Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Marsa, 2013
Madagasikara : Lahatsary mitatitra ny fanolanana ireo zaza tsy ampy taona
Ny vohikalam-baovao Journeyman.tv no nanapariaka tamin'ny faha-25 Martsa ny vokatry ny fanadihadiana [Sakalava/Frantsay, dikantsoratra Anglisy] izay nampiasana fakan-tsary miafina mba hampibaribariana ny fihamaroan'ny fanolanana atao ireo zaza tsy ampy taona aty Madagasikara: Misy reny iray nijoro vavolombelona ao anaty lahatsary : Zanako amin'zay moa mianatra izy, ataony amin'zay za tsisy...
Fatin-kisoa Anarivony No Hita Nitsingevana Teo Amin'ny Reniranon'i Shanghai
Nahangona fatin-kisoa 3.323 ny roa andro nanadiovana ny renirano Huangpu, izay manasasaka an'i Shanghai. Raha nanambara ny fanjakana fa matin'ny andro mangatsiaka ny kisoa fa tsy otrik'aretina akory, maro kosa ireo mponina amin'ny aterineto no tsy dia matoky ity fanambarana ity.
Madagasikara, Tamin'ny Taonjato Farany Teo
Manankarena ny tantaran’i Afrika saingy matetika mahantra ara-tahirin-kevitra. Mba hanentsenana io lavaka io ao Madagasikara, nanomboka asa fandraketana niomerika mikasika ireo tranga manan-tantarany ny fiaraha-monina sivily
Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany
Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana fanoherana ny bokiny nahalafosana betsaka indrindra sy haingana mikasika ny fanandratana ny fandriampahalemana. 95 taona izy izao. Tonga fanta-daza eran-tany i...
Manova Ny Fahazaran-dratsin'ny Indostria Ny Mpanakanto Amin'ny Boky Mampihomehy Any Brezila
Rehefa avy nandalina tsara ny tontolon'ny hatsikana manerana an'i Amerika Latina tao amin'ny lahatsoratsika teo aloha isika, dia hiverina any Brezila hamantatra misimisy kokoa ny comicdom Breziliana, satria vao avy nankalaza ny andro nasionalin'ny Boky Mampihomehy (Dia do Quadrinho Nacional) [pt] izy tamin'ny 30 Janoary teo.
Hero Reports: Vaovao Tsara Mitarika Ho Amin'ny Fiovana Ara-tsosialy Any Meksika
Tafatafa niarahana tamin'i Yesica Guerra, Talen'ny Hero Reports i Paula Gonzalo avy ao amin'ny Periodismo Ciudadano (Fanaovan-gazety ho an'ny Mponina), tetikasa iray vaovao mitondra ny anaran'ny faritra niaviany, voaangona avy amin'ny vahoaka, na ny fandraisan'anjaran'ny mponina, izay mitantara ny hetsika tsara izay niseho tany Meksika.
Melohin'ny Fiangonana Katolika Ny Lalàna Fanamombàna Any Panama
Namoaka lalàna izay mamela ny vehivavy 23 taona no miakatra izay manan-janaka roa na mihoatra hisafidy malalaka ny ho momba ny Antenimieram-Pirenena Mpanao lalàna tamin'ny 23 febroary 2013. Nolazain'ny Fiangonana Katolika ho fepetra mihoa-pefy izany ary nangatahany ny hanasiam-panovàna. Mandritra izany, mizarazara ihany koa ireo Panameana, ho amin'ireo mahita ilay lalàna ho tsara ary ireo izay mitsipaka azy.
Lahatsary Fidarohana Amin-kerisetra Vehivavy, Mahatohina An'i Angola
Taitra noho ny feon'ny hiakam-pahoriana sy ny feon'ny vehivavy roa nokaravasiana tao amina tranombarotra iray i Angola tamin'ny 7 Febroary 2013. Tao anatin'ny telo andro monja, nahazo mpijery youtube maherin'ny 25.000 ny rakitsary maharitra 13 minitra izay maneho vehivavy roa novonoina tamin-kerisetra, nalefa tamin'ny fahitalavi-panjakana ary nahatohina ny fiarahamonina Angoley.