeorzia, faritanin'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo. Caucasus-2012 dia hatao any amin'ny faritra Kaokazy Avaratra, ary hahitàna fandraisan'anjaran'ny [ru] miaramila 8.000, hatraminà fitaovana mavesatra, artillerie, sambo, ary fiaramanidina mpiady. Io no ho fanazarantena lehibe indrindra nataon'ny Rosia tamin'ity taona ity. Hampitony ny Zeorziana ve izany?

Rosia : Miala Any Ny “Pussy Riot” & Ny Fitsarana Ao Rosia

Akon  18 Aogositra 2012

Ny 2 Aogositra, efatra andro talohan'ny fitsarana ny Pussy Riot , dia nisy fiakarana fitsarana hafa indray tao Yekaterinburg, ilay foibem-paritry ny Urals. Tsy tahaka iry namany malaza be, tsy dia nahasarika loatra ny sain'ny olona ity fitsarana ity, na tanaty aterineto izany, na teny anaty fampahalalam-baovao, noho ny fahitana azy ho toy ny mari-pamantarana fotsiny ny tsy fetezana eo amin'ny fitondrana ny lalàna sy ny filaminana ao Rosia.

Okraina, Rosia: Resabe Momba Ny Toerana Nahaterahan'Ireo Mpifaninana Amin'ny Lalao Olaimpika

Akon  05 Aogositra 2012

Tsara, fa tsy loharanom-baovao iray tena azo iankinana momba ireo mpikambana ao anatin'ny ekipa Rosiana teraka tany ivelany ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona. Nangataka fanitsiana, nanomboka fanentanana fanoherana amin'ny alalan'ny fanoratana taratasy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto, ary na ny Minisitry ny Raharaham-bahiny aza dia tafiditra anatin'izany tamin'ny alalan'ny Twitter.

Rosia : Resaka nifanaovana tamin’i Jesse Heath, mpanoratra ny bilaogy The Russia Monitor

Akon  04 Aogositra 2012

Ny bilaoginy The Russia Monitor izay mandinika ny fironana vaovao eo amin’ny toe-karena, politika  ary ny fanao ao amin'ny fanaovan-dalàna Rosiana. Ny  fomba filazany ny lafiny ara-teknika ireo toe-javatra sahanina no tena mampiavaka an’i Heath amin’ny bilaogera manoratra teny anglisy hafa momba an'i Rosia. Ohatra: nofotoriny amin'ny antsipiriany ny fanitsiana lalàna momba ny...

Mitandroka An'i Rosia ‘Lehibe’ i Georgia ‘Kely’ Miaraka Amin'ny Media Vaovao

  03 Aogositra 2012

Mampiasa ny fanoratana bilaogy mba hametrahana ny fahefana malefaka any Rosia i Zeorzia. Na dia mamoaka amin'ny teny Zeorziana aza ny ankamaroan'ireo bilaogy Zeorziana, dia misy ihany koa maromaro amin'ny Rosiana no mahay ny teny Zeorziana ao amin'ny sehatra fitorahana bilaogy malaza LiveJournal (LJ). Mampiasa tetikady voarindra aza ny governemanta Zeorziana amin'ny fanakaikezana ny vahoaka Rosiana amin'ny fampiasàna am-pahendrena ny media vaovao.

Kazakhstan: Fanentanana Tsy Mahazatra Loatra Nampiasa Ny Ondry Hiantohana Ny Fifamoivoizana ieren-doza

  01 Aogositra 2012

Ny 17 jolay, ireo mponina any Almatia, tanan-dehiben' i Kazakhstan, dia finaritra nahita ireo lambabe fanentanana vaovao sy ilay takela-by fanaovana dokam-barotra napetraka eran' ny tanàna misy hafatra nahatalanjona milaza hoe : '' Manaraha lalàna rey olona rehefa miampita. Ny ondry [no miampita ny lalana]'' eny rehetra eny araka izay tiany. Maneho hevitra momba ilay fandraisan anandraikitra ireo mpampiasa aterineto

Ireo pejinay momba an i Rosiana

ru