· Oktobra, 2008

Below are posts about citizen media in Portuguese. Don't miss Global Voices em Português, where Global Voices posts are translated into Portuguese! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Paortigey tamin'ny Oktobra, 2008

Ginea Bisao: Mihamalaza hatrany ny finday

  23 Oktobra 2008

Jorge Rosmaninho no manoratra ao amin'ny gazety antserasera mpiteny pôrtigey O Patifundio [pt] fa miroborobo fatratra ny finday any Ginea Bisao. “Tsy misy mpampianatra izay tsy mitaraina fa, isaky ny fanombohan'ny lesona, dia mandany folo minitra aloha ny mpianatra miady izay tokony hamahana herinaratra voalohany ny findainy amin'ny prizy (tsaidrianaratra)...

Angola: Tononkalo ho amin'ny Blog Action Day

  23 Oktobra 2008

Namoaka ny tononkalony iray ho fandraisana anjara amin'ny Blog Action Day (indray andro ihetsehan'ny bolongana) i Admário Costa Lindo [pt]. Tononkalo iray niainana momba ny hanoanana nosoratany tamin'ny taona 1974 io, ary ny dika teny anglisy io azo trandrahina io.

Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

  21 Oktobra 2008

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana...

Brezila: nigadra fa naneho hevitra tamin'ny blaogy (bolongana)

  16 Oktobra 2008

Manamboninahitra ambony ao amin’ny polisy no olona voalohany nampidirina am-ponja noho ny fanehoan-kevitra tamin’ny bolongana tany Brezila. Indreto ary torotoro ravina teo amin’ny tontolom-bolongan’ny polisy avy amin’izany fisehoan-javatra izany. Tsy atao mahagaga loatra, noho ny torolalana amin’ny fampianarana mamahana bolongana sy maneho hevitra (miafina sy tsy fantatra toerana ipetrahana), raha maro amin’ny manamboninahitra no mamaham-bolongana tsy mitonona anarana.

Ireo pejinay momba an i Paortigey

pt