Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Oktobra, 2012
Karaiba: Tsy Afa-Miala; Mamely i Isaac
Maro amin'ireo nosy no miezaka miala amin'ny korontana navelan'ny fandalovan'ny rivodoza na dia teo aza ny fanantenan'ny mpitoraka bilaogy Karaibiana fa handalo mora foana eo amin'izy ireo ny Rivodoza tropikaly Isaac. Efa niaina ny voka-dratsy nateraky ny haratsin'ny andro i Haiti; tondra-drano sy fihotsahan'ny tany niteraka fahafatesan'olona vitsivitsy. Ny olona sasany tsy maintsy nasaina niala teo amin'ny tranony.
Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?
Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara: Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise...
Minisitra Zambiana Tratra Nijery Ny ‘WikiLeaks Zambiana’
Azo sary tamin'ny fakantsary teo am-pijerena ny tranonkala Zambian Watchdog nandritra ny fivorian'ny mpanolo-tsainan'i Lusaka ny Minisitra lefitry ny Vola Miles Sampa sy ny Minisitra misahana ireo lehibe Nkandu Luo. Io Fanaparitaha amin'ny aterineto io, fantatra amin'ny fandaharana fandihadiana,dia norahonan'ny lehiben'ny Sampana Fandraisana Tataon-ketran'ny orin'asa hakatona tamin'ity volana ity.
Mandrisika ny Kazaka Hiteny ny Tenindrazany Ilay Mpihira Italiana
Nanjary nalaza tany Kazakstana i Son Pascal, mpihira Italiana sy mpamoron-kira, noho ny zotom-pony namporisika ny Kazaka hiteny ny tenindrazany. Manambara ny fitiavany ny zavatra Kazaka rehetra i Pascal tao amin'ny dinidinika fohifohy niarahana tamin'ny Global Voices Online.
Pôrtô Riko: Mirehareha Amin'ny Maha-Pelaka Azy ny Mpanao Ady Totohondry Orlando Cruz
Novakian'ny mpanao ady totohondry Pôrtôrikana Orlando "The Phenomenon" Cruz ny fahitana ny ankapoben'ny tontolo haiady tamin'ny fanambarana vao haingana nataony mikasika ny fironany ara-pananahana.
Madagasikara : Miaro ny Vako-Pirenena Amin'ny Alalan'ny Fandraketana Ny Haino Aman-Jery
Mampiady hevitra matetika ny tantaran'i Madagasikara noho ny antony samihafa: tsy fifanarahan-kevitra tamin'ny fizotran'ny voina manan-tantara, fomba fijery voafetran'ny fitenim-[pirenena] [mg], na ny famotehana ny arsivan-tantara rehefa misy ny krizy politika. Misy fandraisana an-tanana ataona fikambanana iray ho fandraisana anjara amin'ny fandraiketana ho nomerika ny tahirin-kevitra haino aman-jery amin'ny tantaran'i Madagasikara.
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy.
Pero: “Ny Lamosiko Iresahana, Atoa Filoha”
Naneho ny tsikerany mahatsikaiky ireo Peroviana mpampiasa Twitter taorian'ny nanehoana ny lahatsary izay toa hoatry ny ahitana fifanakalozan-dresaka henjakenjana teo amin'ny filoham-pirenena mivady.
Hetsik'ireo Grika Mpandàla Ny Fanjakan'ny Baroa Manohitra Ny Fanavakavaham-bolonkoditra, Atao An-tsary
Natao tany afovoan-tananan'i Atena tamin'ny sabotsy 1 Septambra teo ny fihetsiketsehana manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra. Mpanao fihetsiketsehana anjatony maro, indrindra ireo mpandala ny fanjakan'ny baroa, no nivondrona hanohitra ny zava-nitranga niseho tato ho ato toy ny herisetra, izay mahafaty mihitsy aza, ny fanafihana atao amin'ireo mpifindra monina.