Global Voices teny Malagasy » Portigey
Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika
Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny Wordpress-BR.
Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao fizaham-pahasalamana i Daniel Pádua [pt] (fantatra amin'ny hoe @dpadua ao amin'ny Twitter) ka fantatra fa tratran'ny homamiadana ary dia lavo tao andrenivohitra Brasília androany (zoma) maraina. Tonga nanatrika matetika amin'ny resaka rindrambaiko manokatra loharano (open source) sy ny hetsika ara-kolontsaina afaka any Brezila ny lehilahy ka fitaratra ho an'ny  mpamaham-bolongana maro amin'ny resaka fahavitrihana sy ny fahalalaham-pitenenana amin'ny aterineto.
Ao amin'ny bolongan'ny Wordpress-Br, no anoratan'i [pt] Cátia Kitahara :
Hoje perdemos um amigo queridíssimo, aqui da comunidade, o Daniel Pádua. Sentiremos muito sua falta, não só pelo grande talento e inteligência que ele possuia, mas principalmente pelo seu caráter. Queremos manifestar nosso carinho para sua família e amigos.
Nandao antsika androany i Daniel Pádua ilay akama reven'ny tontolontsika indrindra. Hisy ny fahabangana lehibe avelany noho ny talentany sy ny fahaizany ambony, ary indrindra noho ny toetrany. Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany sy ny namany izahay.
Rehefa niely nanerana ny vohikala moa ny vaovao dia niondri-panajana teo anatrehany sy nanao veloma farany azy ny mpampiasa Twitter nahalala ny asany sy ny ezaka nataony:
Fahatsiarovana takariva  @dpadua. 480N.
Ity no lahatsoratra natokan'ny Global Voices ho an'i Daniel Pádua. Mandria ampiadanana.
Diego Casaes
Angola: Lafo ny fiainana any Luanda
Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia ny karama mbola latsaka ambany dia ambany any Angola raha ampitahaina amin'ny an-dry zareo any Eropa, izay miady mafy tokoa vao mahita sakafo isan'andro.
Mazava ho azy fa tsy mahakasika ireo mpanambola izany ady izany, izay na amin'ny fomba madio na tsia dia voaaro satria manana vola any amin'ny banky izay mahatonga fialonana ho an'ny tsy manana. Araka ny fanadihadihana nataon'ny orinasa britanika iray, ECA International tamin'ny volana jona 2009 dia i Luanda no tanàna lafo vidy indrindra manerana ny tany atsy ho atsy.
Ao amin'ny bilaoginy Mundo da Verdade [pt], dia manoratra i Miguel Caxias :
“Só para terem uma ideia, o custo por noite no hotel em que estou é de 170 USD (quarto individual, com casa de banho e pequeno-almoço mesmo muito sofrível). Estamos a falar de um hotel que deve ter se tanto, duas estrelas. Para um europeu, não só por costumes alimentícios mas também por costumes de segurança, não se arrisca a comer em qualquer botequim de esquina, obviamente. No restaurante onde temos feito as nossas refeições, o custo médio de uma dose é de 30USD (junte-se a isso bebida, sobremesa, entradas e o preço salta logo para 40/45 USD de despesa individual).
Luanda está numa fase de construção massiva. Junto à Marginal existem apartamentos a 1 milhão de USD. Estão todos vendidos!!!”
“Hahazoanao azy sary an-tsaina fotsiny, ny hofan'ny trano fandriam-bahiny mandritra ny alina iray (efitra an'olon-tokana misy trano fidiovana, miaraka amin'ny sakafo maraina) tao amin'ny trano fandriam-bahiny natoriako no 170 dôlara (110 euros). Trano fandriam-bahiny eo ho eo amin'ny kintana 2 eo. Eropeana iray, tsy noho ny sakafo efa mahazatra azy ihany, fa noho ny antony fandriam-pahalemana koa dia tsy hihinana velively eny rehetra eny. Ny vidin'ny sakafo antonontonony dia 30 dôlara (20 euros) any amin'ny trano fisakafoanana nandehananay (ary raha miaraka amin'ny zava-pisotro sy tsindrin-tsakfo dia tafakatra hatramin'ny 40 na 45 dôlara (30 euros) isan'olona izany.
Miatrika fanarenana ankapobeny i Luanda. Any akaikin'i Marginal (toerana amoron-tsiraka) dia ahitana trano hatramin'ny 1 tapitrisa dôlara (650 000 euros). Efa lafo daholo ireo trano ireo!!!”
Tsy dia mifanentana loatra ny vidim-piainana lafo sy ny farim-piainan'ny mponina satria tsy hita taratra ny fiakaran'ny farim-piainana, na dia ho an'ireo sahirana ara-pivelomana aza. Tsara ny vokatra azon'i Angola raha jerena ny fanondroana ara-pivoarana, kanefa mampalahelo fa tsy tonga any amin'ny mponina akory izany, tsy hita any amin'ny vola miditra amin'ny tsirairay. Fitadiavana miaraka amin'ny tolotra tsy ampy dia vao maika mampananosarotra ny raharaha.
Ny mpanoratra breziliana ao amin'ny bilaogy Diário de África [pt] no milaza ny zava-misy any Angola.
“Não são apenas os alugueres (habitação) que custam caro. Tudo é caríssimo. Um quilo de tomate pode sair por 20 USD. Uma bandeja de uvas pode custar 30 USD o quilo. Um bife com batatas fritas pode custar facilmente, 50 dólares. Um cano furado pode sair por 1000.000 USD. Tapar um pequeno furo na tubulação do ar-condicionado do carro e colocar o gás para enfrentarmos o calor luandense custa 200 USD.
Precisa de electricista? Ele não vai sair da sua casa sem ter tirado pelo menos 100 USD de você. Mesmo que só tenha trocado uma lâmpada. Porque é tudo tão caro?”
“Tsy ny hofan-trano ihany no lafo. Lafo daholo ny zavatra rehetra. 20 dôlara (13 euros) ny voatabia 1 kilao. Mahatratra 30 dôlara (20 euros) ny voaloboka 1 vilia. Mora lafo ny hena endasina miaraka amin'ny ovy amin'ny vidiny 50 dôlara (30 euros). Mahatratra hatramin'ny 1000 dôlara (650 euros) ny fantso-drano iray. 200 dôlara (130 euros) ny manisy lavaka kely amin'ny fantsona mitondra rivotra amin'ny fiarakodia sy mameno gaz (etona na setroka)  hiatrehana ny hafanana any Luanda.
Mila mpikirakira herinaratra ve ianao? Tsy mivoaka ny trano izy raha tsy karamaina 100 dôlara (65 euros). Na dia hoe hanolo takamoa fotsiny aza. Fa nahoana no lafo be toy izany ny zavatra rehetra?”
Araka ny nambaran'ity mpitoraka bilaogy ity ihany dia tsotra fotsiny yn valiny, vokatry ny ady namotika ny fampandrosoana tanatin'ny 30 taona.
“O atabalhoado processo de independência e a guerra acabaram com tudo. Primeiro, a independência. Em 1975, pelo menos 300 mil portugueses abandonaram Angola. Médicos, dentistas, advogados, empresários, encanadores, mecânicos, burocratas, professores. Em questão de meses, Angola ficou sem quadros. Não havia quem soubesse gerenciar as finanças do país. Depois a guerra. O esforço de guerra sugou o dinheiro que deveria ser investido na saúde, na educação, nas infra-estruturas do país. Agora multiplique essa situação por 30 anos. O resultado chama-se Luanda.
Com a alta no preço do petróleo nos últimos anos, os fretes subiram e por tabela, o de todos os produtos. Chegou-se a uma situação tal que mesmo os itens produzidos em Angola podem custar mais que os importados. Porquê? Os economistas que me corrijam, mas parece ter algo a ver com a tal lei da oferta e da procura. Quem quer agora, tem de pagar mais.”
O país não tem indústrias. Tudo é importado. Vem de navio. No porto, não há espaço. Os navios ficam dois, três meses atracados em alto-mar, aguardando autorização para descarregar. Só agora é que a agricultura começa a dar os primeiros passos. Mas só nas áreas em que não há minas terrestres. O último número que ouvi era de que mais da metade das terras cultiváveis do país estava cheia de minas. Enquanto o terreno não estiver limpo, nada feito. Portanto, até a comida precisar ser importada.
“Ny fitadiavana ny fahaleovan-tena nampian'ny ady no namotika ny zavatra rehetra. Ny fahaleovan-tena aloha. Tamin'ny 1975 dia 300 000 ny portugais nandao an'i Angola. Mpitsabo, mpitsabo nify, mpisolo vava, mpanao asa vaventy, mpanolo fantsona, mécaniciens, mpiasam-panjakana, mpampianatra. Tao aantin'ny volana vitsivitsy dia tsy nisy tompon' andraikitra intsony tany Angola. Tsy nisy olona nahay nitantana ny volan'ny firenena intsony. Avy eo indray ny ady. Notrohan'ny ady daholo ny vola tokony ho nampiasaina tamin'ny fahasalamana, na fampianarana, sy ny foto-drafitr'asa vaventy tany an-toerana. Ampitomboy 30 taona izany rehetra izany. Ny vokany no atao hoe Luanda.
Miaraka amin'ny fiakaran'ny vidin-tsolika tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia niakatra koa ny saran-dalana ary na dia tsy hita mivantana aza dia niakatra koa ny vidin-javatra. Efa tonga hatramin'ny hoe na dia ny vokatra vokarina any Angola aza efa lafo vidy noho ny nafarana avy any ivelany. Satria nahoana? Aoka hotsarain'ny manam-pahaizana ara-ekonomika aho, fa ataoko fa misy fiantraikany ny lalànan'ny tolotra sy ny tinady. Izay mila zavatra haingana dia tsy maintsy mandoa vola lafo.”
Tsy manana orinasa ny firenena. Afarana daholo ny zavatra rehetra. Tsy misy toerana any any amin'ny fiantsonan'ny sambo. Miandry 2 na 3 volana eny an-dranomasina ny sambo iray vao mahazo fahazoan-dalana hampidina entana. Amin'izao fotoana izao vao manomboka mandeha tsikelikely ny fambolena. Kanefa izany dia any amin'ireo faritra tsy misy vanja milevina ihany. Raha araka ny tarehimarika azoko farany dia fantatra fa ny antsasany mahery amin'ny tany azo ambolena no rakotry ny vanja milevina, tsy misy azo atao. Vokatr'izany, na dia ny sakafo hohanina aza dia hafarana avokoa”.
mitentina 600 KZ ($7 USD) ny henan'osy. Tweetpic an'i @bethinagava
Clara Onofre
Brezila: Mba afaka hitondra fiara raitra ve ny mainty hoditra?
Tany amin'ny faran'ny volana Aogositra tany, nipongatra indray noho ny tranga iray nanaitra ny sain'ny maro manerana ny firenena mihitsy ny resaka fanavakavahana sy fitsarana ivelany eo anivon'ny fiarahamonina Breziliana . Januário Alves de Santana, lehilahy mainty hoditra iray eo amin'ny faha-telopolon'ny taonany eo, no voadaroky ny mpiambina roalahy raha iny izy niandry ny vady aman-janany teo amin'ny faritra fametrahana  fiara tamina iray amin'irony toeram-pivarotana lehibe iraisampirenena any Brezila irony [toy ny Shoprite aty Madagasikara]. Nampangaina izy ho nikasa hangalatra ny fiara izay azy ihany [pt]. Ireo mpanafika azy dia nihevitra mazava fa hoe satria mainty izy dia tsy tokony ho afaka hanjifa  Ford EcoSport ( karazana iray raisina ho isan'ny lafo vidy any Brezila).
Sary avy amin'i Juarez Silva Jr.
Rachel Glickhouse, avy amin'ny Adventures of a Gringa, dia mamaritra ny fizotry ny zava-nitranga tamin'ny 7 Aogositra amin'ny antsipirihany, araka izay nambaran'i Januário. Izy dia miblaogy amin'ny teny Anglisy:
Nijoro teo anilan'ny fiarany izy, voamariny fa nisy lehilahy roa mampiahiahy tamy nanatona azy. Avy eo ny iray– izay mpiandraikitra ny fiambenana ihany– nanatona azy sady namoaka fitaovam-piadiana. Tonga ilehio dia namely an'i Januário tsy nisy alaharo alaharo, ary  Januário tsy nahalala akory na jiolahy io na mpitandro filaminana. Nandritra ny fifampitoloman'izy ireo, nianjo vonjy ireo mpandalo, ary i Januário dia nihevitra fa avotra izy.  Mpiambina marobe  avy ao amin'ny  Carrefour no tonga nanatona, ary nazavainy fa resaka tsy mifankahazo izy ity– tsy nieritreritra izay hangalatra ilay kodiarandroa teo anila teo izy. Nosamborin'ireo mpiambina izy ary nentina niditra tanaty efitrano kely iray  “hanazava” hoe inona no nitranga. “Raha izany,” hoy izy ireo, “ nangalatra  EcoSport iray ianao ary avy eo mbola nihevitra ny haka kodiarandroa iray koa?”
Dia niditra tamin'ny fidarohana tsy ampieritreretana an'i Januário ireo mpiambina dimy, izay nambaran'ny tatitra voalohany ho “ampaham-potoana fampijaliana,”tehamaina, totohondry, ary vodibasy, daroka amin'ny nifiny ka nahatonga azy ho boba-rà. Januário nilaza fa niezaka ny hanazava ihany ny maha azy ny fiara izy, ary tao anatiny [toeram-pivarotana] tao ny zanany vavikely raha niantsena ny ankohonany. Tsy niraharaha azy ireo mpanafika azy. “Mangina, n*****. Rehefa tsy hangina ianao, hotapatapahako daholo ny taolam-batanao rehetra” hoy ny iray tamin'izy ireo nandrahona. Nikakakaka izy ireo rehefa nisisika izy nilaza fa azy ny fiara. Naharitra  roapolo minitra teo ny faharetan'ny daroka talohan'ny nahatongavan'ny pôlisy.
Ary mbola nampiany fa  “tsy nitsahatra hatreo akory ny fampijaliana”, fa na dia taorian'ny nahatongavan'ny pôlisy aza:
Iray tamin'ireo pôlisy, antsoina amin'ny anarana hoe Pina, no tsy nino ny  “tantaran'i” Januário . “Sahala amin'ny olona efa nifonja matetika ianao e!. Alefa moa e, mba miaiky, ao izay an,” hoy ilay manamboninahitry ny pôlisy. Pôlisy iray hafa no tsy nino ny maha-olona mpisahana fiambenana azy teo aloha, ka dia nanomboka nanadina azy momba ny fitsipika fisahanana fiambenana. Farany , nandeha nankeny amin'ny fiaran'i  Januário ilay pôlisy ary nanamarina fa azy sy ny vadiny tokoa ny fiara. Teo ny ankohonany, tohina mafy nahita azy vonton-drà sy vaky nify, ary ilay zanany vavikely mbola resin-tory tao anaty fiara.
Dia lasa fotsiny tsy niantso fiara mpamonjy voina na nanampy azy ny pôlisy. Nentin'ny ankohonany tany amin'ny hôpitaly, notsaboina noho ny dona sy ireo ratrany  i Januário. Very 8 kilao izy hatreo, misedra tsy fahitan-tory ary tsy mbola afaka miverina mamonjy ny asany. Tamin'ny Alakamisy lasa teo, niatrika fandidiana ho fanitsiana ny taolana tapaka tao amin'ny karandohany izy. Nametraka fitoriana ny pôlisy ao an-toerana ny fianakaviany, saingy araka ny filazan'ny pôlisy, ny daroka nahazo azy dia vokatry ny  “korontana” sy “ fifanjevoan'ny samy mpividy vitsivitsy”. Carrefour dia namoaka ny fialantsininy noho ilay resaka tsy nifankahazo ary nanambara fa  vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana[pt].
Na izany aza, i Januário dia mihevitra ny hitory eo anatrehan'ny fitsarana  ilay vondron'orinasam-barotra sy ny Fanjakan'i São Paulo, sy hivarotra ilay fiara, izay mbola aloany  R$789 isam-bolana [eo amin'ny  $419 eo ho eo] , mandritra ny  72 volana.
Nanako nanerana ny firenena ilay tranga, ary maro ny olona naneho firaisankina tamin'i  Januário, saingy tsy vao voalohany no nitrangan-javatra toy izao. Araka ny anasongadinan'ny blaogy [pt]  Censurado [Voasivana, pt], fihetsika maro hafa manohintohina ny mainty hoditra no efa nataon'ireto olona mpiandraikitra fiambenana  an'ity vondron'orinasam-barotra  ity. Teny maneso no entin'ny mpitoraka blaogy manontany ireo mpamaky:
Queria um conselho dos meus leitores. Se um dia eu precisar comprar, sei lá, um shampoo no Carrefour, devo levar um amigo branco junto comigo?
Te-hahazo toro-hevitra vitsivitsy avy aminareo mpamaky ahy aho. Raha mba te-hividy zavatra aho,  shampoo, ambarao, ao amin'ny Carrefour, tokony hitondra namana fotsy hoditra ve aho hiaraka amiko?
Maria Frô [pt] mamerina mamoaka ny lahatsoratra momba ilay tantara  navoakan'ny AfroPress [pt], sady manampy lohateny lehibe iray miventy ilay bestseller Breziliana“Não Somos Racistas” [tsy mpanavakava-bolon-koditra isika] an'ilay mpanao gazety Ali Kamel. Ny lohatenin'ny lahatsorany ao amin'ny blaogy dia:
É, segundo Kamel, não somos racistas. Só quase assassinos.
Eny, raha ny lazain'i Kamel, tsy mpanavakava-bolon-koditra isika. Mpamono olona fotsiny ihany isika.
Ny blaogy Pão e Rosas [pt] dia manakiana mafy tokoa ilay tranga. Manaraka ny lalan-kevitra iraisana izy ity, miresaka ny anganongano manao hoe ny kolontsain'ny  melting pot Breziliana dia demokrasia narindra ara-poko:
Enquanto os discursos de intelectuais, políticos burgueses e dos meios de comunicação afirmam veemente “Não somos racistas”, vem à tona um caso escandaloso de como o racismo se reproduz nas formas mais violentas e repugnantes. Todo a falácia da democracia racial cai por terra frente a casos como este – e poderíamos listar tantos outros que ganharam repercussão e depois foram esquecidos, na maioria das vezes marcados pela impunidade.
Raha mbola ny intelligentsia, ireo mpanao pôlitika bevozona sy ny media taka-bahoaka no misisika miteny hoe  “tsy mpanavakava-bolon-koditra isika”, hipongatra foana ny zava-doza toy ity ary haneho amintsika ny fomba fisehon'ny fanavakavahana amin'ny endrika maherisetra sy mampahonena. Ny  fifanoheran-kevitry faratampon'ny demokrasia ara-poko dia mifototra amin'ireo tranga toy ity, ary azontsika tanisaina ireo maro hafa nanohina tamin'ny fotoan'androny nefa dia adino mora foana avy eo, izay maro no tsy nahazo sazy akory.
Juarez Silva Jr., avy amin'ny Blog do Juarez [pt], dia manontany tena raha marina tokoa fa ny fanavakavahana mahazo ny mainty hoditra ao Brezila dia olana ara-tsosialy fa tsy ara-poko:
quando o negro sai do seu “esteriótipo  e ‘lugar’ social ” ele “paga o preço”, afinal se ele não tivesse um carro bacana, talvez nada disso tivesse acontecido não é mesmo ???? , cansado de ter problemas por sua situação social não condizer com o “esperado” pela sociedade, a vítima já pensa em vender o “carro problemático”  […]
Deus me livre de por as rodas do meu vistoso Adventure no estacionamento dessa rede…, BOICOTE JÁ.
rehefa tsy mifanitsy amina lasitra “stereotype” iray  sy  “toerana ara-tsosialy” iray  ny mainty hoditra dia  “manefa” – izany eo ihany, raha toa [ilay zalahy ity] tsy nanana fiara raitra, angamba tsy nisy na inona na inona nitranga, sa tsy izany???? Trotraky ny antsojay satria ny toerany eo anivon'ny fiarahamonina tsy mifanandrify amin'izay “andrasan'ny” fiarahamonina aminy, ilay niharam-boina eto dia mihevitra sahady ny hivarotra ilay “fiara nampidi-kizo” […]
Voararan'Andriamanitra aho  tsy hametraka ny kodiaran'ny  Adventure keliko [fiara io an]  eto amin'ny toeram-piantsonan'ity vondron'orinasam-barotra  ity… NDAO HANAOVANTSIKA ANKIVY ANDROANY E.
” Carrefour mpanavakava-bolon-koditra”, fanehoan-kery iray fanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra natao amin'ny fitaratry ny fiara teo amin'ny toeram-piantsonan'ny fiara ao amin'ny Carrefour. Sary nalain'i @berlitz ao amin'ny Twitpic
Ao amin'ny vohikala  Geledés Instituto da Mulher Negra [Ivontoerana Geledés ho an'ny vehivavy mainty hoditra, pt], maro ireo olona sorena amin'ity vaovao ity ary niloa-bava namoaka ny  alahelon'izy ireo ao amin'ny boaty fametrahana fanamarihana. Ohatra, milaza i  Ayraon:
Só no Brasil se acha que o racismo é velado. Velado nada! Só não vê quem não quer, ou seja, o povo brasileiro iludido por uma visão deturpada de si mesmo. “Somos mestiços!” diz um, “Não existe preto ou branco” diz outro na hora que esse preto inexistente diz sofrer racismo. Lá fora, quem conhece o Brasil, não consegue entender como esse país pode, por tanto tempo, esconder seu racismo doente. Aqui dentro, vivemos na insanidade coletiva: brancos acham que racismo não existe, que tá na cabeça dos pretos (que, segundo alguns pretos e brancos, não existem), negros dizem que o racismo brasileiro é “velado”; e muitos aceitam essa situação (alguns até dizendo nunca terem sofrido racismo, mesmo sendo alvo dele todo o dia). A história do bahiano me deixa triste , por que ela v ai se repetir, e se repetir, e se repetir sem que façamos nada. Ou iremos fazer algo?
Aty Brezila irery ihany no heverin'ny olona ho miafina ny fanavakavaham-bolon-koditra. Hagaigena! Miafina fotsiny ho an'ireo tsy te-hijery azy izany. Amin'ny teny hafa, diso hevitra tamin'ny fomba fijeriny mivilana momba ny tenany ihany ny  Breziliana. “Foko mifangaro isika!” hoy ny iray, “Tsy misy mainty na fotsy izany,” hoy ny iray hafa miteny, raha sendra misy olona [vahiny] mainty hoditra milaza fa nizaka fanavakavaham-bolon-koditra izy [na lahy io na vavy]. Any ivelany any, ho an'ireo mahafatantra hoe toy inona moa i Brezila dia tsy afaka hahatakatra hoe fomba ahoana no nanafenan'ity firenena ity nandritry ny fotoana elabe ny fanavakavaham-bolon-koditra tao aminy. Eto an-toerana, miara-miaina hadalana itambaram-be isika: ny fotsy hoditra mihevitra fa tsy misy zavatra toy izany hoe fanavakavahana izany fa zavatra foronin'ny mainty hoditra any an-tsainy any izany (dia ireo  ‘mainty' izay heverin'ny sasany ho toy ny tsy misy), ary ny mainty hoditra indray milaza fa ny fanavakavaham-bolon-koditra breziliana dia “misarom-boaly”; Maro no manaiky an'io teo-javatra io ( ary dia maro mihitsy ireo milaza fa tsy mbola niharan'izany fanavakavahana izany ry zareo, na dia lasibatr'izany isan'andro vaky izao aza).  Ny tantaran'ity lehilahy avy any Bahia ity no tena nankarary saina ahy, satria dia hiverimberina ny toy io rehefa tsy misy fandraisana andraikitra avy amintsika. Sa mba hanao zavatra isika momba azy ity?
Ho valin'ny fanontaniana'ilay mpitoraka blaogy, nanomboka ireo hetsika fanoherana. Nisy fanehoankery natao ny 22 Aogositra, ary raha ny nambaran'ny Geledés dia  hetsi-panoherana lehibe iray hanoherana ilay vondron'orinasam-barotra no hatao ny 5 Septambra.
Olana saro-bahana ny fanavakavaham-bolon-koditra ho an'ireo  firenena nozanahan'ireo tany mandroso sy niaina teo ambany vahohon'ny fanandevozana; mbola betsaka ny antsojay mipoitra any anatin'ny fiarahamonina maoderina any. Nanamarika an'i Brezila ny fanandevozana mahery setra natao ireo Afrikana mainty hoditra, izay naharitra efa ho 300 taona ary, hatramina dingana iray voafaritra, dia kitro nifaharan'ny toekarena nandritry ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany. Nandova izany holatra ara-tsosialy izany ireo mainty hoditra aty amin'izao fotoana izao ary miaritra amin'ny endrika samihafa ny fanavakavaham-bolon-koditra amin'ny andavanandrom-piainan'izy ireo. Nefa sakafom-panahy ho an'ny saina, ary ventiny ho an'ny hafatra hafa io.
Hafatra nandalo fanamarinan'i Maisie Fitzpatrick.
Brezila: Mpianatra nosamborina nohon'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Antenimieran-doholona
Voahilika tsikelikely ny demokrasia sy ny fahalalàhana miteny ao Brezila toy ny efa fahazarantsika mandre trangan-javatra toy ny hoe blaogy nosivanina na olona nofonjàna noho ny fanehoan-kevitra manohitra ny kolikoly. Tamin'ny  19 Aogositra, mpianatra vitsivitsy naneho hevitra nanohitra ny Filohan'ny Antenimieran-doholona  José Sarney no nosamborina, notazonina nandritry ny ora telo tao amin'ny efitra iray tao amin'ny Antenimieran-doholona ary nihàran'ny fandrahonana sy ny fiampangana maromaro. Anatin'ity  video ity, novokarin'i Christiane Couto, iray tamin'ireo mpianatra voasambotra , hita ao amin'ny Antenimieran-doholona ireo mpanao fanehoan-kevitra ary ireo mpisahana ny fiambenana manomboka ny asany amin'izy ireo:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowScriptAccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Wxh75vKppBo&color1=0xd6d6d6&color2=0xf0f0f0&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/Wxh75vKppBo&color1=0xd6d6d6&color2=0xf0f0f0&hl=en&feature=player_embedded&fs=1" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ren-tsika ny lehiben'ny mpiambina milaza hoe “ Raha maneho hevitra ato anatin'ny Antenimieran-doholona ianareo, mandeha eto [amin'ity efitra ity]. Izany no sandan'ny fanoherana”. Nanandram-peo ihany koa ireo mpianatra fa norahonana horoahana amin'ny asany izy ireo ary efa saika hogiazana daholo koa ny antontan-taratasin'izy ireo. Maro ireo Loholona niombon-kevitra tamin'ilay hetsika - ary nisy mihitsy aza Mpikambana avy amin'ny Parlemanta Janete Capiberibe izay nisisika ny hijanona miaraka amin'ireo mpaneho hevitra - sy nandresy lahatra ny mpisahana ny filaminana hoe tokony havotsotra izy ireo.
André Dutra [pt], iray tamin'ireo mpaneho hevitra voasambotra, nametraka ilay tranga ho ao anatin'ny vanimpotoanany. Hoy izy miblaogy:
Dentro do Senado, iniciamos nossa manifestação pacífica e logo fomos atacados pela truculenta segurança do Senado. Leões de chácara, resquício da ditadura, protegidos de Sarney. Foram em cima de nossos cartazes, torceram nossos pulsos, deram golpes sutis, acertaram mulheres, inclusive. Rasgaram tudo, mas não tiveram coragem de rasgar minha Constituição. Guardarei esse exemplar para sempre, memória de que ainda há um mínimo de respeito em meu país.
Vantany vao tonga teo amin'ny Antenimieran-doholona, natombokay ny fanehoan-kevitray am-pilaminana ary tampoka teo tonga dia voadarok'ireo mpisahana ny fiambenana mpisetrasetran'ny Antenimiera izahay. Ireo mpiandry varavarana [Bouncers - videurs], sisam-patin'ny mpanao jadona, ireo olon'i Sarney. Lasa naka ny sora-baventinay ry zareo, namolaka ny hato-tànananay, namely mora anay, ary isan'izany ny vehivavy. Norovidrovitin-dry zareo daholo ny zavatra rehetra, saingy tsy nanam-pahasahiana handrovitra ny Lalampanorenana tety amiko kosa ry zareo. Hataoko tsara tahiry ity dika mitovy ity; ho fahatsiarovana fa mbola mba nisy fanajàna kely ihany teto amin'ny fireneko.
Tranga be mpahalàla eo amin'ny tontolon'ny blaogy Breziliana sy eny anivon'ireo mpampiasa Twitter izy ity noho ny fanentanana ho fandàvana an'i  José Sarney mitombo isam-bolana izao. Nisarika ny sain'ireo mpitoraka blaogy malaza toa an-dry  Marcelo TAS [pt], anarana fantatry ny maro tsy zoviana amin'ny tontolon'ny blaogy Breziliana sy ny CQC, mpanolotra vaovao be vazivazy ao  amina fahitalavitra  (mitovy amin'ilay “izay alehany any dia alehany” [“No Matter the Cost”] amin'ny teny  Portigey).  Hoy izy maneho [pt] ny fahatsapàny momba ity tranga ity:
Afinal existe ou não liberdade de expressão no país? […] Este blog apóia a liberdade de expressão e acredita que essa gentalha só aprende na base da pressão. Fora Sarney, reforma política já e vamos preparar os corações e mentes para varrer esses vermes nas Eleições 2010!
Na eo aza izany rehetra izany, misy fahalalàhana miteny ve eto amin'ity firenena ity? […] Ity blaogy ity dia manohana ny fahalalàhana miteny aho ary mino fa hahay handray lesona ilay gaigy ity rehefa ihàran'ny tsindry izy ireo. Ndeha mipitsika any, ry Sarney a;  fiovam-penitra ara-politika izao ary ndeha hanomana ny fo sy ny saintsika isika hamàfa ireny kankana ireny amin'ny fotoam-pifidianan'ny 2010!
“Ndeha mipitsika any, ry Sarney a” sora-baventy iray  maneho ny tetiandron'ny mpanohitra manerana an'i Brezila. Loharano: blaogin'i Marcelo Tas
Ny blaogin'i Luciana Capiberibe [pt] dia namoaka lahatsoratra iray momba ny fomba fikirakiran'ny mpampita vaovao ao an-toerana ity olana ity. Araka ny  A Gazeta, gazety an-tsoratra iray avy any Amapá, dia toa manadihady amin'izao fotoana izao ny Polisin'ny Antenimieran-doholona momba izay fandraisan'anjaran'ny  MP Janete Capiberibe tamin'ny fikarakarana ilay hetsi-panoherana, iampangàna ny  MP ho nanome  R$ 40 (eo amin'ny  US$ 21) ho an'ireo mpianatra, mba hahatonga azy ireo handray anjara amin'ilay fanehoan-kevitra. Ilay mpitoraka blaogy dia namoaka sary avy amin'ny lohateny lehiben'ny gazety an-tsoratra ary nasiany anarana:
Jornal A Gazeta, ligado a Sarney no Amapá, faz acusações infundadas
A Gazeta Newspaper, misy rohy mitondra ho any amin'i José Sarney ao  [amin'ny fanjakan'i] Amapá, dia manao fiampangana tsy mitombina.
Francis Pessoa nanamarika ao amin'ny blaogin'i  Luciana Capiberibe tery ambony, amin'ny fanampiana fa [pt]:
[…] Interessante como a “IMPRENSA” amapaense funciona. Algum tempo atrás, uns que nesse jornal está, faziam parte do outro jornaléco diário. Hoje eles estão do outro lado e dizem que este (jornaléco) é o melhor, o mais importante, o mais lido periódico do Amapá. Mentem. O jornaléco é doado para reciclagem na lixeira pública.
Torço para que cada brasileiro tenha em casa um computador e INTERNET. Quando esse dia chegar, muito desses jornalécos pilantras irão sair de circulação e o cidadão terá acesso (democreticamente)as informações verdadeiras. E vocês, pilantras da “IMPRENSA” não terão mais vez…
Só faltava essa!!! Dirigentes do jornaléco, vocês pensam que somos idiótas? Estamos acompanhando tudo pela INTERNET, SITE’s, BLOG’s, TWITTER e por jornalista sérios de Belém do Pará, Brasília, São Paulo e outros. Mas o fim de vocês está próximo, não perdem por esperar…
[…] Mahavariana ny fomba fiasan'ny “GAZETY” ao Amapá. Fotoana vitsy tany aloha tany, ny sasany tamin'ireo miasa amin'ity gazety an-tsoratra ity no zatra niasa ho ana  “taratasy fifirana” iray hafa. Ankehitriny any amin'ny ilany indray ry zalahy dia milaza fa izy no tena mahery, ny manan-danja sy gazety tena be mpamaky indrindra ao Amapá. Mpandainga ireo. Ny “taratasy fifirana” dia atsipy any anaty fanariam-pako eny an-dalambe mba haverina haodina indray.Antenaiko ny Breziliana rehetra mba hanana solosaina azy manokana avy sy fahafahana miditra amin'ny ATERNETO. Rehefa tonga izay andro izay, maro amin'ireo mpisandoka “taratasy fifirana” ireo no hitsahatra tsy hivezivezy intsony ary ny vahoaka dia hahita varavarana misokatra (amin'ny fomba demokratika) mankamin'ny fahamarinana. Ary ianareo, “GAZETY” voalavo mpisandoka, tsy hanam-bintana intsony…
Izany ihany no ilaintsika! Ry mpanonta gazety, heverinareo ho kentrina ve ‘zahay? Manaraka ny zavatra rehetra amin'ny ATERINETO izahay, ny VOHIKALA, ny BLAOGY, ny TWITTER ary ireo mpanao gazety matotra avy any Belém do Pará, Brasília, São Paulo sy ny [fanjakana] hafa maro koa. Saingy efa antomotra ny andronareo, ary ianareo no naniry hahatongavan'izany…
Ny fanehoan-kevitra ampilaminana hikatsahana ny rariny sy ny fahalalàhana miteny ary hanoherana ny kolikoly eo amin'ny governemanta dia raisina ho heloka bevava ao anatin'ny Brezila ankehitrio. Tsavkko - The Angry Brazilian [pt] mitanisa tranga maro mifandraika amin'ity maneraka ny firenena, ary manampy:
O que se vê é um processo - aparentemente irreversível - de criminalização e perseguição aos Movimentos Sociais, além de uma truculência absurda contra as liberdades do povo, contra o direito de protestar, reclamar e se manifestar. Abusos são constamentente cometidos pelas “forças de segurança”, provadas ou estatais, e nada nunca é feito.
A ditadura acabou quando mesmo?
Ny zavatra hitantsika izao dia endrika iray tsy azo ovana amin'ny fanaovana antsojay sy ny fanaovana heloka bevava amin'ireo Hetsika Sosialy, ho fanampin'ny herisetra mahamenatra manohitra ny fahalalàhan'ny vahoaka, ny zon'izy ireo hanohitra, hitaraina sy haneho hevitra. Ny fanararaotana dia matetika avy amin'ny  ‘hery mpitandro filaminana', na izany sivily na avy amin'ny fanjakana, ary tsy misy na inona na inona atao hanakanana azy ireo.Rahoviana no hifarana marina ny jadona?
André Dutra manandratra ny taratasy misy ny  “Ndeha mipitsika any, ry Sarney a!”.
Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika
Sary nalain'i marcbraz ao amin'ny Flickr
Asa sarotra ny fitantanana ny fako ho an'ny firenena maro, na ireo firenena mandroso izany na ireo an-dalam-pandrosoana. Any Brezila, 10 isan-jaton'ireo tanàn-dehibe ihany no manana lamina azy  manokana ho  fikarakarana ny fako azo ahodina, raha araka ny ambaran'i André Trigueiro, mpanao gazety, profesora ary mpanadihady ao amin'ny CBN Radio Network.
Nandritra ny herinandro vitsivitsy farany teo, ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana natolotra tany amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana dia niteraka resa-be teo amin’ireo mpitoraka blaogy Breziliana manokana noho ny fanovana natao tamin’ny andininy faha-33, miresaka momba ny toerana tsy maintsy atao handraisana ireo fako naverina sy ny hanodinana ireo fako voasokajy manokana , izay tsy mametraka intsony ireo fitaovana elektronika ho isan'ireny. Maro ny olona no mieritreritra fa izany dia noho ny tsindry  ataon’ireo orinasa mpanodina fako sasany, noho  ny halafon'ny fikirakirana ireny fako elektronika ireny.
Fanehoan-kevitra noho ny  fanovana ilay lalàna, ny Coletivo Lixo Eletrônico (Vondrona momba ny Fako Elektronika) dia nanangana ny Manifeste ho an’ny Fako Elektronika [pt] mba hizaràna fomba fijery ny mety ho fandraisan’ny mponina Breziliana ny toerana raisin'ny fako eletronika ao anatin'ity Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana ity manoloana ny  fombam-piainany. Ity misy ampahany amin’ilay Manifesto:
No Brasil, temos uma oportunidade hoje que está sendo desperdiçada. Tramita na Câmara dos Deputados o Projeto de Lei da Política Nacional dos Resíduos Sólidos (PL 203/91). É imperativo que a Política Nacional de Resíduos Sólidos contemple os equipamentos eletro-eletrônicos e que estes sejam enquadrados como produtos especiais de logística reversa e reciclagem obrigatória. Os eletro-eletrônicos estarão cada vez mais presentes na nossa vida, trazendo benefícios na mesma velocidade em que produzem mais lixo com o qual ainda não lidamos corretamente. Regulamentar sua destinação é condição urgente e necessária para que possamos continuar a nos beneficiar dos avanços da tecnologia de maneira sustentável, sem pagar um alto preço ambiental e à saúde de nossa população.
Any Brezila, manana vàhana iray isika nefa toa lanilany foana ara-bakiteny izany. Iadiana hevitra any amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana izao ny lalàna momba ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana  (PL 203/91). Ilaina dia ilaina tokoa raha ny pôlitika toy izao hijery ny fitaovana elektronika sy handray azy ireo ho vokatra manokana mila fitsimponana sy famerenana. Matetika ireo vokatra elektronika no lasa ampahan’ny fiainantsika, mitondra tombontsoa nefa koa lasa fako amin’ny hafainganana mbola tsy voafehintsika. Fepetra ilaina sy tsy maintsy ataontsika ny fandrindràna  sy ny famaritana ny lalan-kizoran’ireny vokatra elektronika ireny mba hahazoana tombontsoa avy amin’ny fandrosoana teknolojika amina lamaody maharitra, nefa tsy ho fatiantoka be ho an'ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana.
Azo jerena ao amin’ny  blaogiko manokana ilay lahatsoratra feno voadika momba ilay Manifeste.
Nandritra ny resadresaka iray [pt] ao amin’ny blaogy Primeira Mão (First Handed), Felipe Andueza, avy ao amin’ny blaogy Fako Elektronika, iray amin’ireo tompon’andraikitry ny Manifeste, dia namaly toy izao rehefa nanontaniana ny fomba fikarakaran’i Brezila ny fako elektronika:
Na esfera federal, há somente a Lei de Crimes Ambientais, que institui a responsabilidade até a deposição adequada de todos os produtos potencialmente contaminantes por seus fabricantes e algumas Resoluções CONAMA sobre pilhas e baterias. […] Boa parte deve parar no lixo doméstico, principalmente o que não pode ser doado, reaproveitado e etc. Estima-se que mais ou menos 1% do lixo eletrônico produzido no Brasil seja reciclado, somente.
Eo amin’ny sehatra nasionaly, ny Lalàna ho an’ny Heloka amin’ny Tontolo Iainana ihany no mbola misy sy mametra ny  andraikitra eo amin’ny vokatra misy poizina mandra-pikarakara azy ireo araka ny tokony ho izy, ary misy vahaolana vitsivitsy ho an’ny vatoaratra avy amin’ny komitim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. […] Ny ampahany betsaka amin’ny karazana fitaovana toy ity dia mifarana any amin’ny fanariam-pakom-pokonolona, indrindra indrindra ireo izay tsy afaka atolotra na averina ampiasaina. Novinavinaina fa eo amin’ny 1 isan-jaton’ny fako elektronikan’i Brezila ihany no voaodina amin’izao fotoana izao.
Raha mitombo hatrany ny fangatahana fanodinana manokana [recyclage],  tsy mitondra an’i Brezila any amina làlana tsy mifanaraka amin’ny fitomboan'ny mponina sy ny  ara-toe-karena kosa ilay fanitsiana ny lalàna. Tsara koa ny manamarika fa, ho an’ny olona maro, ireo toerana  ho fandraisana ireo vokatra eletronika dia mety ho làlana tsara ho fandrisihana tetik’asa firotsahana an-tsehatra ara-‘digital'   amin’ny fangalàna tombon-tsoa avy amin’ireo vokatra elektronika izay mbola mandeha tsara.
Mba hahazoana fanohanana ho an’ity Manifeste ity dia nisy fanangonan-tsonia amin’ny aterineto noforonina ary efa manangona mpanohana tsikelikely avy amin’ny aterineto Breziliana. Ilaina ny mampita haingana ny hafatra hanerana ny tany satria mety ho voafidy miaraka amin’ilay fanovana tsy mifanaraka amin’ny tontolo iainana ilay lalàna, nefa ny haino aman-jery manjaka any an-toerana dia tsy nanitatra lavitra an’io resaka io.
Sary avy amin’ilay mpampiasa Flickr, Galeria de Milton Jung CBNSP
Anaty tsikera iray ao amin’ilay blaogy Hetsika ho an’ny Fako Elektronika [Electronic Waste Manifesto], Walfrido Assunção dia nahatsiaro fotoana iray izay nanariana ny kodiarana teny rehetra teny, toy ny renirano, nefa tsy nahasarika akory ny mason’ireo mpandalina tontolo iainana sy ny mponina; ary mitondra [pt] fanamarihana mahaliana iray, hoy izy:
[…] Quem de nós não tem no porão, na garagem ou numa prateleira qualquer um televisor ou computador obsoleto “esquecido”? Quem de nós não tem um (ou vários) telefone celular obsoleto em uma gaveta qualquer? Esses eletro-eletrônicos hoje que são “parte da paisagem ou da decoração”, no futuro não muito distante se tornarão também num preocupante passivo.
[…] Iza amintsika no tsy manana vata fahitalavitra na solosaina tsy miasa ary nariana any amin’ny fitoeran-korontana [lakavy], garazy na ‘armoire’? Iza no tsy manana finday antitra iray (na maro) any anatyvata sarihana any?  Ireny fitaovana elektronika ireny izay “ampahany amin’ny haingo-trano” amin’izao fotoana izao dia hivadika ho andraikitra mampatahotra aoriana kely ao.
Mizara ny heviny koa i Karine Estevam ao amin'ilay lahatsoratry ny blaogin’ny hetsika ary miteny fa:
Achei maravilhosa esta iniciativa de fazer o Manifesto, afinal precisamos participar incisivamente do processo de formação das Politas Publicas Ambientais.
O lixo é uma questão muito seria e extramamente relevante, principalmente este tipo de lixo já que não se tem ideia do período de decomposição e por isso deve-se buscar alternativas para o seu descarte.
Vou assinar com todo prazer!
Hitako fa tsara be ny fanapahan-kevitra hamorona ilay hetsika , sady isika koa tokony mandray anjara mavitrika amin’ny tetik’asa famoronana pôlitika iraisana momba ny tontolo iainana.
Olana matotra sy tena manahirana ny fako; indrindra indrindra ny karazam-pitaovana toy itony, satria tsy fantatsika ny taha-pahalevonan'izy ireny, ary izany no antony ilantsika mahita vahaolana hafa hikarakarana azy ireny.
Amim-pifaliana no hanasoniavako an'ity!
Manome ny heviny momba izany i Celedo miaraka amina teboka  petraka, ary , manoritra  [pt] fa:
O mundo está uma verdadeira imundície!
O lixo diário e por vezes lixo por segundo (nova medida de lixo/tempo) é produzido pelo consumismo exacerbado da humanidade… espero que não sejamos omissos neste caso de importância mundial!
Tena maloto mihitsy ity tany ity ankehitriny!
Ny fako andavanandro, amin'ny tranga sasany ny famokarana fako isan-tsegondra (mari-pandrefesana vaovao ny taham-pitomboan’ny fako), dia vokatry ny fanjifàna(?) [consumerism] diso tafahoatra ataon'ny olombelona… Manantena aho fa tsy hangina fotsiny isika manoloana ny olana goavana itambaram-be tahaka izao!
Raha fintinina izany, ny fitadiavana fomba fandrindràna ireo fako avy amin'ny indostria elektronika dia tahaka ny manome soso-kevitra sy mamorona fomba fiaina maharitra sy fomba fanodinana  ireo fitaovana elektronika. Na ny ‘cyberactivism' na ny fandraisana anjara amin'ny aterineto dia samy manaitra ny fahatsiarovan-tena ny amin'ny filan'ny vahoaka izay itsahan'ny tombontsoan'ireo indostria ara-toe-karena ankehitriny amin'izao fotoana izao.
Angola : Nisy namono ny solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko matanjaka iray
Notairin'ny herisetra indray i Angola ny alin'ny faha-29 volana Jolay lasa teo. Notifirin'ny olona telo lahy tany amin'ny sisin'ny renivohitra Luanda i Beatriz Salucombo, solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko politika mitondra MPLA sy ny anadahiny Antonio Neves, tompon'andraikitra ao amin'ny sampana mikarakara ireo vahiny sy mpifindra monina (SME). Bala maro no nahazo azy ireo tamin'izany teo ivelan'ny tranon'i Beatriz Salucombo.
Mazava ho azy fa nanaitra ny Angole ity raharaha ity, ary maro ny fahasorenana hita manoloana izao herisetra izao indray. I Jotace Caranca avy ao amin'ny Pensar e Falar Angola [pt] no mitantara ny fandevenana tao Alto das Cruzes ao Luanda toy izao :
Filhos e outros parentes, deputados, magistrados e militares, amigos e familiares da deputada reuniram-se no Alto das Cruzes para prestar-lhe a última homenagem, num clima de consternação. (…)
Na sua mensagem, os filhos da malograda enalteceram o exemplo de coragem e resistência face às adversidades da vida, bem como de outros valores éticos e morais que a mãe lhes incutiu durante a sua convivência com os mesmos.
No elogio fúnebre, destacou-se a participação activa de Beatriz Salucombo nas acções de luta clandestina contra o colonialismo português, particularmente no apoio aos guerrilheiros do MPLA na zona da Lunda Sul.
O elogio fúnebre referiu o seu percurso político, “cheio de grandes feitos, revela bem a sua militância e entrega total aos ideais do MPLA e em prol da defesa da paz, da democracia, justiça social e do desenvolvimento de Angola”.
Zanaka sy havana hafa, solombavambahoaka, mpitsara sy miaramila, namana sy fianakavian'ity solombavam-bahoaka [novonoina] ity no tonga nanome voninahitra azy tao Alto das Cruzes. […] Tao amin'ny lahateniny no nideran'ny zanany ny faherezana sy ny soatoavina isan-karazany izay nampianaranin'ity reniny azy ireo manoloana ny adim-piainana.
Ny ady nataon'i Beatriz Salucombo hanoherana ny “fanjanahana”, indrindra hanohanana ny mpiady MPLA tao amin'ny faritry Lunda Sul kosa no nivohitra tamin'ny fankasitrahana azy.
“Nahavita zavatra betsaka, nampiseho fahafoizan-tena tanteraka hahatrarana ny tanjon'ny MPLA sy fitandroana ny fandriam-pahalemana, demokrasia ary fahamarinana sy ny fandrosoana ao Angola” moa no namaritana ny lalana nizorany tamin'ny politika.
Fanontaniana roa no tonga ao an-tsaina manoloana izao famonoana solom-bavambahoaka sy ny anadahiny izao. Tena ny famonoana azy ireo ve no tanjona, sa ny hangalatra fotsiny ? Tsy nisy naka nefa ny fiara nitondra an'i Beatriz Salucombo, ary tsy nisy porofo fa nisy naka ny entany. Araka ny nolazain'izy telo lahy, voarohirohin'ny polisim-pirenena any an-toerena rehefa avy nifanenjahana eran'ny renivohitra tamin'ny Zoma lasa teo nefa, dia ny hakana ny fiara no antony namonoany azy mianadahy. Maty noho ny fifampitifirana tamin'ireo polisy moa ny roa tamin'ireo voarohirohy.
Maneho ny fiaraha-miory amin'ny fianankaviana i Eugenio da Costa Almeida avy ao amin'ny Pululu [pt], ary mametraka ny fanontaniana : Inona no tena tanjona ?
(A minha homenagem e o meu lamento)
A deputada Beatriz Salucombo, eleita nas listas do MPLA pelo círculo Nacional (foi a 105ª), foi alvejada a tiro na noite de quarta e terá falecido hoje na sequência dos disparos; deplora-se, veementemente, este assassinato, não só porque coloca em causa a ideia de segurança que se deseja para o País, nomeadamente, em vésperas do CAN 2010 como pelo facto de ter ocorrido na véspera de mais um Dia da Mulher Africana.
Mas será que o alvo era a deputada ou terá sido uma vítima colateral?
Segundo as notícias veiculadas pelos diferentes meios de Comunicação Social, também o seu irmão, que ter-lhe-ia dado boleia para casa, terá igualmente sucumbido aos tiros que teriam vindo de pessoas que se fariam transportar num todo-terreno.
É que, só por mero acaso(?), o irmão era só o superintendente-chefe, António Neves, dos Serviços de Migração e Estrangeiros (SME) entidade que, ultimamente, tem andado muito activa “devolução” de ilegais (como os ocorridos, no Lubango, já este mês).
Mas também não se deve esquecer o impacto nunca deveras esclarecido da detenção de alguns funcionários, em 2005, como terão escrito, há época, o AngoNotícias citando o VOA, e a Panapress. E, não me recordo, nem a Internet o mostra, de se saber mais do assunto…
Já agora, talvez que a morte da desditosa deputada possa ajudar a esclarecer também a morte de outro antigo deputado professor-engenheiro M´fulupinga N’Landu Victor, do PDP-ANA, acontecida já há 5 anos, e que, se a memória não me falha, e apesar das autoridades afirmarem que o caso não está esquecido não me recordo de o ver clarificado e o(s) autor(es) detido(s) e julgado(s).
Coincidências, claro!!
(Maneho ny fiombonan'alahelo amin'izao fahalasanany izao)
Nisy nitifitra tamin'ny Alarobia alina teo i Beatriz Salucombo, olom-boafidy avy ao amin'ny antoko MPLA (faha-105 amin'ireo nofidiana izy), ary nodimandry androany noho ny tifitra nahazo azy. Mampalahelo izao namonoana azy izao satria mampametra-panontaniana ny fandriampahalemana izay tena ilain'ity firenena ity, indrindra manoloana ny CAN 2010, sady nitranga ny andro mialoha ny fankalazana ny Andron'ny Vehivavy Afrikana.
Tena izy tokoa ve tiana novonoina tamin'iny fanafihana iny, sa tra-boina ihany izy ?
Araka ny voalaza amin'ny filazam-baovao isan-karazany, sy araka ny nolazain'ny anadahiny izy nanatitra azy tany an-tranony, dia nisy olona tao anaty 4X4 koa nitifitra azy.
Fifandrifian-javatra fotsiny ve (?) raha tsy olona hafa ny anadahiny fa i Antonio Neves, mpiasa ao amin'ny sampana mikarakara ny fifindra-monina (SME), vondrona izay niasa mafy tato ho ato hampihenana ny fifindra-monina tsy manara-dalana (toy ny tao Lubango tamin'ny voalohandohan'ity volana ity.)
Tsy tokony ho adinoina ihany koa ny vokatry ny fampiatoana mpiasa sasan-tsasany tamin'ny 2005 izay tsy nitondrana fanazavana tsara akory, araka ny nitantaran'ny AngoNoticias azy tamin'izany, nalainy avy ao amin'ny VOA sy ny Panapress. Tsy mahatadidy fanazavana nomena mikasika iny raharaha iny aho, ary tsy afaka miditra lalina kokoa amin'iny ny Aterineto …
Angamba mety hitondra fanazavana bebe kokoa tamin'ny nahafatesan'i M'fulupinga N'Landu Victor, solom-bavambahoaka koa fa avy ao amin'ny antoko PDP-ANA, dimy taona lasa izay ity raharaha ity. Raha tsy diso ny fitadidiako, na dia miteny aza ireo manam-pahefana fa mbola mitohy ny famotorana dia tsy mbola nifarana izany ary tsy mbola nisy olona nentina teny amin'ny fitsarana.
Fifandrifian-javatra, mazava ho azy.
Tsy misy tokony hanala ain'olona, hoy i Cazimar ao amin'ny Africa Minha [pt], nefa mino izy fa ireo mpamono olona amin'ity raharaha ity dia sady mpanao ratsy no niharam-boina. Famonoana olona efa nomanina no fahitany ity tranga ity :
Estão a culpar os Jovens Bandidos, quando por detrás deste cenário, pode(m) estar adultos bandidos influentes(ricos), envolvidos em negociatas obscuras mal resolvidas, que resolveram usar os jovens por encomenda, para resolverem a negociata. É sabido, que a criminalidade, principalmente em Luanda, é elevada, devido às desigualdades sociais.Uns com Excesso de Riqueza(10%), outros com Excesso de Pobreza (90%).Perante este cenário, é normal que por meia dúzia de Kwanzas, os jovens bandidos, aceitem executar o trabalhinho sujo dos adultos bandidos influentes(ricos).A vida está difícil para o angolano e para o calcinha do Kaluanda, que todos os dias olha ao seu redor, e só vê edíficios e outros bens de luxo a erguerem-se e a passarem à sua frente, e ele com os bolsos vazios e esfomeado, deambulando pelas ruas, sem trabalho.Quando o trabalho existe, é mal pago e explorado (lembram-se quando diziam que os portugueses exploravam o angolano.Agora, quem os explora são tantos e está tudo bem…uma maravilha para o angolano bandido influente).O kaluanda, tem que fazer pela vida.Nem que seja roubar o bandido rico.
E se, os jovens bandidos, que acusam, fizerem parte dos 15.000 angolanos recentemente desalojados.
Qual é, o maior crime?
Tirar o tecto a 15.000 angolanos carenciados, ou tirar a vida a dois angolanos priveligeados?
Responda quem souber e puder
Ireo jiolahy tanora no voahenjika indrindra, saingy mety misy olon-dehibe (sady mpanan-karena) ao ambadika, manao afera maizina ka niantso ireo tanora ireo hanatanteraka ny famonoana olona mba hahafahany manao ny asa-ratsiny. Iaraha-mahalala fa manjaka eto Luanda ny herisetra noho ny tsy fitoviana ara-tsosialy sy ekonomika. Misy vitsy an'isa manan-karena be loatra (10%) ; ary ny ambiny mahantra (90%). Amin'ny zavatra tahaka izao dia efa mahazatra ireo tanora manaiky manao ny habibiana takian'ireo olon-dehibe mpanao ratsy rehefa mahazo Kwanzas [Vola ao Angola]. Sarotra ny fiainana ho an'ny mponina ao Angola sy ireo tanora ao Luanda, izay mahita ireo trano be mirentireny sy ny toerana hafa maniry etsy sy eroa, nefa ny paosiny foana, ny kibo noana ary izy tsy an'asa. Ny asa mba misy dia kely karama daholo na manararoatra be loatra (tadidinareo ve taloha ny fitenenana hoe nararaotin'ireo Portogay ny Angolana ? Amini'zao dia maro ny manararaotra nefa toa tsy mampihetsi-bolo-maso na iza na iza ; manao izay tiany atao ireo mpanao ratsy.) Tsy maintsy mitady izay hohaniny ny Luandey, na dia hifarana amin'ny fangalarana amin'ny mpanan-karena aza izany.
Ary raha isan'ireo 15000 nafindra monina ireo voharohirohy ?
Inona no heloka lehibe kokoa ?
Ny maka ny tafon'ireo Angolana mahantra miisa 15000, sa ny mamono ireo niangarana roa ?
Mba valio raha afaka ianao.
Mpampianatra taloha ary lany ho solombavambahoaka tamin'ny 2008 i Beatriz Salucombo. Mpikambana tao amin'ny Vovonam-pirenena misahana ny Fanabeazana, Siansa sy Teknolojia, Kolotsaina, Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, Finoana sy ny Fifandraisana ara-tsosialy izy.
Brezila: fahatsiarovana an'i Ayrton Senna, Tompondaka F1 tsy nety resy
“Ayrton Senna da Silva. Velona tsy mety resy, maty tsy misy mahasolo voasolo”, hoy ny iray amin'ireo vohikala maro mahatsiaro ilay intelo tompondaka erantany tamin'ny Formule 1, ary nanohina an'i Brezila sy izao tontolo izao ny fahafatesany tamin'ny voalohan'ny volana mey 1994. Nitari-dalana nandritra ny Grand Prix de San Marino 1994, tsy nahafehy ny fiara nentiny i Senna ka nampisosa azy teo amin'ny fiolahan'i Tamburello. Niteraka alahelo lehibe teo amin'ny mpankafy azy ny fahafatesany,raha vao 34 taona monja izy ka mbola isaonany hatrany 15 taona aty aoriana.
“Raha sanatria tratran'ny lozam-piarakodia mety hiantraika amin'ny aiko aho, iriko raha tonga dia maty aho. Tsy tiako ny hotarihina amin'ny seza misy kodiarana. Tsy tiako ny hijalijaly any amin'ny hopitaly amin'ny karazan-dratra na voina rehetra. Raha mbola miaina aho, dia aleoko miaina izany manontolo, feno sy mavitrika, satria olona mavitrika aho. Manimba ny fiainako raha miaina tapatapany aho.”
Ny anaran'i Ayrton Senna amin'izao fotoana izao no anisan'ny be mpametraka indrindra ao amin'ny Andavanandro breziliana ao amin'ny Twitter. @biellebrunner ohatra namoaka sary iray mampiseho ny famangiana nataony teo amin'ny tsangambato teo amin'ny toerana nahafatesan'i Senna, teo amin'ny fiolahan'i Tamburello. Vinicius Cordeiro [pt] tamin'ny fiandohan'ny herinandro no iray tamin'ny nahatsiaro ny fahafatesany voalohany tamn'ity taona ity. Hoy izy hoe:
Toda vez que 1º de maio se aproxima, meu coração fica apertado: mais um ano sem Ayrton Senna… Eu estava vendo aquela corrida. :'(
Feno ny foko isaky ny manatona ny voalohan'ny volana mey:  taona iray hafa tsy misy an'i Ayrton Senna indray… nanatrika ny hazakazaka aho tamin'iny fotoana iny. :'(
Tsy irery i Cordeiro mijery fahitalavitra indray alahady izay maizina indrindra teo amin'ny tantaran'i Brezila. Nahita ny fahafatesan'ilay Aotrishiana Roland Ratzenberger i Imola iray andro monja mialoha ny loza nahazo an'i Senna. Tsy misy very ao amin'ny fahatsiarovan'ny olona maro ny sary, ny fialan'aina, ny hirifiry niainana. Hoy i Guilherme Tsubota [pt] mahatsiahy ity andro mahory ity:
O dia da sua morte, infeliz coincidência também do aniversário da minha mãe, foi um dos piores que já vivi. Lembro da empolgação e da certeza que a partir daquele GP de Ímola o Ayrton ia virar o jogo sobre o “alemão”, e como sempre acordei cedo para ver a corrida.
Sentei no sofá e ali fiquei o resto do dia, acompanhando atônito a todas as notícias. Convidados do aniversário?!? Não vi ninguém entrar e sair, não lembro de ter falado com ninguém. Só lembro das imagens e notícias que a Rede Globo disponibilizava sobre o acidente do Senna.
Os dias seguintes viraram história, e qualquer pessoa daquela geração, principalmente os paulistantos, lembram-se de como a cidade parou para homenageá-lo. Impressionante, coisa nunca vista antes.
Andro ratsy indrindra tamin'ny fiainako ny fahafatesany, izay indrisy nifanandrify indrindra tamin'ny vaninandro ahatsiarovana ny nahaterahan'ny reniko. Tsaroako ny fahataitairana sy ny fitokisana fa amin'ity Loka lehiben'i Imola ity, dia hahasongona ilay “Rainiboto” i Ayrton, ary araka ny mahazatra dia nifoha maraina aho hijery ny fifaninanana. nipetraka teo amin'ny sezalava aho nandritra ny tontolo andro, nanaraka ny  sombim-baovao rehetra tamim-pahagagana. Aniveriseran'ny vahiny? Tsy nahare izay fahatongavana na fahalasanan'ny hafa aho, tsy tadidiko akory ho niresaka taman'olona aza aho. Ny hany tsaroako dia ny sary sy ny tantara navoakan'ny Globo TV broadcast momba ny loza nahazo an'i Senna.
Niditra ho tantara ny andro manaraka, ary nahatsiaro izay rehetra niaina tamin'iny fotoana iny, indrindra ny avy any São Paulo, hoe tahaka ny ahoana ny niatoan'ny tanàna ho fanajana azy. Tena nahavariana, zavatra tsy mbola hitako mihitsy nialoha io fotoana io.
“Any andro iray, mandritra ny toe-javatra iray, mieritreritra ianao fa manam-petra. Ary dia manatratra io fetra io ianao ka tratranao izany, dia hoy ianao, ‘Okay, hatreto ny fetra.' raha vao tratranao io fetra io, dia misy zava-mitranga ary dia mbola afa-mihoatra kely tampoka ianao. Miaraka amin'ny herintsainao, fikirizanao, herimponao sy ny traikefanao mazava loatra, dia afa-misidina avo ianao”
Nanararaotra nahatsiaro ny rainy izay fan(ina) an'i Senna sady misy fifanandrifian-javatra mahagaga mampanakaiky ny rainy amin'ny maherifony i Eduardo P.L [pt]. Ho an'ity mpamaham-bolongana ity dia kamban'alahelo no iainany:
Num sábado, há 15 nos atrás, eu estava num restaurante almoçando, quando fui avisado pelo telefone, que meu pai falecera! Fui para o apartamento dos meus pais, e com minha mãe e irmãos, uns poucos amigos e familiares enterramos o Dr. Santo. No domingo seguinte, portanto um dia depois, morre o Senna. Até aí só uma triste coincidência. Uma semana após chega o corpo ao Brasil, é velado e enterrado no mesmo cemitério, ao lado da tumba do meu pai. Onde estiverem, estão juntos como gostaria meu pai.
Indray Asabotsy, 15 taona lasa izay, teo ampisakafoanana tao amin'ny restaurant iray no naharay antso nilaza fa maty ny raiko! Nankany an-tokatranon'ny ray aman-dreniko aho, dia nandevina an'i dokotera Santo izaho sy ny reniko, ny mpiray tampo amiko, namana sy olompantatra vitsivitsy. Tonga ny alahady, izany hoe andro iray taty aoriana, maty i Senna.  Raha heverina, fifanandrifian-javatra mampalahelo. Herinandro taty aoriana dia tonga teto Brezila ny razana, ary taorian'ny fiandrasam-paty dia nalevina teo anilan'ny fasan-draiko izy, miray tokotanim-pasana ry zareo. Na aiza na aiza misy azy ireo, miara-dalana izy ireo tahaka izay notadiavin'ny raiko.
Ricardo Vieira [pt] no manazava ny tsy fahafaha-mionon'ny olona anarivoarivony teo ampahalasanan'i Senna:
A partir daquele fatídico domingo, Senna deixou milhões de órfãos, inclusive eu, de suas alegrias, de seu exemplo de vida, de sua determinação profissional e seu maior do moral: a humildade. (…)
Apesar da triste lembrança, apesar da saudade, temos muitos motivos para reverenciar a vida e a obra de Senna.
Namela olona an'arivoarivony, ary anisany aho,  ho kamboty ny fifaliany, ny ohatry ny fiainany, ny asany sy ny fahazotoany ary ny ngeza indrindra tamin'ny hatsarany dia ny fanetretenany i Senna tamin'ity alahady tsy azo nivalozana ity. (…)
Na dia eo aza ny fahatsiarovana mampalahelo, na eo aza ny embona, dia manana antony maro hanajana ny fiainana sy ny asan'i Senna isika.
15 taona no lasa, fa nasehon'ny Birao Breziliana misahana ny antotanisa sy ny fitsapana ny hevitry ny olona fa i Ayrton Senna hatrany no be mpankafy indrindra eny fa na dia ho an'ireo taranaka taty aoriana tsy nahalala azy fahavelony sy nanaraka ny asany aza: manakaiky ny 400 ny tanora anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 19 taona no saiky niteny avokoa fa i Senna no mpanao fanatanjahantena ankafiziny indrindra. Tahaka an'i Pele, dia  nanome faharisihana ny Breziliana hanana fanajana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Senna. Eo anatrehan'izany dia mino i  Alan Ferraz [pt] fa ny lova tsara indrindra napetrak'i Senna dia ny nahafahan'ny Breziliana mirehareha. Mihetsi-po izy eo am-pahatsiarovana azy:
Enquanto escrevia esse post não pude conter as lágrimas, mesmo após 15 anos. Acredito que isso se repita em todos os que amam a fórmula 1 e que foram apunhalados pelo destino com a partida de nosso eterno campeão.
Dia 1 de maio de 1994 estará para sempre na mente de todos que após esse dia não puderam mais ouvir o: Ayrton, Ayrton, AYRTON SENNA DO BRASIL.
Tsy tanako ny ranomasoko eto ampanoratana, na dia 15 taona aty aoriana aza. Mino aho fa ho tahaka izany avokoa ny fahatsapan'ireo tia Formula 1 sy ankona (toy ny voatsatok'antsy) tamin'ny fahalasanan'ilay tompondakanay mandrakizay. Ho fahatsiarovana mipetraka mandrakizay ao an-tsain'ny rehetra tsy nahenoana ny hira manakoako manao hoe: “Ayrton, Ayrton, AYRTON SENNA DO BRASIL” intsony ny ampitso ny voalohan'ny volana mey 1994.
“Ao anatin'ny rako ny mifaninana mihazakazaka (fiarakodia). Anisan'ny tenako, anisan'ny fiainako; io hatrany no ataoko mandritra ny fiainako. Ary io no voalohandaharana mialoha ny zavatra hafa rehetra”
Asehon'ny gazety ho miavonavona sy mpihatakataka, mirona kokoa ho amin'ny fandresena fa tsy amin'ny fiaraha-mientan'ny mpitia fanatanjahantena, nampiady hevitra ihany koa ity mpanamory ity teo anatrehan'ny mpijery. Nefa samy nahatsapa ny rehetra, ary tafiditra amin'izany ny tsy mpankasitraka azy loatra tahaka an'i Wilton Sturm [pt], fa tsy mbola nisy aloha ny tahaka an'i Senna:
Me orgulho de dizer que assisti todas as suas 41 vitórias.
Ficou a impressão de que quando finalmente estava relaxando um pouco, se dando o prazer de apreciar outras coisas que não os champanhes das vitórias, Ayrton Senna se foi.
Hoje, sinto e lamento sua falta. E me esforço para tentar não julgar suas atitudes e sim lembrar suas belas atuações. Nunca fui aquele super “Sennista”, mas costumo dizer que em pista, ou seja, disputando uma corrida de Fórmula 1, Ayrton Senna foi o melhor que eu vi!!! Pretendo um dia visitar seu jazigo e não sei qual será minha reação, mas provavelmente direi “obrigado” pelas grandes corridas, pelas grandes ultrapassagens, pelas grandes vitórias que ele me proporcionou assistir!
Afa-mirehareha aho raha milaza fa nanatrika ny fandresena rehetra nahatratra 41 nataony. Tahaka ny tsapa fa efa nanomboka nanala azy ihany izy, efa niditra tamin'ny fankafizana fahafinaretana ankoatra ny fanapoahana champagne aorian'ny fandresena, dia lasa i Ayrton Senna.
Ankehitriny, banga ny fisiany ary malahelo azy aho. Miezaka aho ny tsy hitsara ny nataony fa hahatsiaro kosa ny zavatra tsara tontosany. Tsy tena  “Sennist” loatra aho hatramin'izay saingy, tiako kosa ny milaza, fa mandritra ny fifaninanana Formula 1 iray, dia i Ayrton Senna no mahery indrindra tamin'izay hitako hatramin'izay! Te-hamangy ny fasany aho indray andro any fa tsy fantatro aloha izay fihetseham-poko, fa angamba aho hiteny hoe “misaotra” tamin'ireny fifaninanana goavana ireny, ny fandresena mahafinaritra nasehony ahy!
Namoaka andian-dahatsoratra manokana ho fahatsiarovana an'i Senna ao anatin'ity voatsonga ity i Ricardo César [pt]:
Primeiro de maio de 2009. São exatamente 15 anos de uma perda sentida até por quem não torcia por ele. Lembranças de quem como eu que acompanhei os 10 anos de sua carreira na F1. Imagens de batalhas e conquistas, de manhã de tarde ou de madrugada.
Lembrança de quem um dia deixou de existir como homem, para renascer como mito, talvez o maior ídolo já produzido por um país carente de heróis. Mais um da Silva como muitos brasileiros que nunca desistem. Aquele que será para sempre o nosso campeão.
Valeu, Ayrton Senna.
Voalohan'ny volana May 2009. 15 taona katroka izay ny fahatsapana fa nilaozana na dia ho an'ireo izay tsy niankim-po taminy aza. Misy ny fahatsiarovan'ny olona, tahaka ahy, izay nanaraka ny hazakazaka nataony hatramin'ny fahafolo taonako. Sarin'ny fifanandrinana sy fandresena, isa-maraina, isa-tolakandro na isan-kariva. Fahatsiarovana olona iray izay nitsahatra indray andro tamin'ny fisiana ho olombelona, fa teraka kosa ho  angano, angamba ny olomanga efa teraka sahady tao amin'ny firenena iray mitady olona mahery fo. Antsoin'ny hafa hoe  ‘da Silva' izay tsy kivy mihitsy, tahaka ny Breziliana maro. Ho tompondakanay izy mandrakizay.
Misaotra anao Ayrton Senna.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/L3vI2lXZxr4&hl=en&fs=1" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/L3vI2lXZxr4&hl=en&fs=1" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Namoaka lahatsarin'ny fotoana tsara indrindra tamin'ny nataon'i Ayrton Senna ny mpampiasa YouTube DONIARIANO, ary nampiarahany tamin'ny hira izay nanakoako isaky ny alahady maraina tany Brezila. Mpampiasa hafa koa i 1958misterLotus1994 namoaka ny lahatsarin'ny Loka Lehibe Belza  1985 izay no tantarain'i  Senna tenany tamin'ny teny anglisy. ny tenin'i Ayrton Senna di notsongaina tao amin'ny Wikiquotes. Ny sary kosa dia nalaina tao amin'ny vohikala AytonSenna.net sady efa azon'ny rehetra  isintonana atontankevitra.
Paula Góes
Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala Breziliana
Herinandro lasa izay, nifoha mba hankafy ny fety goavana  sy manandazan’ny firenena fanao isan-taona ny vahoaka Brezilianina: ny karnavalona izany, na koa hoe, ilay fandaniana goavana eto an-tany izay misintona olona antampitrisany hivoaka an-dalambe an’ny renivotra tsirairay eran’ny firenena. Anisan’ny kolotsaina Eropeana ifangaroan’ny vako-drazana izy ity, samy nahita ny embony, ny lokony sy ny lazan’I Brezil ny Afrikana sy ny Eropeana.
Adinoy ny krizy ara-toekarena eran’izao tontolo izao, na ny krizy isan’andron’I Brazil – karnavalona toy ny mahazatra izany. Ambony noho ny vinavina ary avo noho ny tamin’ny taona lasa ny isan’ny olona sy ny mpizaha tany, izay arahan’ny tahan’ny hari-karena isan-taona. Novinavinaina fa ho 710 000 ny mpizaha tany mety hamangy an’I Rio de Janeiro fotsiny (tamin’ny taona lasa dia nahitana 705 000). Ary noho ny taham-bola miakatra eo amin’ny vola dollar, dia ho betsaka  ireo Breziliana no hanapakevitra hijanona ao an-toerana hanao karnavalo ary hivezivezy ao anatin’ny firenena ihany, raha araka ny tokony ho izy dia matetika no mandany ny fotoanany amin’ny fety any ivelany ry zareo.
Manao fiankanjoana ny olona mandritra ny Karnavalo, manala azy na mamahana angovo avy amin’ilay fotoana izay ekena foana hoe andro tsy fiasana ry zareo. Miisatra sady mijanona ny firenena mandritra ny fankalazana, ary betsaka no miteny hoe manomboka ny taom-baovao ao aorian’ny karnavalo. Tsy azo antoka ny hisian’ny fihomehezana ireo famoronan-tsehatra ataon’ny olona rehefa eo anatrehan’ireo fiankanjoana tsy maontina, na endrika mahatsikaiky sy ireo jery todika mahakasika ny raharaha ao an-toerana sy iraisam-pirenena. Ireto kosa ny sasany amin’ireo sary  tsara indrindra nomen’ny Creative Commons alalana izay naely tao tao anatin’ny Flickr.
Andro “voalohany”, Asabotsy faha-21
Tery ny toerana entina hanodikodinana ny elo! Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alalan’ny Galo da Madrugada ny karnavalo tao Recife, ilay karnavalo mankadiry indrindra antsoina hoe “bloco”, izay mampiseho an-tsary ao anatin’ny Boky Guiness misy ny antontan’izao tontolo izao (The Guiness book of World Records) fa  izy no Karnavalo rodobe an-dalana mankadiry indrindra eto amin’izao tontolo izao. Sarin’I  Felipe Ferreira (FF).
Lehilahy mitafy akanjo vita amin’ny kapoty tao Recife, sarin’I  carlosoliveirareis. Nanome kapoty antapitrisany ny mpitondra fanjakana nandritra ny Karnavalo, kanefa dia mbola voavinavina ihany fa hirongatra ny zaza hateraka afaka 9 volana.
Akanjo hafa vita karakara aoka izany: vehivavy mpimpasoka eny andalan’ny Recife, sarin’I  carlosoliveirareis.
Mpankafy ao São Paulo's Sambodromo. Sarin’I André Cherri.
Alahadin’ny famelan-keloka, faha-22
Azon'i Rodrigo Soldon ny sarin’I Mona Lisa, izay mifaly avanja ao anatin’ny karnvalon’ny Rio.
Cordão do Boitatá, Rio de Janeiro. Sarin’i Luciano Joaquim
Ho an’ireo izay tsy afaka mandany fotoanany miala lavitra ny tranok’ala makasika ny serasera ara-tsosialy, dia ity ny fomba fiankanjon’I Orkut. Rio de Janeiro. Sarin’I  URBefotos.
Nandeha nitsidika an’I Olinda I Fidel Castro mba hijery Karnavalo. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda. Olinda. Ankoatri’ireo mpanao politika dia tsikaritra teny amin’ny faritra maron’ny firenena ihany koa I Barack Obama, ny indro kely fotsiny dia tsy nampiditra ny sary anaty anterineto eo ambanin’ny Creative Commons license ireo mpaka sary miafina tsara vintana (papparrazzi)Alatsinainy madio, faha-23
Miara-mifaly  ao Olinda ny mpanao gazety Irakianina, Andriamatoa Bush sy ny kiraro am-bozonana. Fantatrao ny tantara ao ambadik’izany. Sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda
Horoka omen’ny mpilalao sarimihetsika Paola Oliveira, ilay mpanjaka vavin’ny Sekoly dihy Samba ao Grand Rio, iray amin’ireo sekoly miisa 30 nifaninana tamin’nySamba School Parade. Sarin’I dubiella.
Ny sekoly nandresy tao Rio de janeiro dia I Salgueiro. Sarin’I ane aguirre
Talatan’ny voavela heloka, faha-24
Venice?Tsia, Olinda! Sarin’IÁdria de Souza/Pref.Olinda
Mitsambikimbikina tsy ankijanona tao São Paulo. Sarin’I  Cristiano Caniche.
Tsisy ny andron’ny mofo tampon-tsatroka (crepe) ao Brasil, ny andro faran’ny karnavalo dia mampanembonembona – Vao mangiran-dratsy, Rio de Janeiro. Sarin’i Ana Pinta izay anaovan’ny mpikirakira flicker tsikera: “Dia hita mihintsy fa toy izao ny endriky Rio de Janeiro”.
Alarobian-davenona, faha-25
Manisa andro sahady ireo mpandefa eritreritra ao Olinda miandrandra ny fety goavana manaraka amin’ny heritaona eo ampitazonana sora-baventy manao hoe: “Aza taitra fa 353 andro sisa e”. sarin’I Ádria de Souza/Pref.Olinda
Tapitra tanteraka amin’ny fomba ofisialy ny karnavalon’ity taona ity, eny fa na dia mbola mandeha hatrany aza ny herinandro hafa tsy ofisialy entin’ny antokon’olona “ tia manala azy” ho fankalazana ny karnavalo misimisy kokoa, afaka manomboka amin’izay ‘zany ny taona 2009.
Angola: Ny herisetra ao an-tokantrano no mitombo sa ny fahatsiarovantena?
Araka ny karazana loharanom-baovao an-gazety, dia tena mitombo aok'izany ny tahan’ny herisetra ao Angola. Saingy ny isa tokoa ve no nitombo sa ny toe-javatra no mihamivandravandra amin'ny mahaheloka azy? Taratra fa nahitana toe-javatra miisa 640 voarakitra tamin’ny taona 2008, 424 tamin’ireo olana ireo ihany no voavaha tamin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra  raha toa ka tsy maintsy nomena  an-tanana ny fitsarana ny ambiny. Betsaka noho ny antontan'isa nisy tamin’ny taona 2007 ireo isa voalaza etsy ambony ireo izay mampiseho ny zava-misy fa matahotra ny hitory ireo olona mpampijaly azy ireo olona iharan'ny vono. Soritr’endrika tsara izany: Raha mihabetsaka ny fitoriana dia hamarana haingana ny herisetra manjo ireto vehivavy Angoley ireto – na ry zareo araraotin’ireo vadiny na araraotin’ireo sakaizany (sipany) izany fihetsika izany.
Mampalahelo araka ny efa niheverana azy ny tantara. Indraindray mahay mamarana izy ireo – rehefa voafonja ny mpanao herisetra ary afaka tamin'ny fampijaliana sy herisetra ara-batana ireo vehivavy ireo. Indrisy fa mbola misy ihany koa ny tantara ratsy fiafara. Manana ny tantaran'ny vehivavy maty eo ampela-tanan'ny nitokisany maro dia maro i Angola. Mihevitra manko ireto lehilahy ireto fa fananany ny vadiny na ny sipany. Mamono ireto lehilahy noho ny fahasarotampiaro, ary mahafaty mihitsy.
Mpanampy antsoina hoe Nely 20 taona, no mba nanam-bintana. Milazalaza amintsika ny tantarany ao amin'ny blaogin’i Diário da África na Diarin'i Afrika
“Hoje pela manhã, ela tirou fotos das costas, dos braços e das pernas, tomados por manchas roxas e negras, resultado do espancamento a que foi submetida pelo ex-marido. Armado com um pedaço de madeira, Amâncio (é este o nome do criminoso) aliviou as suas frustrações com o universo em cima da Nely. A sessão de tortura começou por volta das 6h da manhã quando ela recebeu o telefonema do vizinho que queria saber se ela pegaria carona para o trabalho com ele. O ex-marido-espancador, num acesso de fúria e ciúmes, aplicou-lhe a surra”.
Não obstante a sova, o agressor foi apresentar queixa de Nely à esquadra, acusando-a de o ter cortado com uma faca. Eis o relato: “ (Ele) cortou-se com uma faca durante a confusão e depois, ainda foi à polícia prestar queixa contra a Nely. Ela caminha com dificuldade por causa de uma paulada que levou num dos joelhos. Nely prestará queixa contra o espancador na Organização da Mulher Angolana – OMA, entidade ligada ao governo de Angola que defende os interesses das mulheres. Eu, de minha parte, faço votos de que esse Amâncio passe uma temporada atrás das grades”.
Nalaina sary ny lamosiny, ny tanany sy ny tongony androany maraina, feno fery mivalo-mainty sy volomparasy ireo faritra rehetra ireo noho ny kapoka nataon’ny vadiny taloha. Tamin’ny vatan-kazo no nanalan'i Amancio (anaran’ilay mpisetrasetra) ny hasosorany. Nanomboka tamin’ny 6 maraina ny fampijaliana raha naharay antso an-telefonina avy any amin’ny mpifanolobodirindrina taminy i Nely sao afaka mitondra azy hiasa ranamana. Nentin-katezerana noho ny fahasarotampiarony ilay vady mpampijaly ka nidaroka an'i Nely.
Na dia teo aza ny daroka nataony dia mbola ingahy mpisetrasetra indray no nitory an'i Nely tany amin'ny polisy niampanga azy ho nandidy tamin’ny antsy. Toy izao ny fitantarany: “Izy tenany ihany no nandidy ny tenany tamin’ny antsy nandritra ny fisafotofotoana ary avy eo nankeny amin’ny polisy mba hitory an’I Nely. Sahirana i Nely mandeha noho ny dona nahazo ny lohaliny anankiray. Hitory noho ny herisetra nahazo azy amin’ny alalan’ny Fikambanan'ny vehivavy Angoley I Nely – OMA no anaran'ilay fikambanana miaro ny zon'ny vehivavy manana fifandraisana amin'ny fitondrana Angoley. Manantena aho amin’ity indray mitoraka ity fa any am-ponja no hiafaran'i Amancio.”
Indrisy, araka ny mety ho hita eny amin’ny faritra hafa sasany eto amin’izao tontolo izao dia tsy manana lalàna matanjaka mikasika ny herisetra an-tokantrano I Angola, lalàna ahafahana manadihady ny toe-javatra toy izao mba ahazoana misambotra ny mpanao herisetra. Navotsotra i Amancio vadin’I Nely, ary nampanatena fa hanohy ny levileviny. Nopotehiny avokoa ny atontan-taratasin'i Nely ary nalefany hotezain'ny fianakaviany any Sao tome sy Principe ny zanak'izy ireo vavy.
“Nada aconteceu ao ex-marido. Foi embora tranquilamente, depois de ter dado uma surra com um pedaço de madeira em Nely. E ainda ameaça voltar. Agora é torcer para que a delegacia da mulher funcione. Que abra uma processo contra esse sujeito, que a justiça o condene pelas sessões de espancamento e ele cumpra a sua pena na cadeia. A evolução do caso é que preocupa. Começou com os gritos dele contra Nely, depois uns safanões, depois surras, daqueles de ela não conseguir se levantar do chão. Agora apareceram um pedaço de pau e uma faca. O que virá a seguir?”
Afaka madiodio ny vadiny taloha. Nandeha nilamina izy rehefa avy namono an’I Nely tamin’ny vatan-kazo. Ary dia nandrahona ny hody. Manantena izahay ankehitriny fa hanao ny asany ny sampan'ny polisy miaro ny vehivavy. Ary hampiditra atontan-taratasy hiampangana ity lehilahy ity, ka ny lalàna anie no hampiharina aminy tamin’ny famonoana fanaony ka hitondra azy any am-ponja. Ny fivoaran'ny toe-draharaha no nahaliana [anay]. Manomboka mivazavaza amin'i Nely izy aloha, avy eo mandeha ny totohondry, manaraka izany ny daroka ka nahatonga an'i Nely tsy ho tafarina. Ankehitriny, misy indray ny langilangy sy ny antsy. Dia ahoana koa ny manaraka?
Fahafatesana no mety hiandry azy na ilay mpampijaly. Misy vehivavy vitsivitsy mahafaty ny vadiny mba ahafahany miery ny loza. Marihana koa anefa fa misy ny vehivavy  mamono vady (lehilahy). Misy izany fa vitsy. Mandritra izany, tokony harafitra ny lalàna mikasika ny herisetra an-tokantrano atsy ho atsy, izay manome fampahafantarana ny tranga toy itony, ary hanoro lalana ny tokony ataon'ny vehivavy Angoley.
Clara Onofre
Avia ange ry sambo mpihaza trozona hankaty amin'ny ranon'i Timor atsinanana
Sarin'i Fat Old Sod tao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Notsongaina avy tamin'ny mpampiasa Twitter @BILL_ROMANOS tamin'ny 31 Desambra midera ny nahitan'ny mpikaroka Aostraliana sy Timor Tatsinanana ny lohateny, izany no vokatry ny fikarohana natao vao haingana momba ny fiainana any anaty rano any: Hita tany amin'ny 50 km (30 maily)  miala avy amin'ny morontsiraky Timor atsinanana manko ny toerana ahitana trozona sy feso (dauphins), amin'ny karazana trozona maro, betsaka indrindra.
Namelona fanantenana ho an'ny sehatr'asam-pizahantany ho an' i Timor atsinanana, izay firenena mbola tanora sy nanana ny tantarany nanjakan'ny korontana, noho izany io fahitana io. Ary dia mbola nanana ny lanjany lehibe indray ny helodrano stratejikan'i Wetar-Ombai. Na dia malaza ho lalana fandalovan'ny “Sambo mpisitrika nokleary Amerikana sy Aostraliana manavatsava ny nosy maron'i Indonesia“ aza izy, eto kosa dia izy no helodrano mampisaraka an'i Pasifika amin'ny soso-nofontany Eorazia fantatra amin'ny  amin'ny maha- “lalana lehibe fifindra-monin'ny biby anaty ranomasina mivezivezy amin'ny oseana pasifika amin'ny oseana indiana“.
Cathal Foster (PT) no manoratra momba izany:
A expedição, que foi o primeiro grande estudo de cetáceos em Timor-Leste, veio confirmar aquilo que os biólogos marinhos apenas suspeitavam: as águas profundas dos estreitos de Wetar e Ombai, ao largo de Timor - que podem ter até três mil metros de profundidade -, são uma importante rota migratória e corredor para a vida marinha, ligando os oceanos Pacífico e Índico.
Ny diam-pikarohana, izay fikarohana lehibe voalohany indrindra momba ny karazan-trozona any Timor atsinanana, no nanamafy izay efa nampiahiahy ny biolozista (mpahay aina): lalamben'ny fifindra-monina sy lalantsaran'ny fiainana anaty ranomasina, mampifandray ny Oseana Pasifika sy Oseana Indiana ny ranolalin'ny helodranon'i Wetar sy Ombai, any amin'ny morondranomasin'ny Timor – izay manana halalina hatramin'ny 3,000 m (1,864 maily).
Nanaitra ny mason'ny mpiserasera maro io fahitana io ka nanomboka nandrohy tamin'ny bolongany na ni-tweets (nampilaza fohy toy ny sms finday) tamin'ny gazety lehibe ry zareo:
O LENTE ao amin'ny Timor Atsinanana sy ny karazam-piainana an-dranomasina ananany (PT)
Margarida A avy amin'ny Umalulik in Diam-pikarohana nahiana toeran'ny trozona sy ny feso eto amin'ny planeta , sy Toerana ankafizin'ny trozona sy ny feso hita tany Timor atsinanana  (PT)
Wendy Heller ao amin'ny DivePhotoGuide.com in Timor atsinanana, Tranon'ny Trozona & Feso
@mostrador ao @ Twitter (ES)
Ary @greenoptions, @compost3r, @ecosfera, @celebritypaycut, @neandertal ni-tweets momba azy ity (PT, ES ary EN).
Ny hamaroan'ny karazam-biby, izay nifidy ny ranon'i Timor atsinanana ho “toerana ankafizina”, dia voalazan'ny mpamaham-bolongana tsindraindray eny ihany. Fat Old Sod, ohatra tamin'ny fanombohan'ny Novambra 2008, dia naka sary ny “Mega Fauna” izay nopihany avy eny ampisidinana ny ranon'i Timor avy any anaty voromby:
Mega Fauna basically means anything bigger than, and including, turtles. (…) We saw at least 6 species of whales, easily over 4000 dolphins, manta rays in formation, BIG hammerhead sharks cruising on the surface and we just stopped counting the turtles once we got to Com and beyond because there were too many.
ny Mega Fauna izay midika hoe izay rehetra lehibe, ka tafiditra amin'izany ny soka-dranomasina. Nahita karazana trozona enina izahay, mora ny nahitana feso mihoatra ny 4000, andiana  manta, antsantsa LEHIBE toy ny hihevaheva arynitsahatra nanisa ny sokatra izahay rehefa nahazo an'i Com fa tena maro loatra ry zareo.
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Nisy famoahan-kevitra nataon'olona tsy nitonona anarana iray tao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Toerana ankafizin'ny Trozona sy Feso hita tany Timor atsinanana (PT):
Mais um grande ponto para a futura indústria do turismo em Timor.
Bem regulamentado poderá ser mais uma grande fonte de rendimento para o país.
Dingana lehibe hafa ho an'ny fizahantany eto Timor. Mety ho loharanom-bola lehibe ho an'ny firenena raha voapetraka tsara ny lalàna.
Levi Novey, kosa na dia izany aza dia liana:
It highlights the need for greater protection of biodiverse ocean areas like these from unregulated fishing – a challenge given East Timor’s desire to develop their fishing industry.
Io no mampivandravandra ny tokony hampitomboana ny fiarovana ny karazam-piainana an-dranomasina noho ny fanjonoana tsy ara-dalàna - fanamby ho an'i Timor Atsinanana izay te-hampivelatra ny sehatrasam-panjonoana
Heverina ho sarotra amin'ny fiarovana ny zavamihetsiketsika ny lalànan'ny fanjonoana, noho ny tsy fahafantaran'ny maro ny ankamaroan'izy ireny, ka manome vahana ny fanjonoana tsy ara-dalàna amin'niny fari-dranomasina iny. Nopihan'i Fat Old Sod an-tsary ireo mpanjono mena(n'ny ra) ny tanana :
We also got pictures of some illegal fishing boats from Indonesia which we have handed on to the appropriate authorities with times, name of vessel, location etc.
Nalainay sary ny sambo mpanjono tsy ara-dalàna sasany avy any Indonezia ary nampitainay tany amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny  fotoana, ny anaran'ny sambo, ny toerana,sns.
Edy, Timorey, miresaka ny fahitana dia nametraka hevitra mahaliana amin'ny fepetran'ny fiainana anaty ranomasina:
(…) the marine environment in that area in (sic) certainly more secure, cleaner, and quieter for those mammals to gather even perhaps can be used as their marine habitat to reproduce and expand. Giving the fact that in that maritime area there is less fishing activity in industrial scale and it’s not considered strategically good enough for commercial ship’s and military navals passage hence almost inexistence in that area any noise that can be prejudicial for whales and other species. Therefore it’s a hotspot for those marine animals to live in abundance. Any habitat of other species when given time, space, less disturbances from human greedy commercial and military activities will certainly find its own way to live, survive, reproduce and expand in greater numbers to the benefit of all living things in this planet we call Earth.
(…) ny toerana andranomasina tena (sic) voaaro , madio, ary mangina ho an'ireo biby mampinono ireo  hivoriany, honenany  mba  iterahany  sy itomboany isa. Hita ny maha-fari-dranomasina tsy ahitana asa indostrialim-panjonoana azy, heverina fa toerana tsy dia tsara loatra handalovan'ny sambo fandraharahana na sambo miaramila, izany hoe tsy misy ny tabataba mety hanelingelina  ireto trozona sy ny karazany hafa ireto. Izany no antony maha-toerana mafana  mahamaro  biby an-dranomasina azy.  Ny fonenan'ny  karazam-biby samihafa, raha omena fotoana, toerana, tsy helingelenin'ny asam-barotra na miaramilan'ny olona tendan-kanina dia itokiana fa hananna ny fomba fiainany, hiteraka, hihamaro ka hanome tombony ho an'ny zavamiaina rehetra eto amin'ity antsointsika hoe tany ity.
Raha iverenana indray ny Whale Of A Time (Trozon'ny Fotoana iray) ,dia nambaran'i  Fat Old Sod ny fahasambarany raha niangaviana hisidina tambonin'ny toerana izy, naka sary sady vavolombelon'ny zavatra manokana:
I knew we had great marine life here but I never knew it was so prolific. The two scientists I was with told me that it was an absolutely exceptional survey. And when a scientist starts to use long adjectives you know you've seen something special!!
Efa fantatro ihany fa manana fiainana an-dranomasiina izahay any saingy tsy nampoiziko ny hamaroany. Nilaza tamiko ireo manampahaizana roa fa tena  miavaka ny fitsidihana. Ary dia nanomboka nampiasa teny lava izay fantatrao fa manokana ny manampahaizana iray.
Sarin'i Fat Old Sod ao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana.
Raha te-hiala voly an-tsary ny fiainana ana-dranomasina any Timor Atsinanana ianao dia tsidiho ireto adiresy manaraka ireto:
Fiainana ambanin'ny ranomasin'i Timor atsinanana
ReefScenes.net - Tontolo mahafinaritry ny fiainana anaty ranon'i Timor atsinanana
Nudibranchs avy ao Timor atsinanana ao amin'ny Flickr
Departemantan'ny akora natoraly, Tontolo iainana, Zavakanto sy ny fanatanjahantena, Karazam-piainana an-dranomasina avy ao amin'ny sisintany avaratry Aostralia
Sara Moreira