Global Voices teny Malagasy » Malagasy
Maraoka:Mitohy ny ady atao amin'ny mpanao gazety
Manamafy ny fanenjehana ireo mpanao gazety miahy tena ny manampahefana Maraokana. Mahàlana izany hoe herinandro iray tsy ahitana ny fanjakana  manameloka mafy ny asa fanaovan-gazety izany, na ny an-tsoratra na ny media amin'ny aterineto. Ny mpiaro ny fahalalahana manao gazety toy ny Reporters Without Borders izao dia mitsara ny zava-mitranga amin'ny fahalalahana manao gazety ao amin'ny firenena ho “sarotra”, amin'ny fanamelohana “rafi-pitsaràna mamoaka andian-tsazy noforonina mba hanakivy sy hanakenda ny lafiny ara-bolan'ny fanaovan-gazety tsy miankina.”
Ny   fanenjehana farany voarakitra izao dia ny didy famonjàna navoakan'ny fitsaràna ao Casablanca ny Alatsinainy teo ho an'i Said Laâjal, mpanao gazety ao amin'ny Al Massa'e, gazety mpivoaka isan'andro tena be mpamaky, sy ny mpiandraikitra ny fanontàna azy, Rachid Nini, mpanoratra “chroniques” fanta-daza. Ireo mpanoratra roa ireo moa dia samy voarohirohy ho “namoaka vaovao tsy marina” mifandraika amina lahatsoratra mahakasika raharaha-na zava-mahadomelina. Nanambara i Nini fa tsy hanao fampakarana ny didy nivoaka izy. (loharanom-baovao: AFP) Niady hevitra momba izany sy ny fizotry ny raharaha ireo mpitoraka blaogy.
eatbees, mpanoratra Amerikana, mpaka sary ary mpitoraka blaogy monina any Maroka dia manahy momba izay tena tanjon'ireo mpampanoa lalàna. Manoratra izy:
Fanamelohana an-kitsirano sy tsy ahoan-tsy ahoana ny fanaovan-gazety izao. Manao hadisoana sy mitatitra vaovao mety tsy ho marina ireo mpanao gazety indraindray. Misy ireo fomba famahàna izany, nefa tsy anisan'ireny ny fandefasana ireo mpanao gazety any am-ponja. Manahy mafy aho fa nanaovana tsindrihazolena i Nini sy Laâjal, tsy noho ity zava-nitranga ity, fa noho izy ireo manohitonhina olona manana  toerana ambony. Na mety ho fomba hanenjehana an'i Nini fotsiny izao, izay amin'ny maha-mpamoaka ny gazety Maraokana be mpamaky indrindra sy mpanoratra ny fanehoan-kevitra be mpamaky indrindra azy any Maraoka, dia lasa ivon-kery amin'ny zony manokana.
Raha tena tapa-kevitra ny tsy hampakatra marina ny didy momba azy  i Nini, ka mandeha any am-ponja, dia ho fihetsika maneho herim-po sy tsy fankatoavana sivily izany. Hahatonga azy ho maritiora ho an'ny fahalalahana manao gazety eo imason'ny Maraokana an-tapitrisany izany. Mazotoa amin'izany, ry firenena Maraokana.
Tsara ny manamarika fa efa eo ambany vesatry ny  onitra goavana noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ilay mpanao gazety, izay mety hahaborona ny fanontàna iray manontolo, araka ny nosoratan'ilay mpitoraka blaogy Ibn Kafka [Fr], mikasika taratasy iray nolazaina ho nosoratan'i Nini, mangataka ny famelan'ny mpanjaka:
Rachid Nini vit légitimement fort bien de cette florissante entreprise de presse (dans le contexte ravagé de la presse marocaine)…
[Il] aurait adressé une supplique au Roi […] dans laquelle il demande l’absolution des pêchés – en clair, la grâce pour son journal. Rien ne permet de garantir cette information, qui en soi n’est pas infâmante.
Mahavelona tsara an'i Nini io orinasam-panaovan-gazetiny io (mifandraika amin'ny tontolo rotika misy ny haino aman-jery Maraokana) …
Mino ny sasany fa nandefa taratasy fitalahoana tany amin'ny mpanjaka i Nini nangatahany fanafoanana ireo helony - raha tsorina, fangatahana famotsoran-keloka ho an'ilay gazetiny. Tsy misy fanamarinana izany vaovao izany, izy tsy maharikoriko rahateo koa.
Vao haingana no nisy adihevitra mifanohitra momba an'i Rachid Nini  tamin'izy nitsipaka am-pahibemaso iray tamin'ireo mpanao gazety tao aminy izay naneho ny fanohanany mpiara-miasa iray voarahona sy voahenjiky ny governemanta. Larbi, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Comme une bouteille jetée à la mer!, dia milaza [Fr] fa tsy tokony hampidirana an'i Nini any am-ponja izany na handraisana ilay mpanao gazety ho mahery fo. Manoratra izy:
[H]eureusement que tout le monde n’a pas la même conception de la liberté d’expression et liberté de la presse que celle de Monsieur Nini. La place des journalistes n’est pas la prison mais dans leurs rédactions. Cela vaut pour tous les journalistes. Cela vaut pour Monsieur Nini . Et encore plus pour le journaliste Saïd Laâjal. La place de Rachid Nini et de Saïd Laâjal n’est pas la prison mais dans leur rédaction. Je suis bien entendu solidaire avec Rachid Nini et Saïd Laâjal. Parce que la peine de prison ferme qui leur est infligée est injuste au vu de ce qui leur est reproché. Et parce que même Monsieur Nini a a droit à ce qu’il a toujours dénié aux autres : exercer son métier de journaliste et s’exprimer librement, sans intimidations et sans procès arbitraires débouchant sur des peines infamantes.
Soa ihany fa tsy mitovy ny fahatakaran'ny rehetra sy Atoa Nini ny fahalalahana maneho hevitra sy ny falalahana manao gazety. Tsy any am-ponja no toerana tokony hisy ireo mpanao gazety fa any amin'ny biraony. Ho an'ny mpanao gazety rehetra izany. Ho an'Atoa Nini inhany koa. Ary na ho an'i Said Laâjal aza. Tsy any am-ponja no tokony hisy an'i Rachid Nini sy Said Laâjal fa any amin'ny biraony tsirairay avy. Mazava ho azy fa manohana an'i Rachid Nini sy Said Laâjal aho, satria ny sazy fampidirana am-ponja azy ireo dia tsy rariny raha jerena ny zavatra iampangàna azy. Ary satria na Atoa Nini aza dia manana zo amin'izay nolaviny foana tamin'ny hafa: izany hoe ny fanaovana ny asany amin'ny maha-mpanao gazety azy ary malala-pitenenana, tsy misy fampitahorana sy fitsaràna tsy marina mitondra amina sazy mahasosotra.
Hevitra iray nozarain'i Naoufel izay manazava[Ar] fa tokony ho an'ny tsirairay ny Fahalalahana fanaovan-gazety, na ho an' Atoa Nini aza. Manoratra izy:
هو بالنسبة لي شخص وقح .. انتهازي و متملق، يكتب ضد أي شيء إلا الملك..يحاكم الحكومة و الشعب و زملائه في الصحافة لكنه لا يتجرأ أن يقترب من مربع القصر رغم أن اصغر طفل في المملكة التي لم تعد شريفة يعرف أن أصغر قرار لا يمر دون دراية الملك..كتب ضد من كانوا زملائه[…]
الآن..هل نتضامن معه؟
لا خيار آخر
Amiko i Nini dia tia midera tena, mpanararaotra ary mahasosotra (sic). Manoratra zavatra mifanohitra amin'ireo rehetra izao izy, afa-tsy ny mpanjaka… Mametraka ny governemanta, ny vahoaka ary ireo mpiara-miasa aminy eo anoloan'ny fitsaràna nefa tsy sahy mandeha n'aiza n'aiza manodidina ny rovan'ny mpanjaka, na ny zandriny indrindra amin'ireo zaza ao amin'ny fanjakàna Sherifian (taranaky ny mpaminany) aza dia mahafantatra, izay marihana fa tsy Sherifian intsony, fa na ny fanapahan-kevitra faran'izay kely indrindra aza dia tsy manan-kery raha tsy mandalo any amin'ny Mpanjaka.. Nanoratra manohitra  ireo mpiara-miasa aminy izy… Ankehitriny, tokony hanohana azy ve isika? Mieritreritra aho fa tsy manan-tsafidy ankoatra izay isika.
Peru: Tonga ao Lima ny Cow parade
Andro vitsy lasa izao, rakotry ny sarin'ombivavy mivongana mitovy habe amin'ny tena izy i  Lima.  Ny Cow Parade dia maneho asa 80 samihafa ao anaty zaridaina sy toerana natao ho an'ny daholobe  manerana ny tanàna izy natao indrindra hamidy hanangonana vola ho an'ireo fikambanana maro. Tany Soisa no niandohan'ny hetsika toy ity mba handrisihana ny seha-pamokarana ronono.
Hita eny amin'ny manodidina ny tanàna ireo sarivongana, araka izay itanisàn'ny Tranonkala Viajando por Perú [es] azy:
Cada pieza que ha sido diseñada y pintada con creatividad e ingenio se viene exhibiendo en la Plaza de Armas (10 vacas), Pasaje de los Escribanos (5 vacas), esto en Cercado de Lima. En Miraflores se podrá ver la muestra en el Parque Salazar (15 vacas), Parque del Amor (5 vacas), Parque Raimon[d]i (12 vacas), Parque Kennedy (10 vacas). Mientras que en Pueblo Libre las verá en el Parque Central (4 vacas). En Surco se exhibirán 9 vacas en el Jockey Plaza. Barranco también muestra estas piezas en en Parque Saenz Peña (7 vacas) y el Pasaje Chabuca Granda (3 vacas).
Ny asa tsirairay, voavolavola sy voaloko tao anaty fahaiza-mamorona sy fahaiza-manao tokoa, dia aranty ao  Lima Main Square (ombivavy 10), Scribes Passage (ombivavy 5 ), sy ao Downtown Lima. Ao [amin'ny distrikan'i] Miraflores, azo atao ny mijery ny fampirantiana ao amin'ny  Salazar Park (ombivavy 15 ), Zaridainan'i Love (ombivavy 5 ), Raimondi  Park (ombivavy 12 ),  Kennedy Park (ombivavy 10 ). Mandritra izany, [ny distrikan'i] Pueblo Libre dia afaka mankafy azy ireo ao amin'ny Central Park (ombivavy 4 ). Ao amin'ny [distrikan'i] Surco, ombivavy 9 no haseho ao amin'ny  Jockey Plaza Mall. [Ny distrikan'i] Barranco koa dia manana vitsivitsy amin'ireto asa ireto ao amin'ny Saenz Peña Park (ombivavy 7 ) ary ao amin'ny  Chabuca Granda Passage (ombivavy 3 ).
Ombivavy misalotra ny lokon'ny zotram-pitaterana iray, Kennedy Park
Nefa, fomba ahoana no niaingan'izao rehetra izao? Ny blaogy ***Tota Iluxtra*** no manome ny valinteny [es]:
Hace unos años Walter Snapp suizo se le ocurrio promocionar la actividad de los productores de leche en Zurich con colorida[s] vacas pintadas con los pinceles de artistas locales, las cuales fueron diseña[da]s en fibra de vidrio. En 1999 el empresario Meter Hanig de Chicago, adquirio los derechos y llevo el conce[p]to a USA, desde entonces este peculiar evento [h]a recaudado 25 millones de dolares para fines beneficos.
Taona maro lasa izay, ilay Soisa lahy Walter Snapp no nanan-kevitrahanosika ny seha-pamokarana ronono tao Zurich tamin'ny alalan'ny fandokoana ombivavy niaraka tamin'ny borosin'ireo mpanao taokanto tao an-toerana, namboarina tamin'ny fibre de verre. Tamin'ny 1999, Meter Hanig, mpandraharaha avy any Chicago, no nahazo ny alàlana ary dia nitondra ny haitao tany Amerika, [ary] nanomboka teo ity hetsika fanangonam-bola ity dia nahavoriana 25 tapitrisa dolara ho an'ny asa fanasoavana.
Ombivavy nampiakanjoana vesta, Kennedy Park
Ny blaogy Corresponsales escolares [es], ampiantranoin'ny gazety Peroviana El Comercio, milaza amintsika hoe iza no handray ny tombontsoa avy amin'ny  Cow Parade tao Lima:
Luego de la exposición se realizará la subasta de 64 esculturas para recaudar fondos para el Centro Ann Sullivan del Perú, la ONG Socios en Salud y La Fundación Lima.
Aorian'ny fampirantiana, hisy ny fivarotana amina'izay sahy ambony indrindra ny 64 amin'ireo sarivongana mba hanangonam-bola ho an'ny Foibe Ann Sullivan ao Peru, Socios en Salud NGO (mpiara-miombon'antoka ara-pahasalamana) ary ny Lima Foundation.
Ombivavy mitorovoka manao fitafy cool, LarcoMar
Haharitra hatramin'ny  Febroary, 2010 ny fampirantiana.
Ombivavy voaravaka loko marevaka, LarcoMar
Ny sary rehetra mandravaka ity lahatsoratra ity dia ny tompony daholo no naka saripika azy, na tao  LarcoMar na tao Parque Kennedy (Miraflores).
Horonantsary: Atsaharo ny herisetra atao amin'ireo vehivavy maneran-tany
Anio, faha-25 Novambra no andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no anehoan'ny olona maro  sy fikambanana maneran-tany ny fanirian'izy ireo hampiatoana ny herisetra ary koa ny ezaka entin'izy ireo hanamafisana fa manana tontolo afaka iainana am-piadanana ny vehivavy.
Sary avy amin'i  circo_de_invierno, tao amin'ny  Flickr mampiasa ny  CC BY 2.0.
ny teny momba ny herisetra dia tsy maintsy hanafoana ny FAHANGINANA
http://www.flickr.com/photos/circo_de_invierno/ / CC BY 2.0
UNIFEM, ao amin'ny Manaova Tsia amin'ny Herisetra ao amin'ny Youtube  dia efa nanao fanadihadiana ny sasany amin'ireo fanapahan-kevitra raisina maneran-tany mba hampiatoana ny fanaovana herisetra noho ny tsy fitoviana. Ny horonantsary voalohany dia mampiseho ny Lisean-jazavavy Ngara ao Nairobi, Kenya, izay andrisihana ireo tovovavy hanao Tsia amin'ny Herisetra, hijoro hitaky  ny zon'izy ireo ary koa ny fomba hiadiana amin'ny fanolanana, fanafihana, fandrahonana ary ireo endrika hafa hisehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="261" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Vzh-faI1QrM&hl=es_ES&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="261" src="http://www.youtube.com/v/Vzh-faI1QrM&hl=es_ES&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Any Kenya koa, manana Toeram-Panarenana ireo niharan'ny Herisetra ny tobim-pitsaboana nasionalin'ny Kenyatta, izay azon'ireo vehivavy sy ny zanany andehanana ary hikarakarana azy ireo noho ny herisetra nahazo azy ireo. Ato amin'ity horonantsary manaraka ity, mitantara ny fiainana ao amin'ilay toeram-pitsaboana izy ireo, ny tontolo iainana misy azy ireo, ary maneho hevitra koa ireo vehivavy niharan'ny herisetra:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="261" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/cfc1TarQo3Q&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="261" src="http://www.youtube.com/v/cfc1TarQo3Q&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Any Peru, eo am-pikarakarana fihetsiketsehana sy fanangonam-bahoaka ny fikambanana Flora Tristan ho ana endrika hafa inoany fa mety hiteraka herisetra: ny fandàvana ny fahazoana maimaim-poana ireo fomba fanabeazana aizana sy ny lalàna vaovao nanapaka fa ny pilin'ny ampitso (fanabeazana aizana vonjimaika)  dia tsy tokony hozaraina maimaim-poana.  Hanao fanentanana ho fanabeazana izy ireo any amina toeram-pitsangatsanganana any Lima ka hanome fanampim-panazavàna momba ny fanabeazana aizana, ary koa hizara pilin'ny ampitso sy fitaovana fanabeazana aizana ho mariky ny fanoherana:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Pjfk3LoGIUg&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/Pjfk3LoGIUg&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Raha ny momba ny Amerika Latina sy ny Karaiba indray, nandefa ity horonantsary ity ny UN-INSTRAW ho ampahany amin'ny fanentanana fisarihan-tsaina :
Latinoamérica y el Caribe es un lugar peligroso para las mujeres. Más de 50 por ciento de las mujeres de la región han sido objetos de agresiones. En la República Dominicana, por ejemplo, 1,453 mujeres fueron asesinadas entre los años 2000 y 2008. En el marco del Día Internacional para la Eliminación de la Violencia Contra la Mujer, UN-INSTRAW lanza un nuevo video sobre la seguridad de las mujeres latinas y caribeñas.
Toerana mampidi-doza ho an'ny vehivavy i Amerika Latina sy  Karaiba. Maherin'ny 50 isan-jaton'ny vehivavy any an-toerana no iharan'ny herisetra. Any amin'ny Repoblika Dominikana ohatra, vehivavy 1 453 no novonoina teo anelanelan'ny taona 2000 sy ny taona 2008. Ho an'ny Andro Iraisam-pirenena Iadiana amin'ny Herisetra Atao amin'ny Vehivavy dia nandefa horonantsary momba ny fandriampahaleman'ireo vehivavy Latina sy Karibeana ny UN-INSTRAW .
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="261" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/ev1zix0yqG0&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="261" src="http://www.youtube.com/v/ev1zix0yqG0&hl=es_ES&fs=1&color1=0x234900&color2=0x4e9e00" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Any Espana, nandray anjara tamin'ny seminera faha-dimy momba ny Fiarovan-tena amin'ny herisetra ireo vehivavy, ka tamin'izay no nanoroana azy ireo ny fomba hiarovany tena raha miatrika toe-javatra mampidi-doza ry zareo. Ny kendrena amin'io fanofanana io dia ny hahafahan'izy ireo mampalemy mandritra ny fotoana fohy ilay mpanao herisetra mba hahafahan'izy ireo mandositra ny loza.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/7x59FDIeIcM&hl=es_ES&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/7x59FDIeIcM&hl=es_ES&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ary avy any Chile, ilay mpanao Hip Hop COFLA dia namoaka hira mitondra ny lohateny hoe Femicide. Raha eritreretina hampirisika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny tononkira hip hop matetika, ity mpanakanto ity kosa namoaka hira manameloka ny fomban'ireo lehilahy manomboka amin'ny  fanomezana tokim-pitiavana sy fiarovana ary tonga amin'ny herisetra, daroka na famonoana mihitsy aza:
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/tuBBX514sYo&hl=es_ES&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/tuBBX514sYo&hl=es_ES&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Nisy ezaka toy izany ve tany amin'ny faritra na firenena misy anao? Mba ampafantaro anay amina fandefasan-kevitra ny fihetsiketsehana ataon'ny fiaraha-moninao mba hanakanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy!
Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra
Mitana toerana be lavitra noho ny isa fotsiny izy ireo. Izy ireo dia endrika, fiainana, nofinofy ary fanantenana. Izy ireo dia reny, zanaka vavy, anabavy, renibe, nenitoa, zanaky ny mpiray tampo, namana, mpiasa, mpanao politika, mpisolo vava, mpikambana amin'ny akademia, mpitolona, mpianatra, ireo olon-droa manaraka ny fitsipiky ny natiora na ireo mitovy nefa mifanambady [straight, gay]. Ny herisetra dia mamakivaky tsy ankifidy  sarangam-piarahamonina , volonkoditra, foko, sisintany, lahy na vavy, ary firehana manokana momba ny filàna ara-nofo.
Ao  Puerto Rico, araka ny tatitra ofisialy nangonin'ny  Birao mpiaro ny vehivavy, dia vehivavy 178 no novonoin'ireo olona niaraka niaina taminy teo anelanelan'ny 2001 sy 2008. Tamin'ity taona ity, efa vehivavy 16 sahady no maty noho ny herisetra an-tokantrano tao amina nosy kely ahitàna olona eo amin'ny 4 tapitrisa eo ho eo. Ny salanisan'ny tranga-na herisetra an-tokantrano notaterin'ny mpitandro filaminana dia 20,000 isan-taona. Sasantsasany amin'ireny ihany no naharaisana tatitra. Tamin'ny fanadihadian'izy ireo farany (2007), ny  Foibe natokana ho an'ireo Niharan'ny Fanolanana najoron'ny governemanta dia nikajy fa olona 18,000, vehivavy sy ankizivavy ny ankamaroany, no tratry ny herisetry ny filan'ny nofo isan-taona.
Maro ary amin'ny endrika samihafa no isehoan'ny herisetra, tsy fitovian'ny fahafahana mahazo fikarakarana ara-pahasalamana sy fanabeazana, ny fankahalàna ary ny fanavakavaham-bolonkoditra.
Sary lehibe, Diabe ho fanoherana ny herisetra, tao amin'ny Anjerimanontolon'i  Puerto Rico. Navoaka rehefa nahazoana alàlana tamin'ny mpikarakara.
Mbola misy maro ihany koa ny vehivavy , ny lehilahy, manohitra ny herisetra amin'ny fomba vaovao sy  maro tsy tambo isaina. Androany, 25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny  Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maneran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao  Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo.
Nanoratra tononkalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. Nanoratra izy ireo momba ny herisetra ara-drafitra, amin'ny teny ifanaovana, ao an-tokantrano sy ny herisetra amin'ny fanolanana. Nanoratra izy ireo mikasika ny tsy fitoviana eo amin'ny lanjan'ny fifandraisana ankapobeny, ny politikan'ny mponina, ny lalàna, ny fahantrana, ny demaokrasia, ny toekarena, ary hatramin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy any anatin'ireny horonantsary ireny. ‘Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.
Ao amin'ny blaoginy Mujeres en Puerto Rico [ES], Verónica,  vehivavy mpisolo vava dia mahatsiaro ny vesatra nentin'ny  herisetra nianjady tamin'ireo vehivavy nifanerasera taminy, na nalàna tanatin'izany, teo amin'ny fiainany manokana hatrany amin'ny fahazazàny:
En mi temprana adolescencia, convencí a mi madre para que me permitiera hacerme mi primera manicura. En cuanto obtuve la ansiada autorización, corrí a un salón de belleza y allí conocí a Ada, la dueña del lugar. Simpática, agradable, sonriente, siempre trabajadora, Ada. Su socio era también su esposo, así que lo recuerdo a él también, entrando y saliendo del salón, mientras Ada trabajaba con mis manos. Un día, de repente, el salón de belleza amaneció cerrado. Ada había sido asesinada por su esposo. Se abrió la caja de pandora. Por primera vez, en mi vida escuché de primera mano sobre cómo la distorsión de lo que es una relación amorosa puede terminar en muerte. Perdí la inocencia.
Tany amin'ny fahatanorako, nandresy lahatra an-dreniko aho mba hahazo mandeha mikojakoja ny tanako amin'izay, sambako io. Vantany vao azo ny fahazoan-dàlana avy aminy, niolomay namonjy ny trano mpikojakoja hatsaran-tarehy aho, ary tany no nifankahalalako tamin'i Ada, tompon'ny toerana. Tsotra sy tsara fanahy izy. Sady nitsiky foana izy no nanohy miasa hatrany. Ny vadiny ihany no mpiara-miombon'antoka aminy amin'io asany io, tadidiko tsara koa izy mivoaka sy miditra ny efitrano mandritra ny fikarakaran'i Ada ny tanako. Indray andro, tampoka teo, nikatona ilay trano fikojakojana hatsaran-tarehy. Ho ahy, nisokatra ny boatin'i Pandora. Voalohany teo amin'ny fiainako no nahatsapako fa hoe mety hiafara amin'ny fahafatesana ny fitiavana lalina. Veriko ny maha-tsy manantsiny ahy.
Amárilis Pagán, vehivavy mafana fo, dia niampanga ao amin'ny  Brujas y Rebeldes [ES] ireo endrika maro isehoan'ny herisetra izay ny Fanjakana no tomponandraikitra amin'izany.
Estamos de pie ante un sistema de gobierno que se ha convertido en el principal agresor de las mujeres en Puerto Rico. De pie y resistiendo por nosotras y por otras poblaciones que son igualmente vulnerables. De la misma manera en que la violencia doméstica se trata de una cuestión de poder y control, la violencia actual del Estado en contra de las mujeres de la Isla es un asunto de poder y control matizado por una perspectiva acartonada de lo que son- y deben ser- las mujeres a la luz de una concepción judeo-cristiana de corte fundamentalista que se ha entronizado en la esfera gubernamental. Este 25 de noviembre, Día Internacional de No Más Violencia Hacia las Mujeres, es obligatorio hablar de la violencia hacia las nosotras en sus expresiones más amplias y profundas. Esa violencia no se limita a la violencia en relaciones de pareja (violencia doméstica) y es, en realidad, una violencia que se ha filtrado a través de muchas otras facetas de la vida de las mujeres. Pensar que la violencia doméstica es el único tipo de violencia que se inflige a las mujeres de la Isla es simplificar un asunto mucho más complejo.
Manohitra ny rafitra iray an'ny governemanta izahay, izay lasa voalohany amin'ny fampiharana herisetra amin'ny vehivavy eto  Puerto Rico. Manohitra izahay mba ho fiarovan-tenanay sy ireo tsy manan-kianteherana eo anivon'ny fiarahamonina. Toy ny amin'ny herisetra ao an-tokantrano ihany dia olana momba ny resaka fahefana sy fifehezana ihany koa ny olan'ny herisetra ataon'ny Fanjakana amin'ny vehivavy. Amin'io tranga io, izy dia voafaritry ny fomba fijery ny vehivavy, sy izay eritreretina fa tokony ho toeran'izy ireo araka ny foto-pinoana  Judeo-Christian izay mahavonto ny governemanta. Amin'ity 25 Novambra ity, andro maneran-tany hamongorana ny  herisetra atao amin'ny Vehivavy, tena ilaina mihitsy ny miresaka momba ny endrika rehetra sy ny halalin'ny fomba fanaovana herisetra amintsika. Io herisetra io tsy voafetra fotsiny hoe nataon'ireo olona akaiky indrindra antsika (herisetra an-tokantrano).  Endrika maro samihafa no isehoan'ny herisetra eo amin'ny fiainan'ny vehivavy. Ny finoana fa hoe ny herisetra ao an-tokantrano ihany no hany karazana endrika herisetra mianjady amin'ny vehivavy dia toa fanatsotsorana ihany ny olana izay tena saro-bahana tokoa.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="560" height="340" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/a-U3bZvdz2M&hl=en_US&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="560" height="340" src="http://www.youtube.com/v/a-U3bZvdz2M&hl=en_US&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Performance hamotsipotsirana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao  Puerto Rico. Video an'ny  Insula TV.
Nahomi Galindo-Malavé, vehivavy mafana fo, dia manadihady lalina ny endrika marolafin'ny herisetra noho ny tsy fitoviana  [of gender violence] ao amin'ny Poder, Cuerpo y Género [ES]:
En el mes de No más violencia hacia las mujeres, es importante recordar que todo acto de violencia encarna una red de relaciones de poder: en este caso, relaciones de género. Es por ello, que el objeto o “víctima” de la violencia de género no necesariamente es siempre una “mujer”.  Un ejemplo reciente de ello es violento asesinato del hombre gay de 19 años, Jorge Steven López. Para comprender este suceso como crimen de odio y como violencia de género, es importante entender cómo se despliegan a través de él las relaciones de poder y la construcción de las masculinidades… La violencia contra las mujeres es producto de las relaciones de poder que existen en nuestra sociedad. Se trata por tanto de una de las manifestaciones de la violencia de género, que se dirige contra todo aquello que no es inteligible, que rompe, que no se subordina, a las normas de lo masculino y lo femenino. Diferentes formas de violencia de género son las violencias domésticas, la violencia económica, los feminicidios y los crímenes de odio.
Nandritry ny iray volan'ny ‘Aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy' [No More Violence Against Women] tsara ny mampahafantatra fa ny herisetra tsirairay dia mifanindran-dàlana amina tambajotra-na fahefana ara-pifandraisana. Amin'io tranga io, ireo fifandraisan'ny lahy sy ny vavy. Izany no mahatonga hoe ireo izay voakasika na  “niharan'ny” herisetra noho ny tsy fitoviana  dia tsy voatery ho vehivavy foana akory. Ohatra iray tsy ela akory ny herisetra namonoana an'i Jorge Steven López, 19 taona,  lehilahy tia lehilahy. Mba hahafahana manakatra io vono-olona io ho toy ny habibiana nateraky ny fankahalana sy herisetra noho ny tsy fitoviana, ilaina dia ilaina tokoa ny mahafantatra hoe manao ahoana ny fahefana ara-pifandraisana ary ny fomba fiorenan'ny fahefan-dehilahy … Vokatry ny fahefana ara-pifandraisana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao amin'ny fiarahamonina misy antsika.  Ankoatr'izay, endrika iray isehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana ateraky ny zavatra azo takarina tsara izay mampihataka sy tsy mifanojo mihitsy amin'ny lamina maha-lahy na maha-vavy mipetraka. Ny heloka ao an-tokantrano, ara-toekarena, famonoana vehivavy sy ny fankahalàna dia endrika samihafa isehoan'ny herisetra noho ny tsy fitoviana daholo.
Ao amin'ny El rincón de la cinefilia [ES], RDLC, izay mamariparitra ny tenany ihany ho lehilahy mpandala ny zon'ny vehivavy, dia mitondra tsikera momba ny horonantsary “What's Love Got to Do with It?” “Inona koa no hidiran'ny fitiavana amin'izay?” sy ny  “North Country” “Firenena Avaratra”. Mamintina izy fa:
La violencia en contra de la mujer, ya sea en el ámbito íntimo del hogar o en donde trabaja, está mal. Podríamos pensar que luego de años y años de concienciación a la sociedad esta enfermedad hubiera culminado. Sin embargo, aquí estamos: año 2009 y las estadísticas sobre actos violentos en contra de féminas siguen más altas de lo que quisiéramos. Por ello, les recomiendo ambas películas basadas en hechos reales donde féminas (famosas y no famosas) luego de ser confrontadas con la violencia, supieron sobrepasar dignamente el epíteto “víctima”, convertirse en heroínas y llevar un mensaje claro: no más violencia contra las mujeres. PUNTO.
Aretina ny herisetra atao amin'ny vehivavy, na izany any anatin'ny fiainan-tokantrano manokana na any anivon'ny toeram-piasàna. Te-hino izahay fa taorian'izay taona maro nanaovana fampahatsiarovan-tena izay, efa tokony ho fongotra io aretina io. Saingy, eto indrindra isika, anatin'ny taona  2009, ny antontan'isan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia vao mainka nisondrotra be tsy araka ny niheverana azy. Izany indrindra no mahatonga ahy manolotra ireto video miainga avy amin'ny zava-marina ireto, ahitàna vehivavy, malaza na tsia, nandao ny toerana naha “mpizaka ankaso” [victims] azy ireo ho amin'ny toeran'ny Be herim-po. Hafatra mazava no ampitain'izy ireo: aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy. TEBOKA.
Mariana Iriarte, vehivavy mafana fo mpianatra lalàna dia miresaka momba ny herisetra atao amin'ny alalan'ny teny sy fihetsika ao amin'ny  Con otro y otras en el mundo [ES]:
Importante es entonces ser conscientes y concientizar a otras mujeres que la violencia física siempre es antecedida por la violencia simbólica, que antes de agredirte física o sexualmente, preparará el terreno discursivamente para que te sientas acorralada y sin salida, que anterior al golpe te hará sentir que no eres humana, que no vales nada, que eres un apéndice de él y más que su compañera eres su pertenencia. Reconocer que los roles que se te han asignado como mujer fueron construidos por los hombres para garantizar su dominio sobre las mujeres y que, sobre todo, nada de eso es normal. Por eso, hoy y siempre di no a la violencia contra las mujeres y sábete libre para hacer de tu identidad lo que te dé la gana.
Tena zava-dehibe, na izany aza, ny mahatsiaro saina sy misarika ny sain'ny vehivavy hafa ihany koa fa mazàna ny herisetra ara-batana dia ialohavan'ny herisetra amin'ny alalan'ny fihetsika. Fa alohan'ny haha-voadaroka na haha-voaolana anao mivantana mihitsy, dia efa nomanina miandalana teny ny kianja mba hahatonga anao ho toy ny voageja, tsy misy lalan-kivoahana intsony. Fa alohan'ny  hipetahan'ny totohondriny dia ataony izay hiheveranao fa tsy isan'ny olona ianao, tsy misy lanjany, ary miankina aminy ny fiainanao, fananany ianao. Tsara ny hiaikena fa tsy araka ny tokony ho izy izany, ary ireo fepetra apetraka aminao ireo dia ny lehilahy no namorona azy mba ho antoka amin'ny fanandevozana ny vehivavy. Izany indrindra, ankehitriny, no itenenana hoe aoka izay ny herisetra atao amin'ny vehivavy ary sahia manangana [mamorona] indray ny maha-ianao anao vaovao araka izay tianao.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/AjIU0VYniYg&hl=en_US&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/AjIU0VYniYg&hl=en_US&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Movimiento Amplio de Mujeres de Puerto Rico.
Ao amin'ny Poder, espacio y ambiente [ES] Erika Fontánez, mpandàla ny tontolo iainana sy vehivavy mpampianatra lalàna dia manadihady ireo endrika maro samihafa isehoan'ny herisetra avy amin'ny rafi-pitantanana atao amin'ny vahivavy:
Exigimos que se atienda la violencia, las violencias todas, las violencias de esta sociedad directas e indirectas, las obvias y las estructurales, contra las mujeres. Exigimos el cese de políticas excluyentes que tienen el impacto de fomentar nuestra exclusión y perpetuar la violencia, las violencias. No bastan las ‘palabras de hombre', no las queremos, queremos el reconocimiento en igualdad de condiciones y en igualdad de poder. Exijamos nuevas relaciones de poder en todas las cotidianidades que rompan con los ciclos de las violencias. No más violencia institucional ni de ningún tipo contra las mujeres.
Takianay ny handinihana ny herisetra: ny endrika herisetra rehetra mahazo ny vehivavy, mivantana na ankolaka, ny mivandravandra sy ny anaty rafitra. Takianay ny hanafoanana ny politika manome vahana ny fanilikilihana sy ny fampiharana herisetra: ny endrika herisetra rehetra. Tsy ampy  ‘Ireo fampanantenan'ny lehilahy sy ny lokalokany' (fanentanana iray nadika avy any ivelany napariaky ny governemanta ao  Puerto Rico). Tsy ilainay ireny. Mila fitoviana eo amin'ny fahefana ara-pifandraisana izahay ary eo amin'ny tontolom-piainana. Avelao izahay hitaky fahefana ara-pifandraisana hafa kokoa mba handrodanana ny faribolan'ny herisetra. Atsaharo ny herisetra atao amin'ny vehivavy avy amin'ny rafi-pitantanana.
Ao amin'ny  El diario de El Curio [ES], Yolanda Velázquez dia nandefa tononkalo. Ny blaogin'ny fifanatonana Movimiento Amplio de Mujeres [ES] dia manam-baovao momba ny hetsiky ny vehivavy tao  Puerto Rico.
Ozbekistana: Tashkent, tanàna maitso. Sa tsia?
Notapahana ireo hazo antitra tao afovoan-tananan'i  Tashkent – tanatin'ny iray andro dia niparitaka tao an-tanàna ilay vaovao nahatafintohina.
Photo by goricvet
Planetrees, na platanus [Avy amin'ny Mpandikateny: najanona amin'izao ny anara'ny hazo fa tsy fantatro amin'ny teny Malagasy], novolena tany amin'ny faramparan'ny taonjato faha-19 tany, no notapahana tao amin'ny zaridainam-pokonolona antsoina hoe Amir Temur (Tamerlane) ao Tashkent tamin'ny herinandro lasa teo. Araka ny nolazain'ireo manampahefana, ny fanapahana dia nampifanarahana tamin'ny drafitry ny asa ara-pahasalamana kasaina hatao ao amin'ny tanàna. Kanefa, tsikaritra fa ireo hazo dia tsara toerana sy nahasarika tokoa.
Etsy ankilany, trano be tranainy roa mifanila amin'ny zaridainam-pokonolona no andalam-pandrodànana. Ny iray voalohany dia ilay trano fisakafoanana  “Poytakht” (“Masonkarena” amin'ny teny Ozbeky) vao navaozina tsy ela akory, naorina tany afovoan'ny taonjato lasa iny. Ny iray faharoa dia ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana fahiny izay naorina ho an'ny Semineran'ny Mpampianatra Tashkent tamin'ny 1898. Tranom-panjakana vaovao no kasaina haorina eo amin'io toerana io.
Joendax manoratra (rus):
Tsy dia niraika firy tamin'ny momba ny hazo aho taloha. Fa tamin'ity andro ity sy ireo andro maro nifandimby, tsy nety nino aho hoe marina kay ilay izy. Rehefa mamerina mamisavisa ireny fahatsiarovana ireny aho dia manomboka latsa-dranomaso, satria tsy afa-manova na inona na inona.
Inona no azo anazavàna an'itony? Be ny mihevitra fa ny tena anton'ireo hetsika ireo dia ny Lapa vaovao ho an'ny Forum, niorina tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Lasa anton-dresaka be teo anivon'ireo mpitoraka blaogy Ozbekistana izy io.
Noho izany no  nanoratan'i UNKNOWN hoe:
[…] nisy fangatahana maika ny handravàna ny foibem-pifandraisana an-tarobia izay faran'ny tranainy indrindra ao  Tashkent, niorina tamin'ny 1932. Zavatra nanaitra ny ankabeazan'ireo mpiasa tao sy ny maro mpampiasa ny tolotra  tokoa. Amin'io fotoana io no sady andravàn-dry zareo ny foiben-toeran'ny fiara fitateram-bahoaka manakaiky ny Tobim-pifandraisana an-taribia.  Lapa vaovao iray  ho an'ny Forum no kasaina haorina eo.
Kanefa, ilay Lapa dia miteraka fanontaniana maro eny anivon'ny daholobe, indrindra indrindra fa ny tena anton'izao fandaniana be izao, ny fampiasàna herin-tsandry vahiny manolona any tsy fananana asa manenika ny firenena sy ny resaka hafa ihany koa, tafiditra amin'izany ny fandraràna tsy ahazoana maka sary ilay tranobe.
Amin'izao fotoana, ny tra-pahavoazana noho ny Lapa dia ny hazo antitra maanoloana azy indray.
Ny sasany mihevitra fa ny tsangambaton'i  Amir Temur, mipetraka ao afovoan'ny zaridainam-pokonolona, no tena anton'ny fanapahana ireo hazo :
nashingyou manao fanamarihana somary masirasira ihany (rus):
[…] Tashkent dia tsy maintsy tanora sy mavitrika  lalandava! Inona no hilàny izay hazo antitra sy bevata any? Inona no ilàny izay vakoka rakitry ny ela any? Fahiny izany! Ohatra izao, tsy ela izay no nandravàna ny zaridainam-pokonolona, dia afaka mahita ny soavalin'i Amir Temur avy eny lavitra eny ny mpizahatany.
Tamin'ny 21 Novambra dia nanao hetsika iray ho fanoherana ity asa fmotehana ity ireo tanora mafana.
Nametraka voninkazo sy labozia maro teo amin'ny fefin'ny zaridainam-pokonolona ry zareo, manakaiky  ny Lapa ho an'ny Forum. Tokony ho tao an-jazidaina no nanaovana ny hetsika, saingy efa nobahanan'ny mpitandro filaminana ny fidirana, raha nanohy niasa tao kosa ireo fiara vaventy [bulldozers]. Fotoana fohy taorian'ny nanombohan'ny hetsika, tonga namono ireo labozia sy nanipitsipy ireo voninkazo ny mpitandro filaminana.
Ny mpitoraka blaogy roost dia nitatitra fa (rus):
Natao ny Sabotsy teo n y hetsi-paniherana nanakaiky ny  Amir Temur Square. Amin'ny lafiny iray, tsara ilay izy, satria nahazoana olona nisinisy ihany. […] Amin'ny lafiny iray kosa, tsy dia nahomby loatra, satria ny ankabeazan'ireo labozia dia tsy iray minitra na mahery kely monja no nijoto teo. Raha ny fahafantarako hatreto, tsy nisy aloha ny voasambotra.
USA: Mampivoitra manokana ireo Silamo ao amin'ny tafika ilay vono-olona tao Fort Hood
Nahatonga ireo Silamo any Amerika ho eo ambanin'ny jirobe mpanazava indray, indrindra fa ireo ao anatin'ny tafika ilay  Tifitra variraraka iray nataon'i Nidal Malik Hasan, manamboninahitry ny tafika Amerikana, nahafatesana 13 sy naharatrana 31 tao Fort hood, Texas.
Fotoana vitsy taorian'ny nilazana fa ny Manamboninahitra  Hasan no voatondro ho ilay mpitifitra, nahitàna fahasahiranana lalina teo amin'ireo mpanolotra vaovao sy mpanadihady ny amin'ny fiaviany ara-poko sy ara-pinoana. Notaterina betsaka ihany koa fa matetika no iharan'ny antsojay avy amin'ireo olona avy ao anatin'ny antokon-tafika misy azy ihany  ireo Silamo.
Howard M. Friedman, mpampianatra lalàna fanta-daza ao amin'ny Anjerimanontolon'i  Toledo, dia milaza ao amin'ny blaoginy  ReligionClause:
“Ny tafika dia nanao fandraisana Silamo noho ny fananana traikefa amin'ny tenim-pirenena sy ny kolontsaina ilaina hiatrehana ny adin'i Iraka sy Afganistana. Na izany aza anefa dia misedra ny fiahiahian'ireo manamboninahitra mpifehy azy ireo Silamo. “
Na izany aza anefa, ny fiahiahiana ireo Silamo mpikambana ao anatin'ny antokon-tafika dia efa nisy talohan'ny nitrangan'ny tifitra, fa ny tena atahoran'ny tsirairay izao dia ny ho fitomboan'ireny noho ny vono-olona tao  Fort Hood. Mipoitra ny fanontaniana sao ny Major  Hasan ka isan'ireo henjam-pihetsika izay manao fanafihana mifototra amin'ny resa-pinoana irony, na koa marary saina tsotra izao fotsiny.
Any Canada, ny mpanoratra Gwynne Dyer, ao amin'ny gazety maimaim-poana mpivoaka isan-kerinandro any Vancouver  Straight.com, dia manoritra fa mamohafoha zavatra maro saro-pady ny fanondroana ny foto-pinoan'ilay mpamono:
“Andro vitsy taty aoriana, raha mbola nihazohazo ny fanadihadiana nanoloana ny fahasamihafan'ireo fitantarana, ny mpampahalala vaovao dia efa nametraka ny fanazavana hoe resa-poko/ fihodirana/ finoana no nahatonga ny hadalan'i Nidal. Ireo olona ratsy manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny maha-Amerikana no tomponandraikitra voalohany indrindra amin'ilay zava-doza, ary misy misy farany io.
Ny fanazavana iray tsy naroso dia ny hoe ireo ady ataon'ny Amerika any amin'ireo tany Silamo ampitan-dranomasina any dia vao mainka manamafy fo ireo Silamo ao aminy.  Tsy miraharaha hoe ireo mpampihorohoro Silamo ao an-toerana izay nanafika ny rafi-pitateran'ny Londres tamin'ny 2005, na ireo mpiray tsikombakomba Silamo isan-karazany izay voasambotra tany amina firenena Tandrefana samihafa talohan'ny hahatanterahan'ny tetik'izy ireo  dia saika nanameloka ny fananiham-bohitry ny  Tandrefana any amin'ny tany silamo avokoa ka vao mainka manamafy ny fon'izy ireo. Tsy miraharaha, indrindra indrindra, hoe ny tena vao mainka nanamafy fo azy ireo dia ny tsy fisian'ny fifandraisan'ireny fananiham-bohitra ireny amin'ny resaka fandriampahaleman'ny  Tandrefana akory”
Ny Fox News, voatsikera matetika noho ny fitsaratsaràna ataony momba ireo olana mifandraika amin'ny fifindra-monina  sy ny pôlitikan'ny fikombonana [conservative], dia voalaza fa nanao antso avo ho an'ny “fitiliana ireo Silamo” ao amin'ny tafika. Ao amin'ny vohikala Veterans Today, manamboninahitra taloha iray tao amin'ny Mpiambina ny morontsirak'i Amerika, Tom Barnes, dia miteny fa mamoromporona hevitra  hambolena fifandroritana tsisy fotony “isika mifanandrina amin-dry zareo” ilay fantsom-baovao:
“… raha fintinina dia “tsy misy ilàna azy” ilay fantsom-baovao, raha ny filazana tsy dia masosotra tany amboalohany azy ity no  hivadika ho tafika masin'ny Fox Channel mifanandrina amin-dry “zareo” atsy ho atsy ity fanontaniana azo leferina ity atsy ho atsy. Tsy hoe lasa mitarazoka ihany ity zavatra ity, fa sady mampidi-doza ihany koa. Eto ny tantara.
Araka ny efa nolazaiko tery aloha, efa nitranga taloha tao amin'ny Tafika Amerikana ny tranga toy izao. Efa leon'ny Fox News manondro amiko hoe iza avy no fahavaloko aho. Isaky ny mihetsika. Tsy ankijanona. Tsy azoko veroka mihitsy fa be loatra ilay  “ry zareo” eny rehetra eny!”
Maromaro izao ireo gazety mandinika ny hoe ahoana ny fiantraikan'ny fihetsik'i Major Hasan amin'ireo Silamo miasa amin'ny tafika Amerikana, sy ireo Silamo monina manodidina an'i Fort Hood.
Ity misy video notaterin'i euroamericannews tao amin'ny YouTube momba ny fomba fijeren'ireo Silamo monina any Fort Hood ireo zava-tranga.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/N8Azg9TxYkM&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Satria mbola mitohy ny fanadihadiana momba ilay vonoolona, mbola hitohy hibanjina an'ireo Silamo miasa ho an'ny tafika koa ny mason'ny rehetra.
Vehivavy Dalit any Nepal: Mitolona ho amin'ny Fahamendrehana
Ny rafitra tsimatimanota [Caste] any Nepal dia efa ela no nametraka fanavakavahana tamin'ny ampahany teo anivon'ny fiaraha-monina. Ireo olona izay antsoina hoe “tsy fikitika” [“untouchables”] na ireo dalits, izay raisin'ireo mpiara-belona ho sosona faharoa ao anaty fiaraha-monina. Ny lalampanorenana any Nepal dia miantoka fitoviana ho an'ireo dalits na ireo “tsy fikitika” saingy ny tena zava-misy eo amin'ny tontolo, ivelan'ireo fepetra lavabe sy misampantsampan'ny lalampanorenana sy ny lalàna, dia mbola entina toy ambany noho ny olona foana ny dalits.
Ny famerana ny fidirany amin'ny saha-pampianarana, ny fahafahana miditra amin'ny asa, ary amin'ny fanavakavahana azy ireo ao amin'ny seha-piaraha-monina dia tena nangeja mafy tokoa ny fivoaran'ireo Dalits ao Nepal. Ho an'ireo vehivavy Dalit, dia mbola ratsy noho izany ny zava-miseho.
Ny mpitoraka blaogy Kiran ao amin'ny Everest Uncensored dia miresaka momba ny vehivavy Dalit sy ny zava-mianjady aminy   :
“”Rehefa miresaka momba ireo vehivavy Dalit isika, mijaly noho ny fanavakavahana telo sosona toy ny terivozona ataon'ireo antsoina hoe olona tsimatimanota ry zareo (samy mijaly avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy Dalits), noho ny tsindry ateraky ny rafitra Hindu mifototra amin'ny fanjakan'ny lehilahy zokiolona sy ny ataon'ireo lehilahy Dalit. 90% -n'ny vehivavy any Nepal no eo ambanin'ny fetran'ny fahantrana ary 80% an'izy ireo no tsy mahay manoratra sy mamaky teny. Ireo vehivavy ireo koa dia marefo ara-pahasalamana, tratry ny fanerena hivaro-tena, herisetra an-tokantrano, ary jaly ara-tsosialy, politika, sy ekonomika.”
80%-n'ireo vehivavy dalits dia miady amin'ny tsy fahaizanana mamaky teny sy manoratra, tsy mbola voahozona tahaka ity izy ireo. Matetika koa ireo vehivavy Dalit no tratry ny herisetra noho ny fanavakavaham-bolon-koditra ataon'ireo avy amin'ny  antsoina hoe caste “ambony” eo anivon'ny fiaraha-monina. Renu Kshetry ao amin'ny NewsBlaze dia manoratra momba ny vehivavy iray nisy nidaroka tany amin'ny tanàna iray akaikin'i Kathmandu renivohitra :
Vao tsy ela akory izay, B.K., vehivavy Dalit iray, no tratran'ny ankasomparana - nampijalina izy, nodarodarohana ary noterena hihinana dikin'olombelona. Ny olona fototr'ity zava-mahatsiravina ity moa dia vehivavy heverina ho nahita fianarana: Bimala Lama. Tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny sekoly ambaratonga voalohany ao Gadi Bhanjyang, nohendrikendrehan'i Lama ho “mpamosavy” i B.K.
Tamin'ny fiandohan'ity taona ity no nisehoan'izany tranga izany, izay indrisy, tsy tranga maningana akory. Isan-taona dia mitondra faisana foana ireto vehivavy Dalits ireto, ary ankavitsiana no mahazo rariny.
Na izany aza anefa, ny sasany tamin'ireo vehivavy Dalit ireo no miezaka manao izay noheverina tany aloha tany fa tsy hitranga mihitsy. Tempoly iray any Baneshwor,  Kathmandu amin'izao fotoana no manana vehivavy dalit ho pretra.
“Ity vehivavy 43 taona ity dia pretra ao amin'ny tempolin'ny Chhakkubakku Bhagwati any amin'ny tanàna maresak'i Baneshwor ao an-drenivohitra, voahodidina trano fivarotana sy magazay. Ankoatry ny maha-vehivavy azy, dia mbola Dalit ihany koa izy, vondrom-piarahamonina any amin'ny zana-tohatra farany ambany any Nepal izay mbola mifikitra mafy amin'ny nentin-drazana sy  ireo ‘tsy fikitika' hatramin'izao.
Ity renin-jaza efatra ity dia avy amin'ny foko Sarki izay razamben'ny mpanao kiraro voatery niaina tamin'ireo fatin'omby vavy fony mbola fanjakana Hindu izay nandràra ny famonoana ireo omby vavy.”
Nandritra ny fifidianana faobe tamin'ny 10 Aprily 2008, dalit maro mpirotsaka hofidiana , ao anatin'izany ny vehivavy, no lany ary manantena ireo mpitarika ny dalit fa ny firotsahana antsehatra amin'ny politika dia hanampy amin'ny fanafoanana ny fanilikilihana misy.
Ity misy video amin'ny teny Nepaley avy amin'ny NepalNews.com izay mampiseho ireo lehiben'ny dalits miresaka izay tokony handrafetana ny lalampanorenana vaovaon'ny firenena mba hampiatoana tanteraka ny fanavakavahana ireo caste sasany.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/p3PS5T1sGxE&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/p3PS5T1sGxE&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Raha te-hahafantatra bebe kokoa momba ireo Dalits any Nepal, dia azonao tsidihana ny Nepal Dalit Info , izay ahitanao lahatsoratra fanazavana, fandalinana ary vaovao farany momba ny hetsik'ireo Dalit,  amin'ny teny Anglisy sy Nepaley.
Any Nepal, efa ela no tany anaty boky  ny lalàna mandràra ny fanavakavahana, saingy ny rafi-piaraha-monina caste dia mbola manohy  manilikilika vondrom-pirahamonina iray ihany. Mazava loatra fa raha mbola tsy afaka manovo fahalalàna ny Dalit, indrindra indrindra fa ny vehivavy, dia mbola hitohy hatrany ity fomba fanao ity ary dia hisy vaovao foana hitondra faisana.
Malezia-Singapore: averina dinihana ny fifanarahana momba ny rano
Noho ny habeny sy ny toerana misy azy,i  Singapore dia màka efa ho ny antsasaky ny filàny rano any amin'ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Malaysia. Miisa roa goavana ny fifanarahany momba ny rano amin'i Malezia.
Ny fifanarahan'ny 1961 provides ny fivarotana galonan-drano tsy voadio 350 tapitrisa isan'andro amin'ny vidiny 3 cents Maleziana ny 1,000 galona. Nanaiky koa i  Singapore fa hamatsy an'i  Johor (fanjakana Maleziana iray ao akaikin'i Singapore) isan'andro amina rano voadio amin'ny sanda  50 cents ny 1,000 galona. Hifarana amin'ny 2011 ity fifanarahana ity.
Ny fifanarahana tamin'ny 1962 dia nanome alàlana an'i Singapore hisintona rano tsy voadio avy amin'ny reniranon'i Johor. Ho setrin'izay, mahazo famatsiana rano voadio isan'andro avy any Singapore i  Johor. Fifanarahana manan-kery mandritry ny 99 taona.
Hifarana ilay fifanarahana voalohany amin'ny 2011, Dr. Mahathir Mohamad,  Praiminisitra teo aloha  dia manontany ao amin'ny blaoginy be mpanaraka tokoa raha toa ny governemanta amin'izao fotoana mba mihevitra ny hamerina indray ny dinika momba ‘ilay fifanarahana mba hahatongavana amin'ny tolotra tsaratsara kokoa:
Tsy lavitra mihitsy ny 2011. Efa nihevitra ny hanalava na tsia  ny fifanarahan'ny 2011 ve isika na hamerina hidinika fifanarahana vaovao iray momba ny rano? Hanao mahantra be fiantrana eto indray ve isika ka hivarotra rano tsy voadio amin'ny  3 cents ny 1000 galona ho an'ny mpanankarena mifanolo-bodirindrina amintsika?
Ny be fiantrana sy tsy be fanontaniana manindritsindrona dia làlana iray tsara ahazoana sakaiza. Nefa kosa mitondra inona amin'ny vahoakan'i Malezia.
Kent Moo, mpitoraka blaogy, dia manamarika ny mpitondra teo aloha dia nanainga “onjan'eso momba ny resaka fivarotana rano amin'i  Singapore, ary izany fomba fanao izany dia mandrendrika ny mpandimby azy, Abdullah Ahmad Badawi.”
Ny hafatra nampidirin'i Mahathir ao amin'ny blaoginy, toy ny mahazatra, dia niteraka fanamarihana maro. i Abang Din dia mankasitraka ny famerenana indray ny dinika momba ny tolotra rano:
Tsy dia mifanaraka loatra amin'ny tokony ho izy ny hanohizana mamatsy rano tsy voadio an'i Singapore raha tsy mifanaraka velively amin'izany ny tombontsoa azo avy aminy. Asa fandraharahana no ataontsika eto, dia aleo ho asa fandraharahana tokoa. Mazava loatra fa tsy maintsy mijery ny fifandraisantsika amin'i Singapore isika, nefa tsy ao anaty safidy kosa ny hanohy fifanarahana sadasada tsy misy dikany.
Antenaiko fa hijery akaiky an'io olana io ny governemantan'i Malezia mba tsy hanome laza ratsy ny vahoakan'i Malezia. An'ny Maleziana rehetra ny rano tsy voadio, noho izany kendreho ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fanapahan-kevitra.
Ifanonline koa dia mihevitra fa ny vidin-drano hotapahana mandritry ny fifanarahana dia tokony hahitàna taratra ny sanda mihatra eny an-tsena amin'izao fotoana
Fahatsapana faran'izay tsotra iraisan'ny rehetra io. Na iza na iza doa tokony hahafantatra daholo fa raha misy fifanarahana vaovao hivarotana rano amin'i Singapore, dia tokony hisy vidiny vaovao mifanaraka amin'ny hita eo amin'ny tsena amin'izao fotoana. Malezia sy Singapore dia afaka miresaka ara-pomba diplaomatika momba io resaka rano io hahatongavana amina fifanarahana momba izay ho vidin-drano vaovao. Tsotra be izany izao, rehefa tsy lanin'ny vavonin'i Singapore ny vidiny, i Malezia kosa tsy tokony ho be filirony ka hivarotra ny rano amin'ny vidiny varoboba.
Weesg dia mino hoe vahaolana tsy mitanila io raha toa ka tsy havaozina ilay fifanarahana voalohany mba hahaizan'i Singapore mianatra mizaka tena.
Manontany aho hoe nahoana no mipongatra izany ankehitriny. i Singapore efa nanao tsilian-tsofina fa hanadaboka ilay fifanarahana voalohany momba ny rano amin'ny 2011. Rehefa mahatsapa i Malezia fa tsy izy mihitsy ny vidin-drano, ary i Singapore kosa faly hanadaboka ny fifanarahana, tsy tombontsoan'ny andaniny sy ny ankilany ve izany? Raha tsy manana ranoVOADIO sahaza i  Singapore aorian'ny 2011, an'i Singapore manokana izany, sa tsy izany? Toy ny olona iray mikikitra mively soavaly maty.
Izany eo ihany, faly aho hoe nandà ny tsy hanalava ilay fifanarahan'ny 2011 i Malezia. Tsara ho an'ny firenena roa tonta izany. Afaka mianatra mizaka tena koa i Singapore.
Tsara ny hampahalalàna ny olona fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana (dia fifanarahana). Mianara manaiky an'izay. Fidio am-pahendrena ny mpitondra anareo.
Ny Ministeran'ny Fampahalalam-baovao, Fifandraisana sy ny Zavakanto any Singaporedia namoaka  bokikely iray tamin'ny 2003 mba ho fanampim-panazavana momba ny resaka manodidina ny fifanarahana rano   Malezia-Singapore. Ao anatin'io bokikely io, Singapore dia manindry mafy fa mifandanja tsara ny fifanarahana tamin'ni Malezia raha ny tolotra rano no atao resaka.
Ny olana momba ny rano tsy resa-bola fotsiny fa ny fisian'i Singapore ho firenena manana fiandrianana mihitsy. Ireo Fifanarahana momba ny Rano dia tafiditra ao anatin'ny Fifanarahana Fisintahana izay miantoka ny maha firenena manana ny fiandrianany an'i Singapore. Raha azon'i Malezia ovàna araka izay itiavany azy ny votoatin'ny Fifanarahana momba ny Rano, dia mampametra-panontaniana koa ny momba ny fizakantenan'i  Singapore. Izay no tena fototry ny fifandirana.
Ny olana dia tsy ny hoe ohatrinona no alohantsika, fa ny hoe ahoana no fomba nanapahana ny fanitsiana ny sanda. Ny Fifanarahana momba ny Rano dia ahitàna andalana manokana mikasika ny hoe rehefa fotoana manao ahoana no azo anitsiana ny sandany ary ahoana no hikajiana ny fanitsiana. Ny fanitsiana ny sanda dia tsy araka izay maha-diavolana ny fon'ny andaniny na ny ankilany manokana. Raha toa MAlezia faka manova samirery ny votoatin'ny fifanarahana nekeny an-tsitrapo, aiza ny hasin'ireo fifanekena? Izay fifanarahana amin'ny ho avy rehetra hataontsika miaraka amin'i Malezia dia tsy hisy hanana ny lanjany.
Rajan Rishyakaran dia manakiana an'i Mahathir avy any Malezia ho nampikatso ny fifampidinihana teo amin'i Singapore sy Malaysia
Nahoana i  Singapore no tokony hanaiky handoa vola bebe kokoa amin'ny rano raha tsy mahazo na inona na inona ho tambiny ry zareo?
Ekena tanteraka, na tamin'ny vidin'ny rano tsy voadio tamin'ny andron'i  Mahathir aza, mbola mora kokoa ny vidin'ny rano tsy voadion-dry zareo Maleziana raha mitaha amin'ny fizakan-tena: saingy ny hilefitra amin'ny fangatahan'i Mahathir dia fiandohana ohatra ratsy any  Singapore. Noho ny tsy fahaizan'i Mahathir mitady marimaritra iraisana, ny fanaovan-javatra tsy amim-piheverana sy ny tsy fananany faharetana miaraka amin'i  Singapore, samy maty antoka izao i  Singapore sy Malezia.
Ny fiankinan-dohan'i Singapore amin'ny rano hafarana dia nanery azy hanamafy ny teknolojia vaovao mba hamokarana ny filàny manokana ara-drano. Nanangana ny  NEWater (avy amin'ny ranony efa niasa) izy ary tsy ela akory izay dia nanangana ny  ozinina lehibe indrindra any Azia ho fanasarahana ny rano sy ny sira avy amin'ny ranomasina.
Polona: mpitoraka blaogy tsy mitonona anarana manoratra momba ny Tabloid andavanandro
Mpanao gazety iray tsy mitonona izay efa niasa tamina  tabloid Poloney iray mpivoaka mpiseho isanandro  antsoina hoe Fakt, an'i Axel Springer AG, dia nanao blaogy vaovao, BrukowiecStory” (”TabloidStory” amin'ny teny Englisy), izay tiany hilazana ny tena fandehan-javatra marina any amin'ireo trano fikirakirana vaovao sy ny trano famoahana.
Wiadomości24.pl, vavahadin'ny fanaovan-gazetim-bahoaka Poloney, manoratra (POL) fa, araka ny voalazan'ilay mpitoraka blaogy, ny fahatomombanan'ny Fakt teo amin'ny tsena Poloney dia saiky niankina betsaka tamin'ny fandinganana ireo fitsipiky ny fanaovan-gazety avokoa.
Ity misy sombintsombiny amin'ny iray amin'ireo lahatsoratra voalohany (POL) ao amin'ny BrukowiecStory:
Mieritreritra aho fa ny famoronana ny Fakt no tena dona lehibe indrindra tamin'ny fahalalahan'ny media Poloney hatramin'ny [1989]. Talohan'ny 2003, tsy nisy afa-tsy Super Express, tabloid tsotra, mazava ary mahafinaritra. Nisy tombony iray izy ity – nanoratra ny marina foana ry zareo. Amin'ny fomba tabloid, nefa mbola afaka nilaza izany ho fanaovan-gazety ihany ny olona. Ary nijanona ho toy izany foana  ny toe-javatra  talohan'ny nidiran'ny Fakt teo amin'ny tsena.
Voalohany eo amin'ny tantaran'ny media Poloney, no nahitanay fomba vaovao – ny famoronana ny marina. “Tsy misy zava-mitranga? Raha izany forony ny zava-miseho,” ny tonian'ny famoahana dia tokony hikendry foana izay tokony hihetsehan'ireo mpanao gazety. […]
Ny mpitoraka blaogy koa dia nilaza fa te hanangana fikambanana ho an'ireo olona izay voa tamin'iny Fakt iny, ary milaza ihany koa fa misy fanomanana hetsi-bahoaka goavana. Hatreto aloha, mbola tsy namoaka lahatsoratra mikasika mazava ny fandikan-dalàna nataon'ny mpiandraikitra ny gazety izy.
Poland:Voasambotra ireo mpamorona ny “Rapidshare Poloney”
Vao haiana tamin'ity volana ity, nosamborin'ny polisy Poloney (POL) ireo mpanorina sy tompon'ny OdSiebie.com. Ilay vavahadin-tserasera, izay tsy mandeha amin'izao fotoana izao, dia dika mitovy amin'ny Rapidshare, ary nanomboka tamin'ny andro voalohany niasàny tamin'ny 2007 dia tsy nitsahatra nisondrotra ny fivezivezen'ireo mpitsidika tao aminy. Nametraka azy teo amin'ny laharana faha-11 amin'ny sokajy “fiaraha-monina” amin'ny aterineto Poloney ireo salan'isa farany teo.
Nipoitra tany amin'ny fitoraham-blaogy kiritika toy ny Blip.pl ireo tsaho voalohany. Nanoratra ity (POL) ny iray tamin'ireo mpampiasa azy - shunkiano - tamin'ny 11 Novambra:
Diso ve aho, sa foana ny OdSiebie?
Avy eo dia hoe nihidy ny OdSiebie.com, ary nipoitra tany amin'ireo blaogy maro ny  fanamafisana farany. Nanoratra i Paolo (POL):
[…] Mandeha ny tsaho fa natsahatra ny fampiantranoana “fichiers” maimaim-poana OdSiebie.com. Renay  fa nosamborin'ny mpitandro filaminana ny tompony sy mpamorona azy [Łukasz Ć.], ary nogiazan'izy ireo koa ireo CD 200 [nahitàna fitaovana tsy manana “copyright”  ara-dalàna] sy “disques durs” efatra. Efa azon'izy ireo ihany koa ny fidiran'ireo mpampiasa [userlogs]. […]
Nanomboka natahotra ireo mpampiasa satria niteny ireo manampahefàna fa afaka miditra amin'ny kaontin'ireo mpampiasa ny OdSiebie.com koa ry zareo, dia nipoitra indray ny tsaho hafa - tamin'ity indray dia hoe mety ho voasambotra koa hono ireo mpampiasa. Ao amin'ny Blip.pl, Nanoratra i frk (POL), mpampiasa:
Voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Afaka miditra amin'ny kaontin'ny mpampiasa ny manampahefana. Samia mitandrina.
Maro ny akon'ireny fihetsika ireny teo amin'ny tontolon'ny blaogy sy manerana ny aterineto tao Polona. Voalohany indrindra, nitondra tany amin'ny fanoherana nokarakarain'ireo mpampiasa hafa izany, izay tena nalaza be tao amin'ny Wykop.pl (tolotra mitovitovy amin'ny Digg):
Ary ity misy hevitra iray (POL) avy amin'i Piotr Vagla, mpitoraka blaogy manoratra momba ny resaka ara-dalàna sy ny aterineto:
Tsy mbola nosamborina mihitsy ireo mpamorona ny YouTube, nefa reko fa voasambotra ny tompon'ny OdSiebie.com. Nanolotra dinidinika ho an'ny daholobe i Łukasz Ć., tamin'ny filazany fa milay ny vohikalany, ary eo am-panomanana tetikasa ho an'ny hoavy izy. Nanambara koa izy fa ny raharaha manontolo momba ilay vohikala Swedish [The Pirate Bay] dia tsy inona fa vokatry ny tsy fiarahan-dry zareo miasa amina vondrona manohatra ny fanaovana piraty. Tsy fantatro raha niara-niasa tamina vondrona toy izany izy fa raha eny no valiny, dia tsy dia nanampy azy loatra izany. […]
Amin'izao fotoana izao, tsy dia mazava loatra raha hisambotra ireo mpampiasa ny OdSerbie.com ny manampahefana, na dia misy olona sasantsasany aza miteny izany. Tsy mbola nisy voasambotra aloha.