· Avrily, 2010

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Avrily, 2010

“Boobquake” – “Horohoron”-’ny nofo miatrika ny fitakian’ny mpitarika fivavahana iraniana

Mpianatra iray any amin'ny Anjerimanontolon'i Purdue any Etazonia no nangataka ny vehivavy eran-tany mba hanao fitafiana mihanjahanja na mampiseho kely ny lohaliny ny andro alatsinainy, ho toy ny andrana hanihany ihany mba hanaporofoana ny tsy maha-marimpototra ny fombam-pivavahana iraniana izay milaza fa ny fanaovana akanjo tsy maotina dia miteraka horohoron-tany.

Costa Rica: Blaogin'ny fahazotoan'komana sy ny fahaiza-nahandro

  30 Avrily 2010

Mampiseho ny fitiavan'izy ireo manokana ny fikarakarana nahandro ao anatina karazana blaogy maromaro mahasarika ireo mpitoraka blaogy any Costa Rica, feno ireo fomba arahina sy ireo sary. Misarika ny maso sy mampahazoto homana ireo mpamaky blaogy Ireto karazana sakafo mahasalama, mamy, sy efa voafantina ireto. Miainga amin'ireo efa mpahandro mankany amin'ireo mpitoraka blaogy tsotra liana amin'ny sakafo ireo mpitoraka blzogy manoratra mikasika izany, izay tsy mikasa ny hampiseho ireo fomba fanaovana sakafo ihany, fa mandrisika ihany koa ireo mpamaky hizatra hanao sakafo.

Ejipta : Ny toe-karen'ny tsy mihinan-kena

  28 Avrily 2010

Niakatra izay tsy izy ny vidin'ny hena ao Ejipta tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Amidst dia niantso ny amin'ny tsy hividianana hena, Ejiptiana maro no voatosika hanjary mpifady hena no ho ny halafon'ny vidiny.

Ejipta: Manampy trotraka ny olam-pirenena ny tsy fisian'ny Hashish

  27 Avrily 2010

Ankoatry ny sakafo, ny solika, ary ny entona fandrehitra, ny hashish (cannabis) koa izao dia tafiditra anatin'ny lisitr'ireo zava-mampahory ny Ejyptiana ny tsy fisiany. Mitantara ny antony mahatonga ity zava-mahadomelina ity hanjary isan'ny iray tena karohana ireo mpitoraka blaogy, na dia tsy mitsaha-mitombo aza ny fahantrana sy ny vidim-piainana.

Kaokazy : fampivoarana ny fiainana ara-tsosialy

  26 Avrily 2010

Na dia mbola mihisatra aza ny fidiran’ny internet any Atsimon'ny Caucase, ny fambara rehetra dia maneho fa ireo haino aman-jerim-baovao sy ara-sosialy dia mitana andraikitra lehibe eo amin'ny tontolon'ny fampivelarana ny demokrasia sy ny hafanam-po any an-toerana. Miaraka amin'izany fijery izany ao an-tsaina, ny Open Society Georgia Foundation (OSGF), ny Georgian Institute of Public Affairs (GIPA) sy ireo mpanome tànana hafa dia nikarakara ny Fihaonana voalohany ho an'ny Fanavaozana ara-Sosialy ao Tbilissi, any Georgie ny 8-10 Aprily, hetsika izay hokarakaraina midanindran-dàlana amin'ny fihaonambe momba ny Haino aman-jery ara-Sosialy ho an’ny Fanovana Sosialy.

India, Pakistan: Misosa ny fakan-tàhaka an'i Sania-Shoaib

  26 Avrily 2010

Misosa ny fakan-tahaka ny fanambadian'i Sania-Shoaib raha toa kosa ka manitatra ny fampahalalam-baovao, hany ka toa mitohy misavoritaka ny mponina an-tapitrisany avy amin’ireo firenena ireo. Raha eo ampikarakarana sy miala ireo sakantsakana amin'ny fanambadiany izy roa, mitohy any rehetra any ny fanakianana mivaivay sy manafintohina.

Polona: Fahoriana lalina tany anaty aterineto taorian'ny 10.04.2010

  22 Avrily 2010

Sylwia Presley dia mitatitra fa samy nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ny vavahadin'izy ireo avy ireo mpilaza vaovao amin'ny aterineto, ireo mpilaza vaovao ara-tsosialy, ireo tranonkalan'ny governemanta ary ny vavahadin'ny tranonkalan'ireo fikambanana Poloney erak'izao tontolo izao koa dia mba nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ho fanehoan'izy ireo ny fiaraha-miory amin'ny firenena.

Iran: Nihen-danja ve ny fitorahana blaogy hatramin'ny fifidianana filoham-pirenena?

  19 Avrily 2010

Moa nanova ny fampiasana ireo fantsona sy fitaovana median'olon-tsotra ve ny fifidianana filoham-pirenena Iraniana? Iraniana iraikambinifolo mpitoraka blaogy sy matihanina amin'ny fampahalalam-baovao mahasolotena ny firehana politika rehetra no namaly ny andiam-panontaniana mikasika ny fivoaran'ny fampahalalam-baovao avy amin'ny Iraniana olon-tsotra Iran hatramin’ny fifidianana.

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg