· Oktobra, 2011

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Oktobra, 2011

Côte d'Ivoire : Rahoviana Ny Fanokafana Indray Ireo Anjerimanontolo?

  31 Oktobra 2011

Nandritra ny disadisa nialoha ny fifidianana tao Côte d'Ivoire, ireo anjerimanontolo telo ao amin'io firenena io (Cocody, Abobo-Adjamé sy Bouaké) dia nakatona ary tsy nasiana olona tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatra. Raha betsaka tamin'ireo Ivoariana no nadray izany fanapahan-kevitra izany tamin'ny lafiny tsara, amin'izao fotoana kosa dia maro ireo mametra-panontaniana manoloana ny manjavozavo mikasika ny ho fanokafana indray ireny anjerimanontolo ireny. Mandroso vaha-olana fiandry ny mpampiasa aterineto.

Ségou Villages: Ny Fahendren'ireo Ohabolana Bambara

Rising Voices  31 Oktobra 2011

Ny ohabolana dia andian-teny fohy avy amin'ny fahendrena eo amin'ny fiarahamonina. Any Mali, maro amin'ireny fomba fiteny ireny no hita amin'ny teny Bambara, izay teny mbe mapahazo indrindra ao amin'ny firenena, indrindra fa any amin'ny faritr'i Ségou. Eto no idiran'ny tetikasan'ny Rising Voices , Ségou Villages Connection mampianatra ny mponina ambanivohitra mba hampiasa ny aterineto hizaran'izy ireo ny tantarany. Na izany aza, hita ihany koa ireny ohabolana ireny any anaty resadresaka amin'ny bilaogy samihafa sy ny twitter any.

Brezila : Ny Niobium, Harem-pirenena Amidy Mora

  31 Oktobra 2011

Isan'ny metaly ampiasaina betsaka manerana ny tany ny niobium, ary Brezila no manana ny tahiry be indrindra amin'io harena ankibon'ny tany io. Na izany aza, ny fitrandrahana azy any Brezila dia mampametraka fanontaniana maro mikasika izay mba vokatra entiny ho an'ireo orinasa tsy miankina na orinasam-panjakana.

Libia: Ny Marina Momba Ny Fahafatesan'i Gaddafi

Mifety i Libia iray manontolo satria lavo ny toeram-pamaharana mafy fotrotr'i Gaddafi, Sirte ary, na ny tenany voasambotra dia novonoina, na novonoina dia voasambotra. Mbola manjavozavo ny antony nahatonga ny fahafatesany, sady vitsy no mifanipaka ireo andinindininy. Ao amin'ny Twitter, miezaka mamerina manangana ny antony nahafaty azy ireo mpanao gazety sy mpitoraka bilaogy.

Meksika: Nosoniavin'ny Filoha Ilay Lalàna, Roa Taona Taorian'ny Haitrano Tao Amin'ny Toeram-pitaizana Zazakely ABC

  30 Oktobra 2011

Tamin'ny 5 Jona 2009, nisy toerana fitaizana zazakely antsoina hoe Guardería ABC kilan'ny afo ka zaza 49 no namoy ny ainy ary 76 no naratra. Nanao fanadihadiana lalina ny ray aman-drenin'ireo zaza ireo mba hitadiavana izay tena meloka ary hitondra izany eo anoloan'ny Fitsaràna; ankoatr'izay dia nanohana tolo-dalàna iray mba hampivoarana ireo toeram-pitaizana zazakely rehetra any amin'ny firenena. Nosoniavin'ny Filoha meksikana izany lalàna izany (#Ley5deJunio amin'ny Twitter) taorian'ny ezaka lehibe sy mendri-pideràna avy amin'ireo mafàna fo amin'ny aterineto any Meksika.

Arabia Saodita : Miala any ny printsy Naif

Minitra vitsy monja ny famoahan'ny mpisera Saodiana tao amin'ny Twitter ny fitaintainan'izy ireo tao aorian'ny fahafatesan'ilay Printsy mpandimby Sultan Bin Abdul Aziz Al Saud.  Mitovy fanontaniana ny maro amin'izy ireo momba izay Printsy mpandova manaraka ao mandrapahatongan'ny vaovao avy amin'ny Lapan'ny Mpanjaka ny sasak'alin'ny  27 Oktobra fotoana nanendrena ny Printsy  Naif Bin Abdul...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg