The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Portigey Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Portigey

2009-11-17

Angola: Lafo ny fiainana any Luanda

Lafo avokoa ny zavatra rehetra ao Luanda, renivohitry Angola; na ho an'ny angoley izany na ho an'ny vahiny, ireo mponina any dia mahafantatra izany tsara. Ny fototra toy ny sakafo sy ny fianarana ary ny trano fonenana dia mitovy vidy amin'ny any amin'ny firenena eoropeana. Ny mahasamy hafa azy dia ...

2009-08-30

Brezila: Mpianatra nosamborina nohon'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Antenimieran-doholona

Mpianatra maro no nanao fanehoan-kevitra fanoherana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona José Sarney ary dia niaritra famoretana maro samihafa. Ren-tsika miala aina miadana miaraka amin'izany koa ny eritreritr'ireo tontolon'ny fitorahana blaogy momba ny demokrasia Breziliana.

2009-08-13

Angola : Nisy namono ny solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko matanjaka iray

Notairin'ny herisetra indray i Angola ny alin'ny faha-29 volana Jolay lasa teo. Notifirin'ny olona telo lahy tany amin'ny sisin'ny renivohitra Luanda i Beatriz Salucombo, solombavam-bahoaka avy ao amin'ny antoko politika mitondra MPLA sy ny anadahiny Antonio Neves, tompon'andraikitra ao amin'ny sampana mikarakara ireo vahiny sy mpifindra monina (SME). Bala maro ...

2009-05-04

Brezila: fahatsiarovana an'i Ayrton Senna, Tompondaka F1 tsy nety resy

“Ayrton Senna da Silva. Velona tsy mety resy, maty tsy misy mahasolo voasolo”, hoy ny iray amin'ireo vohikala maro mahatsiaro ilay intelo tompondaka erantany tamin'ny Formule 1, ary nanohina an'i Brezila sy izao tontolo izao ny fahafatesany tamin'ny voalohan'ny volana mey 1994. Nitari-dalana nandritra ny Grand Prix de San Marino ...

2009-03-05

Fety an-dalambe goavana indrindra eto an-tany: Karnavala BrezilianaSary post

Na i Barack Obama, na i Fidel Castro sy ny mpanao gazety Irakianina izay nitoraka an'Andriamatoa George Bush tamin'ny kirarony dia samy endrika tsikaritra teny andalamben'ny Brezil, nandritra ny Karnavalonan'ity taona ity. Afaka jerena ireo sary mahaliana tsara indrindra no sady voafantina izay naely eo ambanin'ny Creative Common license.

2009-01-23

Angola: Ny herisetra ao an-tokantrano no mitombo sa ny fahatsiarovantena?

Nitombo haingana ny tahan’ny herisetra ao an-tokantrano ao Angola fa kosa Sorik’endrika tsara izany: hoe mitatitra misimisy kokoa, efa manakaiky ny levilevy (herisetra) ny manjo ireo vehivavy Angolana – na ry zareo araraotin’ireo vadiny na araraotin’ireo sipany. Kanefa, ny isa ihany ve no nitomba sa ny toe-javatra izay mampiseho ny ahiahy goavana momba izany heloka izany?

2009-01-08

Avia ange ry sambo mpihaza trozona hankaty amin'ny ranon'i Timor atsinananaSary post

Sarin'i Fat Old Sod tao @ Xanana Republic Gazzete, nahazo alalana. Notsongaina avy tamin'ny mpampiasa Twitter @BILL_ROMANOS tamin'ny 31 Desambra midera ny nahitan'ny mpikaroka Aostraliana sy Timor Tatsinanana ny lohateny, izany no vokatry ny fikarohana natao vao haingana momba ny fiainana any anaty rano any: Hita tany amin'ny 50 km (30 ...

2008-12-13

Brezila: Lasa mpamono olona mihitsy ny pôlisy breziliana

Amin'ny fotoana ankalazana indrindra ny andro ho an'ny zon'olombelona, ary raha nisy vono olona mitovy tamin'ity mihitsy izay niteraka fitokonambe tany Gresy, dia mihiaka mafy ny mpamaham-bolongana Breziliana manohitra ny fomba tena mampihivinginvin-doha nefa tsimatimanota ataon'ny pôlisy ao Rio de Janeiro - tamin'ity fotoana ity kosa ny niharandoza dia zaza vao telo (taona) monja.