The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Portuguese Sokajy ara-teny

RSS ho an ny Portuguese

2008-07-12

Mozambique

O Silêncio de Kianda [pt] no mitondra ho antsika sombim-baovao mahafinaritra amin'ny fikaratahan'ny olona hiatrehana ny olana ara-tsakafo: mofo vita amin'ny mangahazo voatoto fa tsy amin'ny varimbazaha. “Mahavokatra mangahazo 3 000 000T isan-taona manko i Nampula [faritany iray any Mozambika] ary ampy hamelomana ny fandraharahana momba ny fanaovamofo sy hojifain'ny mponina tsara izany”.

2008-07-09

Brezila : Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta (tsy) Am-pitanjahana

Noraràna ny fitanjahana tamin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena natokana Hitaingenana Bisikleta Am-pitanjahana na “World Naked Bike Ride” (WNBR), any São Paulo, tany Brezila : De acordo com o tenente da PM que estava cuidando da manifestação, a ordem era prender quem exibisse a genitália. Ou seja, protesto tudo bem... mas pelado não... Engraçado como no país do ...

2008-06-27

Angôla : Tatitra an-tsaryPhotos post

JotaCê Carranca no manapariaka ao amin'ny Pensar e Falar Angola [Misaintsaina sy miresaka mikasika an'i Angôla] tatitra an-tsary izay ahitana fiara vita amin'ny hazo [karazana varamba] tany Bocoio sy sekoly any Libangue any Angôla : A escola não tem nada além do que se vê: pedras a servir de cadeira ...

2008-06-06

Cap Vert : Labiera mora vidy kokoa nohon'ny solika

Pedrabika zendana amin'ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin'ny solika any Cap Vert : 200$00 de gasolina é só isso?! Até cerveja tá mais barata. Desse jeito vamos ter que andar mais a pé e continuar ignorando a política que mexe no bolso. De outro modo ninguém reage, os partidos até fazem algumas ...

2008-06-03

Mikasika ny fodian'ireo tra-boin'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any amin'ny taniny

Agry ao amin'ny navegador solidário [mpiantsambo miray hina] no mizara vaovao mikasika ny fodian'ireo tra-boina izay nisedra herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any amin'ny tany nihaviany, dia i Mozambika zany : Enfim, ainda não chegou a hora do governo sul-africano reconhecer, sem rodeios, a sua responsabilidade em todo este processo. ...

Mozambika : Aza manaiky ho resin'ny fidangan'ny vidin'ny solika, andeha hampiasa bisikileta !Photos post

Toix ao amin'ny Lusofolia no manapariaka sary mahatsikaiky entiny manazava ny lahatsorany : Com o aumento do preço da gasolina é da maior sensatez começarmos a pensar em ir buscar a velha bicla ao fundo da garagem. São só vantagens. Além de não poluir, também se poupa imenso no ginásio. “Amin'izao fidangan'ny ...

2008-06-02

Guinea-Bissau : Tarika Mpilalao An-dapihazo Andrana

Jorge Rosmaninho manolotra fankasitrahana ao amin'ny africanidades ny Tarika Mpilalao An-dapihazo Andrana tamin'ny niforonany sady maniry izay laza iraisam-pirenena hoan'izay vitany any Guinea-Bissau : A Guiné-Bissau é um país sui-generis, pois tem pessoas de valor nas áreas mais inesperadas. O teatro é uma delas. Aqui fica a nossa palavra de incentivo ao ...

Mozambika : Resaka vary sy izay fahaleovantenantsika

Manoina ny antso avon'ny fanjakana Japôney mba hisian'ny fiaraha-miasa hanampy an'i Afrika, mba hampitombo avo roa heny ao anatin'ny folo taona ny vokatra vary any Afrika, nandritra ny fivoriambe Iraisam-Pirenena TICAD [Tokyo International Conference on African Development] izay natao tany Yokohama, any Japàna, i Elísio Macamo no mizara ny fanontaniany ao amin'ny ...

2008-06-01

Brazil

Haitao mampiray aina vahoaka sy onjan-taranaka samihafa ary ny sivana no anisan'ny lohahevitra nobanjinina tamin'ny fandaharana voalohan'ny Bloguecast, fandraisam-peo tontosaina sy ampiroboroboin'ny BlogaIsso [pt]. “ny hamoaka andiany iray isan-kerinandro no tanjona, fa angamba tsy haharitra ela tahaka izany intsony, rehefa mivoatra ny fandaharana. Henoy, mandraisa anjara hanala azy ary dia omeo ny sosokevitrao”.

Indigenous ,
Media

“Mahaliana tsy araka ny nanampoizana azy ny mamaky tantara iray amin'ny fomba fijery samihafa. Ataoko fa izay indrindra no nitranga tamin'ny herinandro teo raha nitokona teo anoloan'ny tranolehiben'ny dams manamorona ny reniranon'i Xingu amin'ny lemaky Amazona iny ny Amerindiana”. Topimason'i Lou Gold tamin'ny fampahalalam-baovao lehibe ka nanaovany fampitahana izay nolazain'izy ireo sy ny tatitry ny bolongana sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, izay “sahirana tokoa hampita ny hafatra lalina fonosiny.”