Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Mey, 2011
Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”
Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.
Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala
Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala tontolo iainana dia nanentana mba hanohitra ilay lalàna vaovao, ary ireo Siantifika kosa dia nangataka fotoana lavalava handinihany ilay volavolan-dalàna.