Tantara mikasika ny Romana tamin'ny Aogositra, 2011
Siria: Famoriam-bahoaka Any Amin'ny Tanàn-dehibe Maneran-tany, Manohitra Na Momba An'i Bashar
Heno maneran-tany ny momba ireo hetsika any Siria. Nivory tany amin'ny ankabeazan'ireo tanàn-dehibe maneran-tany ireo Siriana anaty fikambanan'ny zanaka am-pielezana, na mitaky ny fionganan'i Bashar Al Assad sy ny fitondràna izany, na mihirahira ny fitiavany azy. Jereo ity fanangonana lahatsary ity mampiseho ireo fihetsiketsehana maneran-tany.
Moldova: Fidarohana Mpanao Gazety Nahatonga Resabe Tao Amin'ny Aterineto Momba Ny “Fomba Fiteny “
Nahatonga resabe tao amin'ny aterineto momba ny habibiana izay nizizotra ela loatra teo amin'ny Moldavy maro an'isa sy ireo Rosiana vitsy an'isa ao amin'ny firenena ny herisetra iray nianjady taminà mpanao gazety Moldavy iray.