· Septambra, 2011

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Septambra, 2011

Fiarovana ny Ala Afrikana: Lova Navelan'i Wangari Maathai

  28 Septambra 2011

Lasa any ankoatra tamin'ny 25 Septambra 2011 lasa teo i Wangari Maathai, Kenyana malaza amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy mpikatroka politika ary nahazo ny loka Nobel tamin'ny 2004. Izy no vehivavy Afrikana voalohany nahazo ny loka sady ekena manerantany ho olo-malaza ao amin'ny tahalan'ny tolona ho amin'ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny tetikasa maharitra eto amin'ny kaontinanta Afrikana.

Kamerona: Dia Ahoana Raha Tsy Mandeha Mifidy Isika Amin'ny 9 Oktobra?

  27 Septambra 2011

Ao Kamerona, toa tsy dia mahataitra loatra ny olona ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin'ny 9 Oktobra 2011. Ho an'ny Kamerone maro, tsy dia misy lanjany loatra io fifidianana io ary dia tsy misy antony tokony hifidianana raha ny hevitry ny mpifidy maro, satria ny vokatra dia efa mirona sahady mankany amin'ny Filoha amperin'asa Paul Biya.

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

Pakistan: An-tapitrisany Tratry Ny Tondra-drano Ao Sindh, Tsy Misy Mpijery

  25 Septambra 2011

Taorian'ny tondra-drano niteraka faharavàna be tamin'ny taona 2010 tao Pakistan dia tsy nisy dingana mivaingana noraisin'ny governemanta hatreto mba hiatrehana ny mety ho fisian'ny tondra-drano amin'ny hoavy. Ny fiantraikan'io tsy firaharahiana io dia nandravaràva indray ny tondra-drano. Ny ivon'ilay zava-doza tamin'ity taona ity dia i Sindh izay namafàn'ny tondra-dranobe tanàna maro ary namindràna toerana olona an-tapitrisany.

Bolivia : Nivondrona ireo Ankizy Miasa

  25 Septambra 2011

Ao Bolivia, toerana izay ny mpikambana ao anaty orinasa no tena mameno ny sendika, nanangana sendika ihany koa ny andianà mpiasa iray hafa: ny ankizy. Bilaogera maro sy mpilaza vaovao maro no nanao izay ametrahana io resaka io ho laharam-pahamehana.

Fiarovana Ny Tora-pasik'i Brunei

  24 Septambra 2011

Ny Fikambanana Beach Bunch, dia naorina mba "hikolokolo sy hiaro ny tora-pasik'i Brunei amin'ny halotoana. Ny Fikambanana Beach Bunch koa dia màka ny herin'ny tambajotram-piarahamonina mba hanangonana fanohanana bebe kokoa avy amin'ny olona. Ny iray amin'ireo tetikasany ny fandraketana an-tsaritany ireo tora-pasik'i Brunei handraketana an-tsaritany ny faritra, ny tolotra azo omena sy ny toetoetry ny tora-pasika ao amin'ny firenena.

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg