· Jolay, 2011

Below are posts about citizen media in Portuguese. Don't miss Global Voices em Português, where Global Voices posts are translated into Portuguese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Jolay, 2011

Brezila: Tatitra Miampanga Ny Fomba Ratsy Fanao Tsy maharitra ataon'ireo Orinasa Mpamokatra Angovo Avy Amin'ny Zava-maniry

  22 Jolay 2011

Ny solika avy amin'ny zava-maniry dia nohobiana ho ny fomba tsara indrindra hivoahan'ny tontolo amin'ny ady fikarohana loharanon'angovo. Nolazaina ihany koa fa ity no vahaolana "maitso" afaka mampidina ny fandefasana entona karbôna. Manambara anefa na izany aza ny fanadihadihana iray nataonà ONG Reporter Brazil (mitatitra momba an'i Brezila) [pt], ny volana May farany teo, momba ny sehqa-pamokarana alikaola (ethanol) Breziliana fa ny solika avy amin'ny zava-maniry dia mety ho vidiana lafo eo amin'ny ara-tsosialy sy tontolo iainana

Sao Tome sy Principe: Ho Famonjena Ny Kolotsaina Maro Sampana

  21 Jolay 2011

Ny fankalazan'i Sao Tome sy Principe ny faha-36 taonan'ny fahaleovantenany, ny 12 Jolay, dia nahitàna hetsika ara-kolotsaina sy ara-pomban-drazana natao nanerana ny firenena. Sampannan-dalàn'ny kolotsaina nandritra ny taonjato maro io firenenq io, nitelinq karazana fomban-drazana samihafa hanjary ho tokana. Manampy amin'ny fandraketana ireo dihy nentin-drazana sy bilaogera; sady maneho ny alahelony fa tsy ampy ny hetsika atao mba hitahirizana azy ireny ho an'ireo taranaka ho avy.

Mozambika: Ilay Kitapo Hiadiana Amin'ny Fahantràna Niteraka Resabe

  06 Jolay 2011

Ao Mozambika, niteraka fifandroritan-kevitra teo amin'ny samy olom-pirenena ny iray amin'ireo fepetra naroson'ny governemanta mba hanamaivanana ny fiantraikan'ny sondrom-bidim-piainana amin'ny vahoaka. Na betsaka aza ny fanantenàna, dia nambàra ny “fanafoanana” io Kitapo misy ny Filàna Fototra io ny 16 Jona.

Ireo pejinay momba an i Paortigey

pt