· Septambra, 2010

Below are posts about citizen media in Korean. Don't miss Global Voices 한국어, where Global Voices posts are translated into Korean! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Koreana tamin'ny Septambra, 2010

Korea Atsimo: Nahatezitra ny olona ny nandraisana ny zanakavaviny (minisitra) hiasa.

  15 Septambra 2010

Trangam-piainana tsy rariny nefa dia fahita n'aiza n'aiza: mora mahazo asa kokoa ireo olona avy amina ankolafim-piarahamonina manana tombony manokana.… Izany no mahatonga ireo tanora mamerimberina mihevitra fa ‘mitovy ny olona rehetra (amin'ny lafiny ratsy)...Maro ireo mpampiely vaovao no mikofoka mafy mitady fijoroana vavolombelona avy amin'ny sehatra maro samihafa. Angamba ny olona tokony hisaotra an-dRamatoa Yu noho ny fanairana ny sain'ny vahoaka hitodika amina olana izay efa ela no nihombo tany ambadimbadika tany

Korea atsimo: Niteraka adihevitra nafana teo amin'ny mponina ny drafitry ny governemanta ho fampakarana ny vidin'ny sigara

  15 Septambra 2010

Nanambara mikasika ny fampiakarana avo telo heny ny vidin'ny sigara ny sampana misahana ny fahafalaman'i Korea atsimo mba hanenana ny tahan'ny fifohan'ny mponina manerana ny firenena sigara izay avo dia avo, izany dia niteraka adihevitra haingana teo amin'ny aterineto izay mihodinkodina eo amin'ny vidin'ny sigara. Maro ireo Koreana no mankasitraka ny fanenana ny tahan'ny fifohana sigara nefa miahiahy izy ireo eo amin'ny fahombiazan'io drafitra vaovao io.

Korea Atsimo: Tatitra toetr'andro mivantana amin'ny alalan'ny Twitter mandritra ny rivo-doza Typhoon

  06 Septambra 2010

Ny tanàn-dehiben'i Seoul dia nandalo ny iray amin'ireo lozam-pifamoivoizana ratsy indrindra tao anatin'ny folo taona noho ny fandalovan'ny rivo-doza tao amin'ny firenena. Na izany aza ireo mpi-tweet (mpandefa bitsika) dia nanampy tamin'ny fandaminana izany tamin'ny fandefasana ny toetoetry ny làlana, ny fampakarana mivantana ny sarin'ireo manodidina ary ny fizaràna torohevitra ho fisorohana.

Ireo pejinay momba an i Koreana

ko