The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Malagasy Tahiry Sokajinteny

RSS ho an i Malagasy

2009-11-19

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

2009-11-13

Sina: Ranomandry vita sinoa

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao ...

2009-11-12

Maraoka: Indro tonga ny Masoandro

Nambaran'i Maraoka tamin'ity herinandro ity ny fanombohan'ny tetikasa angovo azo avy amin'ny masoandro, mitentina hatramin'ny 9 lavitrisa $, hampiakarana ny tahan'ny angovo azo havaozina amin'ny famokarana angovo eo amin'ny firenena. Ireo mpitoraka blaogy mankasitraka azy io no tena maro mizara ny eritreriny.

2009-11-09

Voadona mafin'ny haintany sy ny ranomasina voaloto ny tapany Atsimon'i MadagasikaraSary post

[*Fanamarihan'ny mpandikateny: ny lahatsoratra dia nosoratana talohan'ny fanaovan-tsonia fifanarahana tany Addis-Abeba ny alin'ny Zoma 6 mifoha Asabotsy 7 Novambra 2009] Raha ny hoavy ara-pôlitikan'i Madagasikara, izay tena tsy azo vinavinaina mihintsy izay alehany hatramin'ilay fanonganam-panjakana nitranga tamin'ny volana Martsa lasa teo iny, dia tapahina amin'izao fotoana izao any Addis-Abeba amin'ny alalan'ny fanelanelanana ataon'ny vondrona iraisam-pirenena ...

Arabia Saodita: Doka ho an'i Grande Bretagne avy amina mpitoraka blaogy iray

Maram Meccawy dia Saodiana mpanoratra sady mpitoraka blaogy, monina sy miasa any Grande Bretagne. Tsy ela akory izay dia nanoratra lahatsoratra iray izy, nantsoina hoe “Nahoana aho no vonona hiaro an'i Grande Bretagne?

2009-11-06

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana - maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay "forum"  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny? Tranga Nivady nandritra ny 8 taona i Rina ary manan-janaka ...

2009-11-04

Syria: Ny lahatsoratra tsara indrindra sa ny faran'izay ratsy e?

Matetika ireo mpitoraka blaogy Siriana no manakiana lahatsoratry ny mpivahiny momba ny firenen-dry zareo - mazana izy ireny no "stereotypical" loatra, indraindray moa dia diso tanteraka. Ary ho an'ny firenena izay tondroina ho “nitoka-monina” ela, fara-faharatsiny avy any Etazonia, tena mankarary manokana ny saina ny mahita ny lahatsoratra toy izany asandratra ho toy ny zava-marina. Ato anatin'ity lahatsoratra ity, hojerentsika ireo fanehoan-kevitra maro noho ilay lahatsoratry ny National Geographic momba ny firenena tsy ela akory izay.

2009-11-03

Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.

2009-10-31

Etazonia: Mpifankatia tsy mitovy fihodirana tsy nahazo nisora-panambadiana

Tamin'ny herinandro, tany Hammond, any Louisiana, Beth Humphrey (fotsy hoditra) sy Terence McKay (mainty hoditra) dia nangataka fisoratam-panambadiana ary nolavina noho ny tsy fitovian'ny fihodiran'izy ireo. Ny Mpitsara misahana ny fandriampahalemana, Keith Bardwell, dia nanambara fa araka ny efa hitany dia “tsy maharitra ny fanambadiana eo amin'ny olon-droa tsy mitovyfihodirana” ary nolazainy fa “ho an'ireo taranaka no nanaovany izany.”

Kazakhstan: Fifanoheran-kevitra ara-ekonomika, fanavakavahana araka ny maha-lahy na vavy ary ny fitotonganan'ny siansa

Manohy ny resaka momba ny fifandraisana ara-sosialy ireo mpitoraka blaogy any Kazakhstan. Tamin'ny herinandro lasa teo, ny adihevitra teto amin'ny aterineto dia nampiseho lohahevitra samihafa. Ny mpitoraka blaogy Lord-Fame dia novangian'ireo tomponandraikitry ny hetra izay nanambara fa tsy ampy araka ny tokony ho izy ireo mpiasa ao amin'ny orinasany, ambanin'ny “salanisa ...