· Septambra, 2009

Below are posts about citizen media in Malagasy. Don't miss Global Voices teny Malagasy, where Global Voices posts are translated into Malagasy! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Malagasy tamin'ny Septambra, 2009

Tontolo: Mandefa ny lahatenin'i Gaddafi teo anatrehan'ny Firenena Mikambana amin'ny alalan'ny Tweet

Tamin’ny fanambarany voalohany nanoloana ny fivoriamben’ny Firenena mikambana, ny Filoha Libyanina Muammar Gaddafi dia nanenjika ny fotoana veriny. Ny fandraisany fitenenana dia in’enina amin’ny fotoana nomena hitenenana, nefa ireo mpitondra eran-tany tonga tao nihomehy sy nanoaka fotsiny. Any anaty Twitter, be ny fanehoan-kevitra navoakan'ireo mpampiasa izany momba ilay kabary.

Kôlômbia: Aiza no ahitana ny Buñuelo tsara indrindra

  29 Septambra 2009

Ny buñuelo dia sakafo tena Kolombiana izay mahanoana na maheno ny anarany fotsiny aza. Izay no nitranga tamina vondrona Kolombiana mpampiasa twitter, izay nisafidy ny hiresaka momba ny toerana tiany fividianan-dry zareo ny buñuelo, toy ireo sakafo mampiavaka an-dry zareo manokana. Nanosika ny maro hiazakazaka hivoaka hividy ilay sakafo ihany koa izy ity.

Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana

  28 Septambra 2009

Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.

Inde: Onjan'ny famonoan-tena ao amin'ny tantsaha

  25 Septambra 2009

Miha mandray fepetra hentitra tsikelikely ny tantsaha Indiana, ao anatin'izany ny famonoan-tena, hitsoahana ny fahasarotan'ny olan'ny fahantrana, ny tsy fahombiazan'ny voly sy ny fitombon'ny trosa.Mandinika ny zava-misy ny mpampiasa blaogy Indiana.

Kazakhstan: Tsy fahazakàna fampielezan-kevitra

  23 Septambra 2009

Araka izay amaritan'i megakhuimyak azy, tamin'ny herinandro lasa iny tao Kazakhstan,  “miha-henjana ny fikorosiana.” Mbola manalokaloka sy mibahana ao an-tsain'ny firenena iray manontolo ny vinantolahin'ny filoha teo aloha, Rakhat Aliev, fahavalo  émigré ho an'ny fitondrana # 1. Ny tahotry ny olona ny fiandrianana mahafehy ny zavatra rehetra sy ny mpiasam-mpanjakana...

Ireo pejinay momba an i Malagasy

mg