The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Russian Sokaja ara-teny

RSS ho an ny Russian

2008-08-04

Rosia: Aleksandr Solzhenitsyn

Tohiny Nodimandry ny alahady teo ilay efa nahazo ny loka Nobel Haisoratra tamin'ny boky mitondra ny lohateny hoe Tangoronosin'ny golagy(The Gulag Archipelago) dia i Aleksandr Solzhenitsyn. 89 taona izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao. Efa misy sahady ny fanehoam-pilazana ataon'ny tontolom-bolongana Rosiana, ka ity ny soratra iray avy amin'ny mpandimby ny mpanoratra dia i LJ markgrigorian.

2008-07-23

Russia,
Venezuela

Mpikambana ao amin'ny fiarahamonina LJ  Politika v Rossii (RUS) no nitsapa ny hevitry ny mpamaky raha tokony araraotin'i Russia ny fanomezan-tanan'ny filoha Venezoelana Hugo Chavez ny hanorenana toby miaramila (Rosiana) any Venezoelà. Tena lasa lavitra tokoa, fa nanaiky ny hevitra ny 70%n'ny nanambara ny heviny rehefa nojerena ny valiny.

2008-07-21

Kazakhstana: Jery bolongana miresaka olaimpika

Miresadresaka ny mety ho vitan'ny mpilalaon'ny fireneny amin'ny lalao fanao anatin'ny andro mafana ny mpamaham-bolongana Kazakhstani amin'izao ankatoky ny lalao hotanterahina any Beinjing izao (araho ary ny tohiny) .

2008-07-10

Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny FanambadianaThis is a Photos post

Tohiny Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy - nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika) Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny lohateny ...

2008-07-01

Rosìa : “Detskiy Mir” tranombarotra kilalao any MôskoaThis is a Photos post

yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.

2008-06-29

Lithoanìa : Mampiasa fitaovana harifomba Segway ny PolisyThis is a Photos post

navalny izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ahitana Polisy mampiasa fitaovana harifomba ifamoivoizana Segway any Palanga, izay tanana amoron-dranomasina Baltika, any Lithoanìa (RUS).

2008-06-25

Rosìa : “Revôlision'ny kitra”This is a Photos post

Tena alin-dìa [bibidìa] sady tsy natoriana mihitsy tany Rosìa, taorian'ny fandresen'ny ekipa nasionaly ny Hôlandey 3-1 sy ny fahazahoany hiatrika ny lalao manasa-dàlana. Nahatratra 50'000 ireo olona nidina teny an-dalamben'i Môskoa, nankalaza ity fandresena izay tsy nantenaina intsony - ary fanehoam-piravoravoana toy izany no saiky hita niredareda eran'ireo tanana Rosìana ...

2008-06-24

Rosìa : Mpanohana kitra any Môskoa, an-tsaryThis is a Photos post

nl mpampiasa LJ no manapariaka sarin'ireo mpanohana kitra any Môskoa izay nankalaza ny fandresen'ny ekipa nasionaly Rosìana ireo Soedàna - ato sy ato.

2008-04-17

Tadjikistan: Fitsinjarana mitanila ny harena

Sahala amin’ny filam-boatsiary izany mitady zavatra mitera-bokatra hatao eto Tadjikistan izany raha toa ianao ka manaraka ny fepetra sy fitsipika rehetra noferan’ny fanjakana. Anaovan’ny olona sangy ratsy mihitsy ny filazana fa ny làlana mora hahatonga ho olona manan-karena dia ny fidirana ho ao amin’ny governemanta na olona akaikin’ny governemanta. Mety ...

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...