· Aogositra, 2010

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Aogositra, 2010

Ghana: Mifanerasera amin'ny vahoaka ao amin'ny Facebook ny Filoha teo aloha

  30 Aogositra 2010

Efa ho herintaona sy tapany izay no namindran'i John Kufuor ny fahefana ho an'i Filoha Atta Mills. Na dia nandao ny birao aza izy, Kufuor dia mbola mahita ny filàna miserasera amin'ny vahoaka. Noho tambajotra ara-tsosialy ao amin'ny aterineto, miresaka amin'ny vahoaka amin'ny alalan'ny kaonty Facebook-ny i Kufuor, izay manana mpanaraka 15.066 (amin'izao fotoana anoratako ity lahatsoratra ity izao).

Rosia: Ireo tra-boina noho ny doro ala malahelo niady ho an'ny tranony

Akon  30 Aogositra 2010

Ao anatin'ny fandaharam-potoan'ny fantson'ireo haino aman-jery matanjaka ny tohin'ny afobe vao haingana teo tany Rosia. Tatitra mikasika sy resadresaka mivantana miaraka amin'ireo tra-boina, mpilatsaka an-tsitrapo, mpiasa ho amin'ny fanampiana amin'ny maha-olombelona ary ireo mpiasan'ny governemanta no tena endrika tsara mandrakotra ireo fivoarana: natsangana ny trano vaovao ho an'ireo tra-boina, takalo...

Pakistana: Ezaka fanampiana – Tatitra avy any an-toerana

  29 Aogositra 2010

Indraindray, mila traik'efa betsaka vao afaka mahatsapa ny tena mampalahelo amin'izao zava-mitranga izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity izahay mizara tatitra sasany avy amin'ny mpanoratry ny Global Voices Salman Latif any Multan izay vao tsy ela no tany amin'ny faritr'i Muzaffargarh sy Mehmood Kot any Pakistan mba hizara fanampiana ho an'ireo tra-boina.

Sina: fanatsaràna ny GFW

GV Mpisolovava  29 Aogositra 2010

Ny  tatitra avy amin'ireo loharano samihafa dia niteny fa voasakana  any Sina nanomboka tamin'ny Zoma (27 Aogositra) ny Freegate, iray amin'ireo fitaovana malaza fandinganana ny sakana . Rehefa mandefa ilay rindrambaiko ireo mpampiasa izany, dia misy hafatra fampitandremana miseho: Diso, tsy maintsy hajanona ny rindrambaiko. Azafady, raiso ny fialantsininay. Ity...

Chili: Mbola velona ireo mpitrandraka 33 tafahitsoka

  27 Aogositra 2010

Mpitrandraka 33 tafahitsoka ao amina fitrandrahana varahina sy volamena nirodana any Chili avaratra no nanamafy tamin'ny alalan'ny hafatra fa velona avokoa izy rehetra ao amin'ny fialofana, sady mihamafy ireo fikarohana sy ezaka fanavotana raha saika very ny fanantenana ny hahita azy ireo velona. Ilay hafatra dia tafiakatra taty ivelany tao anaty harona nifatotra tamin'ny iray tamin'ireo fandavahana izay nampiasaina hahafantarana izay tena misy azy ireo, 700 metatra ambany tany.

Toro-lalana efatra mikasika ny Advocacy hita amin'ny teny Albaney

GV Mpisolovava  27 Aogositra 2010

Faly izahay mampahafantatra ny fandikan-tenin'ireo toro-lalana efatra mikasika ny Global Voices Mpisolo vava amin'ny teny Albaniana. Niaraka tamin'ny fanampian'ny Metamorphosis Foundation, SEO Tips for Advocacy Bloggers, Geo-bombing: YouTube + Google Earth, Cross-posting for Advocacy, sy ny Blog for a Cause! dia efa afaka sintonina ao amin'ny aterineto. Blog for a...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg