Tantara farany mikasika an'i Khmer
25/12/2012
Raràn'i Kambodja Ny “Cybercafé” Manakaiky Sekoly
Namoaka naoty ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra Kambodjiana fa voaràra ny manorina cybercafé 500 metatra manodidina ny sekoly na trano fampianarana. Mandràra ireo cybercafé tsy handray ireo tanora latsaky ny...
10/12/2012
Resadresaka Niarahana Tamin'i Chanphal Sok: Mpanoratra sy Mpamoron-kira Kambojiana
Namakivaky ny onjam-piainana teny, nivezivezy tetsy sy teroa i Chanphal Sok toy ny zazakely niaraka tamin-dreniny mba hahita ny foto-piveloman'izy ireo. Nanoratra momba ny fiainana sarotra nodiaviny teo anelanelan'ny faritra Kampong Cham...
27/03/2012
BarCamp Angkor Voalohany ao Kambodza
Nanomboka tamin'ny taona 2008, tao Phnom Penh no nokarakaraina ny BarCamps ao Kambodza. Saingy tamin'ity taona ity, tao amin'ny tanàna faritanin'i Siem Reap indray no nanaovana ny BarCamp, ao amin'ny vavahady fidirana amin'ny tranoben'ny fiangonana Angkor...
27/10/2011
Kambodza: Tondradrano Faran'izay Ratsy Indrindra Tato Anatin'ny Folo Taona
Ity no tondradrano faran'izay ratsy indrindra tato anatin'ny folo taona. Ny manampahefana Kambodziana mitatitra fa mila ho antsasaky ny iray tapitrisa no velaranà tanimbary simban'ny rano ka mety hanohintohina ny fahavitan-tena ara-tsakafo any amin'ny faritra. Ireto ny tatitra misimisy kokoa momba ny zava-doza nentin'ny tondradrano ao Kambodza 2011
16/10/2011
Andro Iraisam-pirenena Ho An'ny Fanasàna Tànana: Manova Fomba Amin'ny Alàlan'ny Hira sy Dihy
Fantatrao ve ny fomba hanasàna tsara ny tànanao? Avy amin'ny alàlan'ireo hira sy dihy, mampianatra ireo hafa ny fomba tena mety hanasàna ny tànany ireo olona manerana ny tany mba hampiroboroboana ny fahasalamana. Ny 15 Oktobra no Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Fanasana tanana ary miaraka teny famantarana Manavotra Aina ny Tanàna Madio , manisy tsindrim-peo amina hetsika tsotra izay manampy amin'ny fanenana ny fahafatesan'ny ankizy noho ireo aretina azo sorohana izany.
12/04/2011
Kambodza: Hira momba ny Facebook
Mihamahazo vahana ny Facebook any Kambodza. Mampiasa ny Facebook ohatra ny praiminisitra izay efa teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1985. Ary misy fironana vaovao sy mahaliana eto amin'ny firenena: Mamoron-kira momba ny Facebook ny Artista
11/09/2010
Azia: horonantsary mikasika ny fanararaotana noho ny zava-mahadomelina sy ireo Toby fihazonana
Mirehareha ireo toby fihazonana noho ny fifohana zava-mahadomelina any Azia. Na dia nanolo-tena hiala amin'io fahazaran-dratsin yio aza ny sasany amin'ireo mpiankin-doha amin'ny zava-mahadomelina Aziatika, amin'ireo toerana sasany, nitarika tamin'ny fanararaotana toa misosa ho azy ny zon'olombelona eny an-dalambe izany ka hanidiana ireo olona tsy manan-tsafidy, ampijaliana, aolana, terena hiasa maimaim-poana sy tsy mahazo izay filàna fototra akory.
11/08/2010
Kambodza: adihevitra momba ny raharaha Duch
Nahazo sazy 35 taona ny lehiben'ny fonja nampangaina ho nanome ny baiko hampijaly sy hamono ho faty ireo olona 14,000 nandritry ny fitondran'ny Khmer Rouge tany Kambojy . Ity no sazy fanamelohana voalohany taorian'ny nianjeran'ny fitondrana Khmer Rouge 30 taona lasa izay . Manao hetsika ireo mpitoraka bilaogy.






























RSS ho an i Khmer 




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa