· Avrily, 2013

Below are posts about citizen media in Portuguese. Don't miss Global Voices em Português, where Global Voices posts are translated into Portuguese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Avrily, 2013

VIDEO: Radiom-Bahoaka Any Ginea-Bisao Ho an'ny Vahoaka Fa Tsy Politika

  26 Avrily 2013

Misy zavatra tsara ataon'ny radiom-bahoaka any Ginea-Bisao ankoatra ny fandefasana hirahira amin'ny onjam-peo, araka ny nolazain'ny fanadihadiana " Ny Feon'ny vahoaka". Radio izay namonjy ain'olona nandritra ny fihanaky ny valan'aretina kolerà, niady tamin'ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ary nanohitra ny fanavakavahana ara-taovam-pananahana, tamin'ny fampiraisana ireo vondrom-piaraha-monina misy ao an-toerana manodidina ny harenan'ny mozikan'i Ginea-Bisao.

Ny Anganom-pitiavana Sy Ny Vetaveta Avy Ao Angola

  21 Avrily 2013

Tanora Angole mpitoraka bilaogy sady "mpampita vaovao" monina any Loandà i Rosie Alves, 21 taona, avy ao Loanda, manoratra tantara fohy izay mazàna miresaka ny fitiavana sy ny finamànana akaiky ao amin'ny bilaoginy "Sweet Cliché". Zarainy amin'ny Global Voices ny aingam-panahiny sy ny hetahetany, ilazany amintsika misimisy kokoa mikasika ny andian-taranaka misy azy sy ny tontolon'ny bilaogy Angole tsy mitsaha-mitombo.

Brezila: Fifandirana amin'i FIFA Momba ny Varotra Acarajé Mandritra ny Mondialy

  21 Avrily 2013

(Teny Portiogey avokoa ny rohy) Niteraka fahatezerana ho an'ny Breziliana ny fanapaha-kevitry ny FIFA handrara ny fivarotana acarajés ao amin'ny kianjan'i Fonte Nova ao Salvador de Bahia mandritra ny mondialy 2014. Notsikerain'ny bilaogera sy ny mpanao gazety fatratra izany fanohintohinana ny sariohatry ny kolontsaina breziliana izany ary nampidina an-dalambe ireo...

Mitolona Mba Ho Velona Ireo Mponina Nafindra Toerana Nohon'ny Toby Famokarana Herinaratra

  18 Avrily 2013

Rehefa nakisaka ho any Mutum Parana Vaovao – tanàna iray naorin'ny orinasa Energia Sustentável ho toeram-ponenan'ireo enjeniera sy mpiasany – ireo mponina teny amoron-drano izay nakisaka niala tamin'ny vondrom-piarahamonina nisy azy ireo mba hahafahana manone alàlana ny toby famokarana herinaratra ao Madeira River hanafotra rano ilay faritra dia namantana “tanàna matoatoa”, toerana iray izay toa sarotra ho azy ireo ny hiaina ao.

Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy

  15 Avrily 2013

Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.

Ireo pejinay momba an i Paortigey

pt