Below are posts about citizen media in Khmer. Don't miss Global Voices ជាភាសាខ្មែរ, where Global Voices posts are translated into Khmer! Read about our Lingua project to learn more about how Global Voices content is being translated into other languages.

Tantara mikasika ny Khmer

Kambodza: Niteraka Resabe Ny Andron'ny Mpifankatia

  06 Janoary 2018

"Araka ireo vokatry ny fanadiahadiana, 12.4 isanjaton'ireo namaly no nilaza ho miandrandra fa afaka ny hanao firaisana amin'ny Andron'ny Mpifankatia, ary maherin'ny 14.3 isanjaton'ireo tanora efa manana olon-tiana no namaly fa miandrandra ny hanao firaisana amin'ny olon-tiany amin'io andro io ihany koa, ary mpifankatia vitsivitsy no mieritreritra ny tsy hampiasa fimailo....

Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook

  12 Jolay 2013

Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza koa ireo antoko politika mba hisarihana ireo tanora mpifidy. Niaiky ny fahadisoany tamin'ny fanambarany vao haingana i Moses Ngeth, mpikatroka...

Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly

  25 Desambra 2012

Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny 18 taona ihany koa ny filazana, izay nanipika fa marobe ireo loza ateraky ny aterineto tahaka ny fampihorohoroana, heloka ara-toekarena...

Resadresaka Niarahana Tamin'i Chanphal Sok: Mpanoratra sy Mpamoron-kira Kambojiana

  10 Desambra 2012

Namakivaky ny onjam-piainana teny, nivezivezy tetsy sy teroa i Chanphal Sok toy ny zazakely niaraka tamin-dreniny mba hahita ny foto-piveloman'izy ireo. Nanoratra momba ny fiainana sarotra nodiaviny teo anelanelan'ny faritra Kampong Cham sy ny faritra Kratie tao amin'ny bilaoginy amin'ny teny Khmera i Chanphal, nampiasa bilaogy izy mba hanoratra bebe kokoaliteratiora, tantara...

BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza

  27 Marsa 2012

Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao  Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor izay fanta-daza manerantany.  Tao amin'ny “Build Bright University” ao amin'ny faritanin'i Siem Reap no toerana nanaovana ny hetsika. Tahaka ny BarCamps rehetra...

Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona

  27 Oktobra 2011

Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011

Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy

  16 Oktobra 2011

Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.

Ireo pejinay momba an i Khmer

km